Toko 1

1 Tamè voalohany gne nizàka, ary gne zaka tao amin'Andriamanitra, ary gne resaky da Andriamanitry. 2 Izà da tao amin'Andriamanitry tamè voalohany. 3 Gne raha rehetra da avy aminy agnaby, ary raha tsy izy da tsy nisy na ino na ino. 4 Noho izy gne nisiam-piaigna, ary io fiaigna io gne fahazavan'gne olo aby. 5 Gne hazava da mamiratry ao agnatin'gne mizy, ary gne mizy tsy nandresy izany. 6 Nisy lehilahy raiky niran'Andriamanitry, Jaona gne agnarany. 7 Avy izy mba ho vavolombelo hagnambara gne momban'gne fahazavà, mba hinoan'gne rehetra amè alalany. 8 Tsy Jaona gne fahazava, fa avy magnambara gne momba gne fahazavà izy. 9 Gne fahazavà marina, izay magnome hazava gne olo aby, da avy eto am'izao tontolo izao. 10 Teto am'izao tontolo izy, ary izy gne nagnambôtry an'izao tontolo izao, ary izao tontolo izao tsy nahafatatry anazy. 11 Avy tagny ame olo izy, ary gne olo tsy nagneky anazy. 12 Fa indreo maro nagneky anazy, izay nino gne agnarany, da nomeny fahefa ho lasa zanak'Andriamanitra. 13 Indreo da tsy nateraka tamè rà, na gne sitrapon'gne nofo, na gne sitrapon'olo, fa gne an'Andriamanitry. 14 Ary gne zakany avy nofo ka nonina teo amintsika. Hitanay gne voninahitrin'ny, voninahitry mitovy sy toka izay avy tame Ray, feno fahasoava sy fahamarina. 15 Jaona nagnambara gne momba an'azy ka nihiaka mafy, nagnano hoe:"izy raiky izay efa nozakaiko hoe:izy izay avy ao afarako da ho zakabe mihoatra anah, satria taloako izy." 16 Fa avy ame fahafenoany no nandraisantsika aby fahasoava hagnampt fahasoava. 17 Fa gne lalàna da nome tame alalan'i Mosesy. Gne fahasoava sy fahamarigna da avy tame alalan'i Jesosy Kristy. 18 Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na ovia na ovia. Fa Andriamanitra raiky sy tokana, izao eo an-tratran'gne Ray, no nampahafantatry azy. 19 Ary izao no fagnambaran'i Jaona rehefa nagniraky ireo mpisorona sy Levita avy agny Jerosalema hankeo aminy ireo Jiosy mba hagnotany azy hoe:ia me anao?" 20 Nizaka tsotry izy, ary tsy nandà, fa namaly hoe:"tsy Kristy ihao." 21 Ka nagnotany an'azy indreo hoe:"ino ary anao izà? i Elia anao sa?" Nizaka izy hoe:" tsy izy ihao" hoy indreo hoe:"anao gne mpaminagny sa? Namaly izy hoe:"tsia". 22 Avy eo indreo nizàka taminy hoe:"iza anao,mba ahafanay magnome valin-teny andreo izay nagniraky anay? Ino no hagnambaranao momban'gne tegnanao? 23 Ho izy hoe:"izao gne feo, mangaiky mafy agny agn'efitry hoe: anio mahitsy gne lalan'ny Tompo, araky gne voazakan'Isaia mpaminagny." 24 Ary nisy hiraky sasany avy amin-dreo fariseo nalefa, 25 ary nagnotany azy indreo ka nizaka taminy hoe:"nagnino ary anao no magnano batisa raha tsy Kristy anao no sady tsy Elia no tsy mpaminagny?" 26 Ary Jaona namaly andreo, manao hoe:" manao batisa ame rano aho. Fa eo ategnategnanareo eo da misy olo raiky mitsinga izay tsy fantanareo. 27 Izy raiky izay avy ao afarako, izay tsy mendrika anà gne hanataky gne tadin'e kapany." 28 Ireo raha ireo da namboary tagny Betania tagny andafin'i Jordana, izay nagnamboaran'i Jaoana batisa. 29 Gne omaray Jaona nahita an'i Jesosy nagnato azy nizaka hoe: " hiteo, indro gne zanak'ondrin'Andriamanitra izay nanaisotra gne fahotan'izao tontolo izao! 30 Ity efa raiky nizakaiko hoe:' gne raiky izay avy ao afarako da zakabe noho izaho, satria talohako izy.' 31 Ary izaho tsy nahafatatry an'azy, fa mba ho voazaka amin'Isiraely izy no nihaviako hagnano batisa ame rano." 32 Jaona nagnambara, manao hoe:"nahita gne fagnah nidigny avy any an-danitra mitovy ame voromamanga aho, ary nipetraka teo amboniny izan. 33 Tsy nahafatatry an'azy aho, fa izy gne nagniraky anah hagnamboatry batisa ame rano nizaka tamiko hoe:' eo ambonin'izay hitanao hidignany gne fagna sy hipetrahany eo aminy, izy raiky izay magnano batisa ame fanahy masina.' 34 Sady nahita aho no nagnambara fa izy gne zanak'Andriamanitra." 35 Gne omaray,indray, raha nitsanga niaraky tame roa amin-dreo mpianatrin'i Jaona, 36 da nahita an'i Jesosy nandeha indreo, ka hoy Jaona hoe:"hiteo, gne zanak'ondrin'Andriamanitra!" 37 Nahare anazy nizàka izany ireo mpianatrin'ny roa ka nagnaraky an'i Jesosy indreo. 38 Avy eo jesosy nitodika ka nahita andreo nagnaraky anazy ka nizaka andreo hoe:"ino no tadiavinareo?" 39 Namaly indreo hoe:"Raby(izay midika hoe mpampianatry), aia anao no mipetraka?" Namaly anazy indreo hoe:"magnatogna ary hiteo." Ary nagnato an'azy indreo ka nahita gne toera izay nidobohany; nidoboky niaraky taminy tao indreo tamin'io andro io, fa tokotry efa ho lera fahafolo tam'izà. 40 Raiky tamin-dreo mpianatry roa nahare an'i Jaona nizàka ary nagnaraky an'i Jesosy avy eo i Andrea, rahalan'i Simona Petera. 41 Nitady an'i Simona rahalany eky izy ary nizàka taminy hoe:" hitanay gne Mesia"( izay adika hoe Kristy). 42 Ninday anazy tagny amin'i Jesosy izy, ary nagnety an'azy i Jesosy ka nizàka hoe:"anao da Simona zanak'i Jaona, anao da ho angia hoe Kefasy"( izay midika hoe: Petera). 43 Gne omaray, raha ta-hiala ho agny Galilia Jesosy, da nahita an'i Filipo izy ary nizaka taminy hoe:"magnara anah." 44 Filipo da avy agny Betsahida, tanan'i Andrea sy Petera. 45 Nahita an'i Natanaela i Filipo ka nizàka taminy hoe:"izy izay nosoratan'i Mosesy tao amè lalàgna, sy ireo mpaminanany, hitanay izy, da Jesosy zanak'i Josefa, avy agny Nazareta." 46 Natanaela nizàka taminy hoe: "Moa hisy raha soa avy ao Nazareta?" Filipo nizàka taminy hoe: "Magnatogna ary hiteo." 47 Jesosy nahita an'i Natanaela nagnato anazy ary nagnambara gne mombamomba anazy hoe: "Hiteo, izany no tena Isiraelita, izay tsy misy fitaky ao aminy!" 48 Natanaela nizàka taminy hoe: "Akongaia gne hahafantaranao anah? Jesosy namaly ka nizàka taminy hoe:" Talohan'ny nangian'i Filipo anao, raha teo ambanin'gne hazon'aviavy anao, da itako." 49 Natanaela namaly hoe: "Raby, anao gne zanak'Andriamanitry! Anao gne mpanjakan'Isiraely!" 50 Jesosy namaly ka nizàka taminy hoe: " Satria iao nizàka taminao hoe: 'Nahita anao teo ambanin'gne hazon'aviavy iao,' gne hinoanao? Hahita raha tsara mihoatry noho izà anao." 51 Avy eo izy nizàka hoe: " Zakaiko aminareo, marina, da marina tokôtry, fa hahita gne lagnitry hisokatry anareo, ary ireo anjelin'Andriamanitra hiakatry sy hihidigny eo ambonin'gne zanak'olo."