Toko 1

1 Ity gne fanambarà an'i Jesosy Kristy izay nomen'Andriamanitry anazy hagnaboaha gne mpanompony gne raha tsy maintsy hibôky. Nampahafantariny izany tame alalan'gne fagnirahany gne anjeliny ho an'i Jaona mpanompony. 2 Jaona da nagnamary gne monban'gne zakan'Andriamanitra sy gne fijoroa vavolombelo mikasika an'i Jesosy Kristy, sy ireo raha rehetra hitany. 3 sambatra izy izay mamaky ame feo abo, ary izay miteno gne zakan'izany faminania izany,sy izay mitandrigny izay voasoratry ao aminazy, satria efa mariny gne fotoa. 4 Jaona nandeha amin'ireo fiangona fito tagny Asia: Ho aminareo anie gne fasoava sy gne fiadana avy amin'ilay amizao sy gne taloha ,ary ho avy amin'ireo fagnahy fito izay eo agnatrehan'gne seza fiandrianany, 5 ary avy amin'i Jesosy Kristy, izay vavolombelo marina, voalohan-daza ame maty, ary lehiben'gne mpanjakan'gne tany. ho an'ilay tia antsika sy nagnafaky antsika tamin'ireo fahotantsika tame ràny— 6 Izy da nagnano antsika ho fanjaka, mpisoro ho an'Andriamanitriny sy Rainy —ho Azy anie gne voninahitry sy gne fahefa mandrakizay doria. Amena. 7 Igny, avy ame mika Izy; ary gne maso agnaby hahita Anazy, ndre indreo nagnotsiky lefo Anazy aza. Gne firenena agnaby ambonin'gne tany hitagny Anazy. Eka, Amena. 8 "Iaho gne Alfa sy Omega,"hoy gne Tompo Andriamanitra," gne am'izao, sy taloha, ary ho avy, da gne Tsitoha." (Fagnamariha: gne dika-zaka hafa taloha da mivaky akô izao:" Iaho gne Alfa sy Omega, gne fiandohana sy fiafarana, " hoy gne Tompo Andriamanitra. 9 Iaho, Jaona—rahalahinareo sy gne raiky izay niazara taminareo tao agnatin'gne fijalia sy fanjaka ary gne fahareta ao am'i Jesosy Kristy—da tao ame nosy angia hoe Patmo nohony gne zakan'Andriamanitra sy gne fijoroa vavolombelo gne mikasiky an'i Jesosy. 10 Iaho da notaritin'gne Fagnahy tame andron'gne Tompo. Nahare feo mafy mitovy ame atsiva tao afarako iaho. 11 Nagnano an'izany hoe: "soraty ao ame boky izay hitanao, da alefaso agny am'ireo fiangona fito—ho amy Efesosy, Simirna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia, ary Laodikia." 12 Nagnety gne magnodidy iaho hoe feon'ia izany nizaka taminaha izany, ary raha nitodiky iaho da nahita fagnamboaran-jiro volamena fito. 13 Ary tao ategnategn'gne fagnamboaran-jiro nisy raiky mitovy ame Zanak'olo, nisiky akanjo lava avy hatragny ame tongony, ary hetry volamena magnodidy gne tratrany. 14 Gne lohany sy gne volony da fotsy mitovy ame volon'ondry— fotsy akô gne rano mandry, ary gne masony mitovy ame lelafo. 15 Gne tongony mangira akô gne varahy, mitovy ame varahy voadio tame lafaoro, ary gne feony akô gne feon'gne rano be mikoria. 16 Ary nana kitagny fito tame tagnany ankavana Izy, ary sabatry roy lela maragnitry nibôky avy tame vavany. Gne laharany da mazava mitovy ame masoandro raha mamirampiratry. 17 Raha nagnety Anazy iaho, da lavo tame tongony mitovy ame maty. Nikity anaha tame tagnany ankavana Izy da nagnano hoe: " Ka matahotry. Iaho gne voalohany sy gne farany, 18 ary gne raiky izay velo. Efa maty Iaho, kanefa, velo mandrakizay! Ary Iaho mana gne lakilen'gne fahafatesa sy gne fiaigna tsy hita. 19 Noho izany soraty izay hitanao, izay am'izao, sy izay hibôky afaran'izao. 20 Mitovy ame tsambaratelo mikasiky gne kitagny fito izay hitanao tegny ame tagn-akavanako, sy gne fagnamboran-jiro volamena fito: " Gne kitagny fito da gne anjelin'gne fiangona fito, ary gne fagnamboran-jiro fito da gne fiangona fito."