Toko 1

1 Ity gne netombohan'gne filazatsaran'i Jesosy Kristy zanak'Andrimanitra. 2 Araky gne vosoratry tao ame gne boky Isaia mpaminany hoe "ity, Iaho magniraky gne irako aloha anao,ity raiky ambotry gne lalanao". 3 Misy feo regny miantso mafy agnefitry magnano hoe"amboaro tsara gne lalan'i Tompo anio mahitsy gne lalagny andehanany." 4 Avy i Jaona agnano batisa tagny agnefitra ary nitory gne batisa fibebagny ho ane famelakekoky vokatry gne fahota. 5 Gne tanin'ny jodia rehetre sy gne mponina tao Jerosalema agnaby dia avy nagnatogny anazy aby.Naniny batisa tamigne reniranon'i Jordany agnaby izy rehetra ra nagneky gne fahotany. 6 I Jaona da nagnisy lamba volon-drameva ary nagnisy hetry ame vanihany,da valala sy titely e ra nohaniny. 7 Nizaka izy hoe "misy raiky izay ho avy magnaraky ana izay mahery mihotry ana,ary tsy magneva ana gne hamafa gne tadin'ny gne kapany. 8 Ia magnano batisa anareo ame rano fa izy koa agnano batisa anareo ame Fagnahy Masina". 9 Taminio andro nevisany Jesosy avy tagny Nazareta tao Galilia gne nitrangany zany,ary naniny Joany batisa tao tame ranon'i jordana izy. 10 Ra nihala gne rano i Jesosy, da nisokatry gne lagnitry,da nidigny ame sorikiny gne voromamanga Fana Masy. 11 avy eo da nisy zaka avy an-dagnitry nizaka nagnano hoe: "Anao gne zanako malalako. Anao gne tiako sady Ekeko. " 12 Raha vita izay, nindesin'gne Fagnahy agny agn' efitry i Jesosy. 13 Efapolo andro izy tagny da nalainy gne devoly Fagnahy. Niara nipetraky tame biby ary da nanompo anazy agnaby gn' anjely. 14 Raha vosambitry i Jaona, da tonga tao Galilia i Jesosy nagnambara gne filazantsaran'Andriamanitry, 15 ary nizaka hoe: "Avy gne fotoa, ary akaiky gne fanjakan'Andriamanitra. Mibeba ary minoha gne filazantsara. " 16 Raha nandeha tam' amoron- dranomasin' i Galilia izy, da nahita an'i Simona sy Andrea ralahan'i Simona nagnarato. Satria pagnarato gnasany. 17 Hoy Jesosy tamindreo hoe: "magnaraha ana, fa aniko mpagnarato olona anareo. 18 "Eo eo avao da napetrany gnaratony ary nagnaraky anazy indreo. 19 Raha nandeha lavidavitry i Jesosy, da nahita an' I Jakoba zanakin'i Zebedio sy Jaona ralahany tagnatin' gne sambo kidy magnambotry gnaratony. 20 Nangaiky andreo izy da nelany tao ame sambokely i Zebedio abany niaraky ame mpiasany da nagnaraky an'i Jesosy indreo. 21 Avy tao Kapernaomy indreo ary tam' gn' andro Sabata, da niditry tao ame synagoga i jesosy aveo da nampianatry. 22 Gaga tamè gne fapenarany aby indreo, satria nampianatry andreo mitovy ame olo managny fahefaha izy fa tsy mitovy ame panora-dalala. 23 Avy teo da nisy lelahy raiky tao ame synagoga izay nisy fagnà maloto nizaka mafy, 24 nagnano hoe: "Ino gn' ifandraisanay aminao, rô Jesosy Nazareana? Avy amotiky anay nda anao ty? Akô olo lalako avao anao. Anao gne Masin'andriamanitra!" 25 Nizaka mafy tame devoly i Jesosy nagnano hoe: "mangina ary mizotsa atoa !" 26 Ary gne fagnà maloto nampijaly, anazy da nizotso tao ary nizaka ame feo mafy. 27 kaperatry gnola aby da nifagnatogny indreo hoe: "Misy ino? Fampenara vaovao misy fahefa? Bekony aby gne fagnà maloto da magneky anazy aby indreo!" 28 Gne vaoavao momba anazy da niparitaky tamè rehetra tegny ame faritry Galilia aby. 29 Ra avy nizotso gne synagoga, da avy ame tragnon'i Simona sy Andre indreo, niaraky amin'i Jakoba sy Jaona. 30 Ary gne rafozam-bavin'i Simona matory voane tazo,ka nizakandreo an'i Jesosy gne momba anazy. 31 Da nagnatogny izy, da nandray gne tagnany, ary nampifoa anazy; da afaky gne tazony, da avy teo nanomboky nanompo anazy agnaby indreo tao. 32 Tamin'io aligny io, tafaran' gne nilitean' gne masandro, nentindreo teo am' Jesosy aby gne nanary sy gne misy devoly. 33 Avy Maro tamè varangara aby gnolo aby teo amè tanà. 34 Nagnasitragny gn' aretin'gn'olo maro sy nandroaky devoly; Ary da tsy naveleny nizaka izany Satana izany satria nieky gne heriny. 35 Nifoha mandraigny be izy, ra mbola mizy gn' andro, niala teo izy ka nandeha tame toeragny mitokagny ary teo izy gne nivavaky. 36 Nitady anazy i Simona sy gne namany niaraky taminazy. 37 Nahita anazy indreo ary nizaka hoe" mitadia anao gne lolvahoaka." 38 Nizaka izy hoe: "handeha tsika ame toera-kafa, ambadiky ame toeragny magnodidy, mba avitako mitory teny agny koa. Fa izay gnantony gne nandehanako aty" . 39 Da nitety any Galilia izy, nitory teny tao ame synagoga sady nandrôky devoly maro. 40 Nisy boka raiky nagnato anazy. Nitaraigny aminazy; nandohaliky teo aminazy ary nizaka aminazy nagnano hoe: " Ra sitrakao da diovy aho. 41 " Nalahelo, sady nametra tagna taminazy I Jesosy ary nikasika anazy, nizaka nagnano hoe: "sitrako, misitrà anao. " 42 Niala taminazy Gn' abokà Ary da nadio izy. 43 Nampitandrigny mafy an'azy i Jesosy, ary nandefa anazy. 44 Hoy izy taminy" tandremo tsy hizaka na amin'iza na iza enao, fa mandiana, abohay ame mpisorogne tegnanao, ary magnambohara fagnatritry nony fadiovana araky gne zakan'i Mosesy, mba ho vavolombelogne ho andreo. 45 Raha Vita izay, nizotso izy ary nanomboky nizaka am'gn'olo maro, sy nagnaparita-peo; nanomboky teo Jesosy da tsy afaky niditry nalalaky ame tanà koa. Lasa niafiafy izy ka nidoboky amè toera milamindamy, fa gn'olo Avy hivelany kosa da nagnato anazy teo.