Toko 1

1 Gne bokinè razan'i Jesosy Kristy zanak'i Davida zanak'i Abrahama. 2 Abrahama no iaban'Isaka, ary Isaka gne iaban'i Jakoba, ary Jakoba, gne iaban'i Joda sy ireo rahalahany. 3 Joda no iaban'i Fereza sy Zara avy tamè Tamara, Fareza no iaban'i Herzona, ary Herzona no iaban'i Rama. 4 Rama no iaban'i Aminadaba, ary Aminadaba no iaban'i Nasona, Nasona no iaban'i Saloma. Salmona no iaban'i Boaza tamè 5 Rahaba, Boaza no iaban'i Jese. 6 Ary Jese no iaban'i Davida mpanjaka, Davida no iaban'i Salomona tamy gn'alalanè vadinè Oria. 7 Solomona no iaban'i Rehoboama no iaban'i Abia, ary Abia no iaban'i Asa. 8 Asa no iabaan'i Jaosafata no iaban'i Jorama, ary Joramano razan'i Ozia. 9 Ozia no iaban'i Jotama, Jotama no iaban'i Ahaza, Ahaza no iaban'i Hezekia. 10 Hezekia no iaban'i Manase, Manase no iaban'i Amona,ary Amona no iaban'i Josia. 11 Josia no razan'i Jekonia sy gne rahalahiny tamè fotoanè fandroha ho anè Babylonia. 12 Taorianè fandroaha ho anè Babylona, da Jekonia no iaban'i Sealtiela no razan'i Zerobabela. 13 Zerobabela no iaban'i Abihoda, Abihoda no iaban'i Eliakima, ary Eliakima no iaban'i Azora. 14 Azora no iaban'i Zadoka, Zadoka no iaban'i Akima, ary Akima no iaban'i Elihoda. 15 Elihoda no iaban'i Eliazara, Eliazara no iaban'i Matana, ary Matana no iaban'i Jakoba. 16 Jakoba no iaban'i Josefa izay vadin'i Maria, gne niteraky an'i Jesosy, izay nangia hoe Kristy. 17 Gne taranaky aby manomboky amin'i Abrahama ka hatrany amin'i Davida da taranaky efatra ambiny folo, manomboky amin'i Davida ka hatramigne fandroaha ho agny Babylona da taranaky efetra ambiny folo, ary manomboky amè fandroaha ho agny Babylone ka hatramè amin'i Kristy da taranaky efatra ambiny folo. 18 Akoizao gne nitranganè fahateran'i Jesosy Kristy. gne reniny, Maria, da efa natoka hanambady an'i josefa, saingy talohanè niarahandreo, da hita fa bevoky izy avy tamè Fanahy Masina. 19 Josefa, vadiny, da lehilahy marigny gne sady tsy ta-agnala baraka anazy ampahabemaso. Ka nanapa-kevitra izy gne hanapitry mangingy gne fifagnekeny taminazy. 20 y raha izy mbola nieritreritry mahaksiky io raha io igny, da niboda taminazy tamigne nofotry gn'anjeline Tompo, manao hoe: ''Josefa, zanaka lahin'i Davida, aza mataotry gne angala an'i Maria go vadinao, satria ilay raiky izay naratsiratsy ao agnatiny da gne Fagnahy Masigny no nagnapetraky enazy. 21 Hiteraky zaza lelahy izy, ary enao angaiky gn'agnagnaranyhoe Jesosy, fa izy no hamonjy gn'olony hiala ame fahotandreo.'' 22 Izà rehetra izà da nitranga mba hahatanteraky izay nambarany gne Tompo tamign'alalan'ilay mpaminany hoe: 23 ''igny, gne virginy hitoe-jaza ka hiteraky zazalelahy, ary indreo angaiky gn'agnarany hoe: ''Imanoela''_izay midika hoe: "mintsika Zagnahary.'' 24 Nifoa tamigne toromasony Josefa ary nagnano arak'izay nandidiany gn'anjeline Tompo azy ary nangala anazy ho vadiny. 25 Saingy tsy nindray taminazy izy mandram-piterany zazalehy. Ary nangiany hoe Jesosy gn'agnagnarany.