Toko 1

1 Paoly sy Timoty, mpanompon'i Jesosy Kristy, ho anè maro votoka ho an'i Jesosy Kristy izay agny Filipy, miaraka amindreo mpiandraikitry sy gne dekôna. 2 Ho aminareo gne fahasoava sy fiadagna avy amin'Andriamanitry Iabatsika sy Jesosy Kristy Tompo. 3 Misaotry gn'Andriamanitry iao amè fahatsiarovako anareo. 4 Amè fivavahako ho anareo agnaby, da amè fifalia hatrany gne agnamboarako e fivavahako. 5 Magnomè fisôra iaho nohonè gn'amè fitambaranareo amè filazantsara tamè gn'andro voalohany ka hatram'izao. 6 Matoky anizao raha izao iaho, fa izy izay nanomboky asa tsara taminareo da hanohy hagnatanteraky izany hatraminè gn'andron'i Jesosy Kristy. 7 Fa tsara amina gne mahatsapa toy izay amè momba anareo aby satria ato am-poko anareo. Anareo agnaby da mpiara-miasa taminay tamè fahasoava na tamè figadrako sy taminè fiarovako na koa tamè fagnamafisa gne filazantsara. 8 Fa Andriamanitry gne vavolombeloko, fa many anareo fatratry iaho amè famindram-pon'i Kristy Jesosy. 9 Ary iaho mivavaky an'izao : mba hitombo hatrany hatrany gne fitiavanareo amè fahalala sy amè fahazavan-tsay agnaby. 10 Mivavaka ho an'izany iaho mba agneky izay tsara da tsara anareo, mba ho tsom-po sy tsy misy tsigny amè andron'i Kristy. 11 Mivavaka iao mba ho fenonè vokatry gne fahamarigna izay avy amin'i Jesosy Kristy anareo, ho voninahitry sy fidera an'Andriamanitra. 12 Ary tiako ho fantatrareo, gne rahalahy, fa io gne raha niboda tamina da niasa ho amè fampandrosoa gne filazantsara marigny. 13 Vokatr'izany, gne fatorako ao amin'i Kristy da miharihary mazava nagneva gne mpiamby gne lapa agnaby sy gne olo hafa. 14 Gne ankamaroany gne rahalahy da mana toky zakabe dato ao amè Tompo nohonè fatorako, ary sahy magnambara tsy amin-tahotry e zakandreo. 15 Gne sasany aza da mitory an'i Kristy amè fialogna sy fifamalia dato, ary gne hafa amè sitrapo tsara. 16 Itoa farany da magnano ampitiava, mahafantatry fa iao da napetraky etoa ho fiarova e filazantsara. 17 Fa gne voalohany da mitory an'i Kristy amè fitiavan-tegna, fa tsy tsom-po.Izy io da mihevitry fa hanakoronta anahy raha mbola ao amè fifatorako iaho. 18 Ino me? Amè fomba agnaby,na amè fihatsaram-belatsihy na amè fahamarigna, Kristy gne tory, ary mifaly e amizany iaho. Eka, ho faly iaho, 19 fa fantako fa izany da hiafara amè fagnafaha anahy amign'alalan'ireo vavakareo sy gne fagnampianè Fagnahin'i Jesosy Kristy. 20 Izany da araky gne fendrasako fatratry sy e antoky fa iaho datsy megnatry tanteraky, ary mbola amè fahasahia agnaby, androany mitovy amè hatr'izay, da hiosondritry ato amè tegnako Kristy, na amè fiaina na amè fahafatesa. 21 Ho anahy hoe miaigne da Kristy ary e hoe maty da tombony. 22 Fa raha miaigny amè mofo iaho da midika aza mahavokatry ho anahy izany. Kanefa ino gne ho fidiko? Tsy fantako. 23 Fa voatery mafy eo agnelagnelandreo roy iaho. Gny fagniriako da e hamdeha ary hiaraka amè Kristy, izay tsara lavitry, 24 kanefa mipetraky ao amè nofo da ilainy noho anareo. 25 Resy lahatry gn'amin'izany, da fantatry fa himpetraky sy hanohy aminareo iao, ho, ho anè fandrosoanareo sy fifalia ao amè finoa. 26 Mba ho ao aminahy da hana gn'antony hiraharaha ao amin'i Kristy Jesosy anareo raha miverigny agny aminareo koa iaho. 27 Mindesa tegna amè fomba mendrika e filazantsara an'i Kristy, ka na tonga hagnety anareo iaho na tsy eo, da afaky e hiteno momba anareo, fa mitsanga mafy amè fagnahy raiky anareo,amè say raiky miara-miezaky ho anè finoa gne filazantsara. 28 Ary mety famonjenareo koa ary izany da avy amin'Andriamanitry. 29 Fa nome anareo izany, ho an'i Kristy, tsy hoe mba hinoa azy fotsiny, fa hijalia ho anazy koa. 30 fa anareo da mana ady mitovy aminazy hitanareo taminahy,ary izay renao aminahy androany.