Toko 1

1 Tô ny niantomboahan'ny vaovao maharavoravon'i Jesôsy Kristy, lehy Zanaka Zagnahary. 2 Araka zay voasaoratra akao amin'Isaia mpagnazary hoe : " tô, Zaho magniraka irakanaha handaiha alohaka Anao, lehy araiky hagnajary lalagnanao. 3 Misy feo regny magnantso mafy agny antany maty hoe: " atôvo vôgnogno lalagna Tompo; atôvo mahitsy lalagna himboany.'' 4 Avy Jaona, nagnano batisa tagny antany maty avakeo nagnambara ny batisan'ny fifônagna ho amin'ny famotsora-keloka nohon'ny fahadisoagna. 5 Ny tanin'ny Jodia jiaby ndraiky mponigny jiaby ao Jerosalema dia avy nagnatogno azy. Natany batisa tao amin'ny matsabôrin'ny jordana zareo, koafa nagneky ny fahadisoany. 6 Jaona dia nisikigny lamba volomparasy avakeo nagnano fehimbôko hôditry tagnandilany, aveo mendry ndraiky antely no nihoaniny. 7 Nivaolagna izy hoe: " Misy araiky hoavy fagnaraka zaho lehy mafy mihoatra zaho, aveo tsy magnaiva zaho na dia hamaha tadinkirarony aby. 8 Zaho nagnano batisa areo tamin'ny rano, fao Izy ndraiky hagnano batisa areo amin'ny Fagnahy Masigny.'' 9 Tamin'ny reo andro navian'i Jesôsy avy agny Nazareta tao Galilia no niboaka zany, avakeo natan'i Jaona batisa tamin'ny matsabôrin'ny Jordana Izy. 10 Koafa niboaka tamin'ny rano Jesosy, dia hitany nisaokatra ny langitry aveo nijôtso taminazy mitôvy amin'ny pizigny ny Fagnahy. 11 Aveo nisy feo avy tagny andangitry nagnano hoe: "Anao no Zanako tiako. Anao no foky." 12 Avakeo dia nitahômin'ny Fagnahy handaiha agny an-tanimaty Jesôsy. 13 Efapôlo andro Izy tagny an-tany maty, nalain'ny masantôko totry. Nipaitraka niaraka tamin'ny bibidia Izy, aveo nanompo Azy reo anjely. 14 Koafa voasambotra Jaona, dia avy tao Galilia Jesôsy nagnambara ny vaovao maharavon-Jagnahary, 15 avakeo nivaolagna hoe: "Afa avy ny fotoagna, aveo afa marikitry ny fanjakagnan-Jagnahary. Mifonào dia mankatoava ny vaovao maharavo." 16 Koafa nandaiha tagny nagnôlotro matsabôrin'i Galilia Izy, dia nahita an'i Simona ndraiky Andrea rahalahin'i Simona nagnarato, satria mpagnarato zareo. 17 Nivoalagna Jesôsy tamin-jareo : "Avià, magnaraha Zaho, fao ataoko mpagnarato ôlogno areo.'' 18 Samby teo dia nagnambaila harato zareo kay nagnaraka Azy. 19 Koafa nandaiha lavidavitry Jesôsy, dia nahita an'i Jakoba zanaka Zebedio ndraiky Jaona rahalahiny; tagnaty lakagna nagnamboatra ny harato. 20 Nagnantso zareo Izy ka dia nilahaosany tagnaty lakagna samy teo Zebedio babany niaraka tamin-jareo mpikarama, kay nizôhy Azy zareo. 21 Avakeo dia homby tagny kapernaomy zareo, ary tamin'ny andro Sabata, dia nitsôfotro tamin'ny synagoga Jesôsy ary nampianatra. 22 Variagna tamin'ny fampianarany zareo, satria nampianatra zareo mitôvy amin'ny ôlogno managna fahefagna Izy fao tsy karaha reo mpanaoratra lalàgna. 23 Aveo nisy lalahy araiky tamin'ny sinagogan-jareo zay nanagna fagnahy ratsy nangaiky mafy, 24 nagnano hoe: " Ino moa hifandraisanay aminao, ry Jesôsy avy akagny Nazareta? Avy hagnapotiky zahay moa Anao? Haiko hoe zôvy anao. Anao lehy Masin-Jagnahary!" 25 Nivaolagna mafy ny masantôko Jesôsy kay nagnano hoe: " Mangina aveo mialao aminazy!" 26 Ary ny fagnahy ratsy nandavo azy ndraiky niboaka taminazy kay nagnantso tamin'ny feo mafy. 27 Gaga ny ôlogno jiaby, kay nifagnontany zareo hoe: '' Ino tô? Fampianaragna vaovao misy fahefagna? Bikony na dia fagnahy ratsy aby aveo magneky Azy zareo!'' 28 Ny vaovao mahakasiky Azy dia nipariaka tany jiaby tagny tamin'ny faritry Galilia jiaby. 29 Koafa avy niboaka ny synagoga, dia homby tantragnon'i Simona ndraiky Andrea zareo, niarak tamin'i Jakoba ndraiky Jaona. 30 Ary ny rafozam-bavin'i Simona nandry nararin'ny tazo, kay nivolagnin-jareo tamin'i Jesôsy ny mahakasiky azy. 31 Dia nagnatogno Izy, kay nanambotro azy tamin'ny tagnany, aveo nagnako azy; dia niala ny tazony, ary nanomboko nanompo Azy zareo. 32 Tamin'io aligny io, tafaran'ny maty masaova, dia nihentin-jareo tamin'Azy lehy marary jiaby na misy masantôko. 33 Tafivory niaraka teo am-baravaragna ny tao antanagna jiaby. 34 Nampahivagna ôlogno fôntry lehy nararin' ny aretigny maro isan-karazany Izy ary nandroaka masantôko maro, fao tsy nambailany hivaolagna reo masantôko satria nahay Azy zareo. 35 Nonjonkiaka Izy, tamin'ny andro mbôla mahizigny; niala teo Izy kay nandaiha tagny amin'ny toeragna mitokagna ary teo Izy no nivavaka. 36 Nizaha Azy Simona ndraiky lehy niaraka taminazy. 37 Nahita Azy zareo ary nivolagna hoe: " Mizaha Anao ny ôlogno jiaby." 38 Nivaolagna Izy hoe : "Alôhy atsika handaiha amin'ny toairagna hafa, agny ambailany ao amin'ny reo tanàgna magnodidigny, mbô ahavitako mitory teny agny koa. Fa zany no antony niboahako tatô." 39 Dia nitety an'i Galilia jiaby Izy, nitory teny tao amin'ny synagogan-jareo salakady nandroaka masantôko maro. 40 Nisy boka araiky avy Taminazy. Nitalaho Taminazy izy; nandongoalitry teo Aminy aveo nivaolagna taminazy hoe: "Izy koa mety Aminao, dia afaka magnadio zaho Anao." 41 Naforaigny azy Izy, dia namavatra ny tagnany Jesôsy ary nikasiky azy, nivaolagna taminazy hoe: "Mety. Madiova anao." 42 Niala taminazy samby teo ny habokagna,ary nadio izy. 43 Nampitandrigny mafy azy Jesôsy aveo nagnandaifa azy. 44 Nivaolagna Izy taminy hoe: "Tandremo tsy hivaolagna na ino na ino amin-jôvy na amin-jôvy anao, fao mandihiana, amboaho amin'ny mpisôrogno ny taignanao, aveo magnanaova fagnatitry nohon'ny fagnadiovagna anao araka ny nandidian'i Mosesy, mbô ho fijoroagna vavolombelogno amin-jareo." 45 Fao niboaka izy ary nanomboko nagnambara tamin'ôlogno jiaby ndraiky nagnapariaka loatra ny volagna kay tsy afaka nitsôfotro an-kalalahagna tagny amin'ny tanàgna jiaby eky Jesôsy. Kay nipaitraka tagny ambailany amin'ny toairagna mitaokagna Izy avakeo nagnatogno Azy ny ôlogno avy amin'ny toairagna jiaby.