Toko 1

1 Paoly, mpanompon'Andriamanitry sady Apostolin'i Jesosy Kristy, hagnamafy gne finoa gn'olo voafidin'Andriamanitry sy gne fahalala gne marina izay magnaraky gne toe-pagnaha araky an'Andriamanitry, 2 ame fahatokisa gne fiaina mandrakizay, izay nampagnategnain'Andriamanitry, tsy mavandy,tame fahagola. 3 Tame gne fotoa voatondro, da nabokony gne zaka tame gne hafatry izay natokisany ho rohonoko. Naniko izany araky gne didin'Andriamanitry izay Mpamonjy antsika. 4 Ho an'i Titosy, zanaka marina ao ame gne finoa hikambanantsika. Fahasoava sady fiadana avy am'Andriamanitry izay Abantsika miaraky Jesosy Kristy Mpamonjy antsika. 5 Noho izao antony izao gne namelako anao te Kreta, da gne mba handaminanao gne raha mbola tsy vita sady hanendry loholona isaky gne tanà araky izay efa nandidiako anao. 6 Gne loholona da tsy tokony hanan-tsigny mitsy, vady gne viavy raiky, mana zanaky mino tsy voampanga ho magnara-po ame gne ratsy na maditra. 7 Ilainy gne mpitandry, ame gne maha-mpagnano gne asan'Andriamanitry, gne tsy fanagnan-tsiny. Tsy tokony hahery zaka na mirehareha. Tsy tokony ho mora vignitry, tsy teady, sady tsy olo tia vola. 8 Fa izy, tokony hampiantrano, sakezan'izay tsara. tsy maintsy mahonon-tegna, marina, masina, sady mahafehy tegna. 9 Tokony mita mafy gne hafatry izay efa nampianary izy, mba afahany mampahery gne hafa ame gne fampianara tsara sady hagnitsy gne izay manohitry enazy. 10 Fa maro gn'olo mpikomy, indrindra gne izay voafora. Tsy misy lanjany gne zaka indreo. Mandiso fagnategna sady mitariky gn'olo hagny ame gne lalan-diso indreo. 11 Ilay gne misaka anazy io. Mampianatry gne tsy tokony hampianary indreo mba ahazoa harena maloto sady mandrava gne fianakavia manontolo. 12 Nisy raiky tame ndreo, izay lehilaha manakagnaha, nizaka hoe:''Gne kretana da mpavandy mandrakizay, ratsy sady biby mandoza, kamo be tenda.'' 13 Marina izany voazakany izany, noho izany anaro mafy indreo mba hatanjaky ame gne finoa. 14 Ka miraharaha gne tapasiry gne Jiosy na gne didy gn'olo izay niala tame gne fahamarina. 15 Ho an'gne izay madio, da madio gne raha rehetra. Fa ho an'gne izay maloto sady tsy mino, da tsy misy madio na ino na ino. Noho gne sainy sady gne fieritreretany efa maloto. 16 Magneky fa mahalala an'Andriamanitry indreo, kanefa mandà Enazy ame gne asany. Mpankahala sady mpandika lalàna indreo. Tsy mahavita asa tsara na ino na ino.