Toko 1

1 Paoly, mpanompon'i Jesosy Kristy, da voangaiky ho apostoly, ary votoka ho mpitory gne filazantsaran'Andriamanitra. 2 Io gne fagnambara izay efa nampagnantegnainy mialoha tame gnalalan'ireo mpaminany tao ame Soratra Masina. 3 Izany da momba gne Zanany lahy, izay teraka avy ame taranak'i Davida araky e nofo. 4 Tame fitsangana tamin'ny maty, da vômbara ho gne zanaka maherin'Andriamanitry tame herin'e Fagnah Fanamasina Izy da i Jesosy Kristy Tompotsika. 5 Tamin'ny gnalalany gne nandresatsika fahasoava sy gne maha-apostoly ame fagnekè gne finoa eo ame firenena agnaby, noho gne Agnarany. 6 Amin'ireo firenena ireo, enareo koa da voahaiky ho an'i Jesosy Kristy. 7 Itiky taratasy itiky da ho andreo agnaby ao Roma, izay malalan'Andriamanitra, izay voahaiky ho olo-masina. Ho aminareo anie gne fahasoava, sy gne fiadana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 8 Vôloany, isôrako gn'Andriamanitriko ame gn'alalan'i Jesosy Kristy noho gn'aminareo agnaby, satria gne finoanareo da efa nozakay magnerana izao tontolo izao. 9 Fa Andriamanitra gne vavolombeloko, izy tompoiko ao ame fagnaiko ao ame filazantsaran'e Zanany, fa tsy miegny e mikora anareo Aminazy iao. 10 Mangataky feizay Iao ame vavaky aniko gne mba haombiazako ame fomba agnaby araka gne sitrapon'Andriamanitra mba ho avy aminareo. 11 Fa iao da magniry ahita anareo, mba hafako magnomè fagnomeza-pagna sasantsasany ho anareo, mba hampahery anareo. 12 Iza, da magniry Iao gne mba hifankaherezantsika etoa ategnategnantsika, ame alalan'ny finoa tsirairaiky agnaby, gn'anareo sy gne anahy. 13 Androany tsy tiako enareo tsy ahafatatry, e rahalahy, hoe matetiky iao gne mana kinia hagnato anareo, (nefa Iao da voasaka feizay hatram'izao), mba hahazoa vokatry eo aminareo, akô gn'efa nahazoako gn'ambin'ireo Jentilisa evakoa. 14 Iao da mpitrosa amindreo Grika sy gne vahiny, ame hendry sy gne mola. 15 Noho iza, amina, da vonogny evakoa iao hitory gne filazantsara ho anareo agny Roma. 16 Fa iao da tsy megnatry ame filazantsara, fa iza gne herin'Andriamanitra ho famoze ireo rehetra izay mino, ho agne Jiosy aloha da ho agne Grika. 17 Fa amin'iza no ampisehoa gne fahamarinan'Andriamanitry avy ame finoa ho ame finoa, araka izay voasoratry hoe : '' Gne marigny da ho velo ame finoa.'' 18 Fa gne fahavigniran'Andriamanitry da niboda avy t'andanitra manohitry gne haratsiam-pagna sy gne tsy fahamarignan'olo, izay manamba gne fahamarigna amign'alalany gne tsy fahamarigna. 19 Izà da izay fatatry momban'Andriamanitra da itandreo maso. Fa nohazavain'Andriamanitra izy ireo. 20 Fa ireo endrikiny tsy taza maso, tazakany tsy misy fetra sy maha-Andriamanitra anazy, da hita nagnazava tsara, nanomboky tame famorona izao tontolo izao, tame zavatry noforogny. Noho iza da tsy mana fialan-tsigny indreo. 21 Iza da satria, na da efa nafantatry e momban'Andriamanitra aza indreo, da tsy nagnome voninahitry ame maha Andriamanitra anazy, na koa misaotry anazy. Fa kosa, lasa mola tao an-tsainy izy ireom ka niha-mizy gne fo badon-dreo. 22 Indreo da nilaza andreo ho hendry, nefa da nia mola. 23 Gne voninahitr' Andriamanitra tsy mety lo da natakalondreo sarin'endrik'olombelona mety lo, voro, biby, mana-tomboky efatry, sy ireo ra-mikisaky. 24 Noho iza da natolotr'Andriamanitra ame filàny gne fondreo ame fahalotoandreo, mba ho afa-baraka eo amindreo evakoa gne tegnandreo. 25 Indreo nanakalo gne fahamarinan'Andriamanitra tame vandy, ary izay midera sy magnompo gne zava-boary fa tsy ilay Nahary, izay deraina mandrak'izay. Amena. 26 Noho izàny, izay gne nagnomezan' Andriamanitra ho ame sain-dratsy mamoafady indreo, fa gne viavindreo da nanakalo gne fifandresa voajagnahary tamè tsy voajagnahary. 27 Mitovy amin'izany koa, gne lehilahy, fa nagnapetraky gne faniny amè viavy izy ka narisike filàny ara-nofo tamindreo samy lehilahy indereo. Indreo da lehilahy nagnano fihetsiky mahamegnatry miray ame lehilahy da nandray tamè tegnany gne sazy izay tandrify andreo noho gne fahavetavetandreo. 28 Satria tsy magneky gne hanagny an'Andriamanitra ao amè fieritreretany indreo, da nomeny saina tsy mendriky indreo, mba hamboara ireo zavatry tsy mety. 29 Indreo da feno gne tsy fahamarina, faharatsiagny, fagnirihagny, ary gne lolom-po agnaby. Indreo fa feno fialogna, famonoa, hakanitao, fitaky, ary fagniria ratsy. 30 Indreo da tia midigny roho, mpanendrikendriky, ary malaigny an'Andriamanitra. Indreo da mahery setra, miavogny, ary miteratera. Indreo da mpamorogny zavatry ratsy, ary indreo koa da tsy magnaraky e zakagne ray aman-dreny 31 Indreo da bado, indreo da tsy azo itokisa, tsy misy fitiava voajagnahary, ary tsisy famindram-po. 32 Lalandreo gne lalàn'Andriamanitra, fa indreo zatry magnano ra akô izany da mendriky gne fahafatesa. Fa tsy io raha io avao gnaniny, fa magneky ireo hafa izay magnano akô igny koa.