Toko 1

1 Maro gne niezaky nanoratry tantara mikasiky gne zava-nitranga izay tanteraky tetoa amintsika. 2 Araky gn’efa nanolorandreo enazy tamintsika, izay efa vavolombelone nahita maso sy gne mpanompone teny hatramboloany. 3 Ary aminah manokagny da mety laha magnadihady tsara gne fandeane zavatry aby hatrame voalohany gne hanoratry tatitry araky gne filaharany ho anao, ry Teofilo mendrika indrindra. 4 Izy da mba hafantaranao gne marigny mahakasiky gne raha nampenary enao. 5 Tame gn’andron’i Heroda, mpanjakane Jodia, da nisy raiky tame mpisorona atao hoe Zakaria, avy tame gn’antokon’i Abia. Gne vadiny da avy tame gnanaky vavin’i Arona, ary gnagnarany da i Elizabeta. 6 Samby marigny tagnatrehan’Andriamanitry indreo aby, ary da nagnaza gne didy aby sy gne fitsipiky ny Tompo. 7 Kanefa tsy nanagn’anaky indre, satria momba i Elizabeta, ary da efa samby antitry evakoa indreo roy tamizà fotoa zà. 8 Ary izà da mahakasiky en’i Zakaria teo agnatrehan’Andriamanitry, nagnantanteraky gne asané fisorogna arake fifandimbiasa isake tokony. 9 Araky gne fombandreo ame fifidiana mpisorogny izay tokony hanompo, da voafidine Kodia kidy hiditry hagnoro gne emboky magnitry ao an-tempolin’ny Tompo izy. 10 tame nagnoroa gne emboky magnitry da nivavaky tatany gne vahoaky aby. 11 Ary nisy anjelin’ny Tompo niboda taminazy ary nitsanga takavanan’ny gnálitara nisy gne emboky magnitry. 12 Laha nahita anazy I Zakaria, da natahatry ary da tena natahatry izy. 13 Fa hoy gn’anjely taminazy se: « Ka matahatry, Zakaria, efa notenomy gne vavakao. Hanagnanaky lelah aminao i Elizabeta vadinao.i Jaona gnaninao gnagnarany. 14 Ho faly sady ho ravo enao, ary da maro evakoa gne ho faly am’gnè fahaterany. 15 Satria ho zakabe izy agnatrehan’ny Tompo. Tsy hindrano divay na zava-pisotro mahery mihitsy izy, ary da ho feno fagna masigny nanomboky tame trokin’iendriny izy. 16 Maro ame vahôkin’Israely gne hitodiky ame Tompo Andriamanitrareo. 17 Handeha eo agnolohane tarehin’ny Tompo am’gne fagna sy am’gne herin’i Elia izy. Izà gne namboariny mba hitodiane fonè Ray ame gnanaky, mba handianan’ireo izay tsy mankantò am’gne lalane fahendrena marigny – mba hagnomagny gne vahôky efa vonogny ho an’ny Tompo nomagny ho anazy». 18 Ary I Zakaria da nizaka tamin’gne anjely hoe: « ino gnahafatarako en’izà? Satria ià efa rangaha be ary gne vadiko da efa ragnavavy be evakoa». 19 Ary hoy gne anjely namaly sy nizaka taminazy se: « iaho i Gabriela, ilay mitsanga eo agnatrehan’Andriamanitry.Ary niraha iaho mba hilaza aminao, hinday en’izao vaovao tsara izao aminao. 20 Nefa ho moa ary tsy hahazaka mandra-pevisane gn’andro hiboahan’izà raha zà. Satria tsy mino gne zakako enao, izay ho tanteraky ame fotoa voafaritry». 21 Ary gne vahôky sasatry nandigny en’i Zakaria. Gaga nohonè fipetrahany nahadigny tao an-tempoly indreo. 22 Fa laha nijotso izy da tsy afaky nikora tamindreo. Ary fantandreo fa nahita fahita izy tame tao an-tempoly. Nagnano beko moa tamindreo izy ary nijanogny ho moa. 23 ary laha avy gn’andro ahataperane fagnopoany, da lasa nody tandragnony izy. 24 24 Tafaran’izà andro zà, da bevohoky i Elizabeta ary nifiny nandritrine dimy vola. Hoy izy se: « 25 Namboarin’ny Tompo taminah io mga angalany gnegnamasoko agnatrehane gn’olo». 26 Tame faha enim-bola, da nirahan’Andriamanitry gn’anjely Gabriela tame tanà raiky tao Galilia atao hoe Nazareta, 27 handeha ame virjiny raiky izay fofom-badine lelah antsoigny hoe Josefa. Agnisane taranak’i Davida izy, ary gnagnaran’izà virjiny zà da i Maria. 28 Nagnato enazy izy ary nizaka hoe: «Arahaba, ry ilay nohasoavigny indrindra, ny Tompoho ao aminao». 29 Fa tena very hevitry tame zakany izy nagnontany tegna hoe karazane fiarabaha akoign’ino izà. 30 Hoy gn’anjely taminazy se: «ka matahatry, ry Maria, f’efa nahazo fankasitraha tame gn’Andriamanitry enao. 31 Eh! Ho bevohoky enao ary ho teraky lelah. Ary gnagnarany da atao hoe «Jesosy». 32 ho lelabe izy ary ho atao hoe zanaky gne Avo Indrindra. Gne Tompo Andriamanitry hagnome enazy gne seza fiandrianan’i Davida razambeny. 33 Ary hanjaka mandrakizay ame terak’i Jakoba izy, ary tsy ho tapitry gne fanjakany». 34 Hoy i Maria tamin’izà anjely zà se: «akoignaia gne hahantanterak’eniza, iaho ambola tsy niaraky natory tame lelah teo heky?» 35 Gnanjely namely sy nizaka taminazy hoe: «hilatsaky aminao gne fagna masina, ary gne herin’gne Avo Indrindra gne ho avy aminao. Ka izà masina zà ho teraky da angia hoe»zanak’Andriamanitry». 36 Igny, Elizabeta havanao da bevoky zazalelah evakoa ndre da tame fahaterany izà. Efa ame faha enim-bolany izy zao, izy e nany hoe momba. 37 Satria tsy misy raha tsy azo tanterahagny laha ame gn’Andriamanitry». 38 Hoy Maria: «Eh!, iaho gne mpanompo vavin’ny Tompo. Engany anie mba ho tanteraky aminah izà araky gne hafatrao».Ary niala taminazy teo gn’anjely. 39 Ary tamin’izà andro zà i Maria da niala ary nandeha nalaky tagny ame tany abo, agny ame tanàn’i Jodia. 40 Nandeha tagny ame tragnon’i Zakaria izy ary nagnotsafy en’i Elizabeta. 41 Ary laha nahare gne fagnotsafian’i Maria I Elizabeta da nihetsiky gne zaza ta-trokiny, ary feno fagna masina i Elizabeta. 42 Napiaka-peo sady nizaka mafy izy hoe: «Nasoavy nohone viavy rehetra anao, ary nasoavy gne nateraky gne trokinao. 43 Nagnino izà gne mitranga aminah fa izà renin’ny Tompo zà gne ho avy agnato enah? 44 Ka igny, laha avy tapotisofiko gne fagnotsafianao, da nientan-karavoa gne zaza tame trokiko. 45 Sambatry izy gne nino fa ho tanteraky gne raha izay nozakain’ny Tompo taminazy. 46 Hoy Maria se: «Midera an’ny Tompo gne fagnahako, 47 Ary gne fagnahako da nifaly tame gn’andriamanitry mpamonjiko. 48 Fa nagnety gne fahasahiragnane mpanompo vaviny izy. Ary igny, manomboky amizao gne taranakao aby da hangaiky enah hoe sambatry. 49 Satria nagnano raha zakabe taminà ilay mahefa gne raha aby, ary masina gnagnarany. 50 Ka mahadigny hoane taranaky faramandimby gne matahatr’enazy gne famindram-pony. 51 Nagnaboda gne heriny tame gnozatriny izy nagnaparitaky aby en’izay nirehareha tame gn’eritreritrindreo. 52 Naonga tame seza fiandrianany gne zanaky lahine mpanjaka ary gne nasandratriny aby. 53 Namboariny voky zava-tsoa gne mosare aby, fa mpanan-karia napodiny tsy nana n’ino n’ino. 54 Nagnome fagnapia en’Israely mpanompony izy, hahatsarovany haharè famindram-po. 55 (Araky gne nozakainy tame razantsika), tamin’i Abrahama sy gne taranakiny mandrakizay. 56 Nijano nipetraky tao am’i Elizabeta tokony ho telo volagny I Maria ary avy teo da nipody tagny andragnony izy. 57 Ary avy gne fotoa hiterahan’i Elizabeta gne zanany ary niteraky zazalelah izy. 58 Nahare gne famindram-po zakabe namboarin’ny Tompo taminazy gne mpiara monigny aminazy sy gne havany aby, ary nindray niravo taminazy indreo. 59 Ary tame gn’andro fahavalo da avy hamora gne zaza indreo. Saiky ho angiandreo hoe: «Zakaria», araky gnagnaran’iabany izy. 60 Kanefa i endriny gne namaly ary nizaka hoe: «tsia». I Jaona gne hangia anazy. 61 Ary hoy e namany se: «tsy misy ame gnavanao angia an’izàagnara zà?» 62 Nagnano beko moa tam’iabany indreo gname tiany ho hany gnagnarany. 63 Ary nangataky solaitra fanorata iabany da nanoratry hoe: "Jaona gnagnarany». Ary da gaga aby e daholo be. 64 Ary nindray tamzà da nivoa gne vavany ary nafaha gne lelany. Nizaka izy ary nidera gn’Andriamanitry. 65 Lasa natahatry aby gne magnodidy enazy. Ary niparitaky tame tanà abon’i Jodia gne zava-nitranga aby. 66 Ary da samby nandray tame fony aby gne nahare, ary nizaka hoe:’ho lasa ino sarô ity zaza ty?» Fa momba anazy gne tànan’ny Tompo. 67 Ary feno gne fagna masina iabany da i Zakaria izà, ka nizaka hoe: 68 «Deraina anie ny Tompo, Andriamanitr’Israely, fa avy nagnapy sy nagnantanteraky gne fagnafaha ho ane vahôky izy. 69 Nampiakatry ambony gne tandro-panavota ho antsika ao ame tragnon’i Davida mpanompony izy, 70 Akoigne nozakainy tame vavane mpaminany masina tame gnandro taloha tagny. 71 Hitondra famonjena ame fahavalontsika sy amr tanànè malaigny etsika izy. 72 Izà gne ho amboariny mba hagnambarany gne famindram-po ame raintsika sy hapatsiarova gne fagneke fihavanany masina, 73 da gne fiaina nozakainy tam’i Abrahama raintsika. 74 Nampagnategna gne hahajoantsika, raha afaky ame tanàne fahavalontsika, manompo enazy tsy misy tahatry, 75 ampahamasina sy ampahamarigna do agnatrehany amè gnandrontsika any. 76 Eka rô ry zaza da ho angia hoe mpaminanine gn’Avo Indrindra, fa handeha hagnatrehan’ny Tompo enao ary agnano gne lalany, mba hagnoma gn’olo ame fevisany, 77 mba hagnome fahalalam-pamonjena ho ane gn’olo ame gnalalane famelan-keloky. 78 Iza gne hiboda da vokatre famindram-po masina avy ame gn’Andriamanitry, nohone gnam’zà gne hiposahane masoandro avy ambony mba hagnampy etsika, 79 hagnazava ho ane mipetraky agnatine mizy sy ho ane gnao agnatine gnaloky gne fahafatesa. Ho amboariny izà mba hitaritany etsika ame lalam-piadagna». 80 Ary gne zaza da nitombo ary lasa nahery ame fagna, ary tagny agnefitry izy mandra-pevisane gn’andro hiboahany apahabemasoam’Israely