Toko 1

1 Joda, mpanompon' i Jesosy Kristy raiky, rahalahan' i Jakoba, ho an'gne izay angia hoe, malala ao amin'Andriamanitra gne Ray, sy votahiry ho an'i Jesosy Kristy: 2 Hampitomboy ho aminareo anie gne famindram-po sy gne fiadana ary gne fitiava. 3 Ry malala, raha igny nagnano gne ezaka agnaby hanoratra ho anareo gne mikasiky gne famonjena hitambarantsika igny iaho, da nanoratry ho anareo iaho mba hanosika anareo hiady ho an'gne finao izay efa nome indraiky mandea ho hon'gne mpino. 4 Fa ho an'gn'olo sasany nisisika antsokosoko eo aminareo. Io da olo vomariky ho an'gne fagnameloha. Ia da olo ratsy fagnahy izay manivativa gne fahasoavan'Andriamanitra ho agny amy gne fijejojejoa, ary da mandà gn'Andriana sy gne Tompo tokantsika, Jesosy Kristy. 5 Amizao iaho da te hampahatsiaro anareo_ndre da efa fantareo tanteraka ary izany_fa gne Tompo da nagnavotra gn'olo avy tao amè tany Egypta, fa tafaran'izany da nalavony izay tsy nino agnaby. 6 Ary gn'anjely izay tsy nita gne fahefa izay napetraky tamindreo, fa izay niala gnefimpetrahan-dreo_Andriamanitra da nifehy endreo tamy gne fehy mandrakizay, ao amy gne misingola tanteraky, ho amy gne andron'gne fitsara zakabe. 7 Akoy i Sodoma sy Gomora sy gne tanà magnodidy endreo, izay nanolotry gne tegnandreo ho amy gne fijangajanga sy gne fagnamboara fitadiava tsy ara-boajagnahary. Da namboary ohatra amy gne izay mijaly amy gne fagnasazia agne amy gn'afo mandrakizay indreo. 8 Kanefa akoizany avao, io mpanofinofy io da mandoto evakoa gne vitandreo, ary mizaka rahà ratsy manohitry gne manam-boninahitry. 9 Fa ndre da Mikaela irakanjely koa, raha niady tamy gne devoly sy nifamaly taminazy gny amy gne fatin'i Mosesy, da tsy sahy nizaka ratsy hagnameloky enazy. Fa hoy izy se:"Hanatry anao anie gne Tompo!" 10 Fa io olo io da mizaka ratsy gne rahà tsy fantany agnaby. Ary izay fantany_akoy gne fahalalany gne biby tsy manan-tsay_izany gne manimba endreo. 11 Loza ho andreo! Fa raha nandea tao amy gne tanànan'i Kaina indreo, ary nagnaky gne fahadisoan'i Balama hahazoa karama. Da lavo tao amy gne fikomian'i Kora idreo. 12 Io da gn'olo izay harambato mifiny ao amè anim-pitiavanareo. Mihinana am-pahamegnara, mamoky gne tegnandreo evakoa. Indreo da mika tsy misy rano, entin'e rivotra. Hazo fararano tsy misy voany_indroy maty, niala vahatry. 13 Indreo da onjan-dranomasy mahery, magnonjagnonja mamorivory gne fahamegnaran-dreo. Vasia mirerirery indreo, ka vohopy ho azy mandrakizay gne fahamitian'e mizy. 14 Ary Reko, gne faha fiton' i Adama, da efa minany mikasiky enio, nizaka hoe:" Io! Ho avy gne Tompo miaraky amy gne masiny aman'alinaly. 15 Ho avy Izy mba hagnatanteraky gne fitsara gn'olo agnaby. Ho avy Izy hampiheky gn'olo ratsy fagnahy agnaby tamy gn'asa vitany tamy gne haratsim-pagnahy, ary gne zaka mafy agnaby izay nozakain'gn'olo ratsy fagnahy hanohitry Enazy." 16 Io da mpizaka ambozo sy mpimenimeny, izay magnaraky gne filan-dratsindreo. Indreo da mpieboebo fatratry, izay, nohon'gne tombontsoan-dreo manoka, da monka gne hafa. 17 Fa enereo, ry malala, tadidio gne zaka izay nozakain'gn' apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika taloha tagny. 18 Hoy indreo taminareo:" Fa amy gn'andro farany da hisy mpaniratsira izay hagnaraky gne tadiavin'gne haratsiam-pagnahy." 19 Io olo io da mitariky fisaraha. Indreo da olo araky gne nofo, ary mama gne fagnaha. 20 Fa enareo, ry malala, midiboa tsara eo amy gne finoanareo masina indrindra, ary mivavaha amy gne Fagnahy Masina. 21 Mipetraha enareo ao amy gne fitiavan'Andriamanitra, ary andeha gne famindram-pon'i jesosy Kristy Tompontsika izay minday anao ho amy gne fiaina mandrakizay. 22 Mamindrà fo amizay misalasala. 23 Vonjeo ary sariho hiala amè gn'afo gn'lolo sasany. Ary gne sasany koa amindrao fo amin-tahotry. Mankahalà ndre hatramy gn'akanjo nolotoin'gne nofo koa. 24 Ary ho an'izay miaro anareo mba tsy ho tsy kivy, ary hahavy anao hitsanga eoagnatrehan'e voninahitriny, tsy misy tsigny ary am-pifalia zakabe, 25 amin'Andriamanitra tokaMpamonjintsika tamy gn'alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika anie, gne voninahitry, gne fahazakabe, gne fahefa, gne hery, talohan'e fotoa agnaby, amizao, ary mandrakizay. Amena.