Toko faha 3

1 Farany, are rahalahy, miravoravoa akao amin'ny Tômpo. Tsy mampagnino zaho ny magnampôdimpôdy manoratra regny raha regny ho anareo. Regny raha regny hiaro are. 2 Mitandraima amin'ireo amboa. Mitandraima amin'ireo mpagnano ratsy. Mitandraima amin'ireo fanapahagna rantsam-batagna. 3 Fao atsika no voafora ave atsika no mpanompo amin'ny Fagnahin-Jagnahary. Ary atsika no mipoerapoera akao amin'i Kristy Jesôsy, ave tsy mitoky amin'ny nôfo. 4 Na zany aby, zaho vaokany dia afaka mitoky amin'ny nôfo. Koa misy ôlogno mihevitry fao izy dia managna fahatokisagna amin'ny nôfo, afaka magnano lômbolômbon'izany zaho. 5 Noforaina tami'ny andro fahavalo zaho, tairaka tao amin'ny vahoakan'Israely, tao amin'ny fokon'i Benjamina, Hebreo tao amin'ireo Hebreo zaho; a 7 raka ny lalàgna, dia Fariseo zaho. 6 Tamin'ny zotom-pô, dia nagnenjiky ny fiangonagna zaho; raha ny amin'ny fahamarinagna ambanin'ny lalàgna, dia tsy nanan-tsigny zaho. 7 Fao na ino na ino tômbony ho ahy, dia nalaiky ho karaha fatiantoka regny nohon'ny amin'i Kristy. 8 Raha ny taigna izy, nisahiky ho fatiantoko aby ireo raha jiaby nohon'ny hagidazan'ny fahaizagna an'i Kristy Jesôsy Tômpoko. Nohony Izy dia nariako ny raha jiaby. Lazaiky ho fako regny mbô hahazahoako an'i Kristy 9 ary ho hita akao Aminy zaho. Tsy managna ny fahamarinagna ho an'ny haignianaha avy amin'ny lalàgna zaho. Fao kanaifa, managna ny fahamarinagna zay tamin'ny alalan'ny finoagna an'i Kristy zaho, fahamarinagna avy amin-Jagnahary zay mifotôtro amin'ny finoagna. 10 Koa avaizo dia tiahay azy ndraiky ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ave ny fitambaragna amin'ireo fijaliagna zaho. Tihiaova amin'ny alalan'i Kristy zaho mbô hotôrotro ny fahataisagna, 11 mbô hahifako mahatsapa ny fitsanganany amin'ny maty. 12 Tsy marigny fao nalaka reo raha sahady zaho, na koa hoe tonga tantairaka zaho. Fao miaizaka mbô handromboako lehy nandromboan'i Kristy Jesôsy zaho. 13 Oa rahalahy, tsy mieritreritry zaho fao ny haigniko dia afa nirômbo zany. Foa misy raha araiky: Tsy tsaroako zay agny afara aveo miaizaka ho an'ny lehy akeo aloha zaho. 14 Miaizaka magnatratra ny tanjogno zaho mbô hahazo lokan'ny antso avy agny ambony avy amin-Jagnahary amin'i Kristy Jesôsy. 15 Atsika jiaby zay matotro, aoka atsika hieritreritry karaha zany; ave izikoa misy eritreritriareo hafa mahakasiky raha jiaby, dia haboakan-Jagnahary aminareo ihany koa zany. 16 Kanaifa na ino na ino afa takatra atsika, aoka atsika hifikitry amin-jany. 17 Aoka ho mpalaka karaha zaho, are rahalahy. Diniho mariny reo zay mandaiha araka ny ahatra zay hitanareo aka aminay. 18 Maro reo mandaiha reo zay afa nivolagniky areo mazagna, ave avaizo zaho mivolagna aminareo amin-dranomaso _ karaha ny fahavon'ny kakazo fijalian'i Kristy. 19 Fandravanagna no fiafaran-jarereo. Fao ny bôkony no zagnahariny, aviake ny fipoerapoeran-jareo dia akao amin'ny fahamigniaragna. Mieritreritry ny raha magnerantany izy reo. 20 Fao agny an-dagnitry ny fanjakantsika zay handraisantsika mpamonjy ihany koa, dia ny Tômpo Jesôsy Kristy. 21 Izy dia hagnova ny vatantsika lehy malemy mbô ho vatagna karaha ny vatagna feno vogninahitra, zay natao tamin'ny herin'ny fahefagna hampagneky ny raha jiaby amin'ny haigniny.