Toko 1

1 Taloha ela be Andriamanitry da nizaka tame razambetsika tam'gn'alalan'gne mpaminany tame fotoa maro sy tame fomba maro. 2 Fa am'izao andro farany izao, da nizaka tamitsika tam'gn'alalan'e Zanany lelaha Izy, izay notondrony ho mpandova gne raha rehetra. Tame gn'alalany avakoa gne nagnaharian'Andriamanitry izao tontolo izao. 3 Izy gne famirapiratany gne voninahitr'Andriamanitry, endriky gne tegnany tokotry. Na gne raha rehetra da tajomony hiaraky ame gn'alalany gne heriny gne zakany. Tafara gne nagnadiovany gne fahota, da nipetraky teo ambany gne tagnan'ankavana zakabe hagny an-dagnitry izy. 4 Lasa ambony mitovy am'anjely Izy, satria gn'agnarany nolovainy da tsara lavitry noho gn'agnarandreo. 5 Fa iha tame gn'anjely gne mba nizak'Andriamanitry hoe:''zanako anao, avy rainao i aho androany'' sady ''ho ray ho anazy Aho, sady izy ho zanaky ho Ahy''? 6 Sady koa, rehefa ninday gne lahimatoa tam'izao tontolo izao Andriamanitry, da nizaka Izy hoe: ''Gn'anjelin'Andriamanitry rehetra da tsy maintsy midera Azy.'' 7 Momba gn'anjely da nizaka Izy hoe: ''Izy i aba nagnano gn'anjeliny ho fagnahy, sady indreo mpanompony naniny lelan'afo.'' 8 Fa momba gne Zanaka da hoy Izy hoe: ''Gne seza fiandriananao Andriamanitry, mandrakizay doria. Gne rogno gne fanjakanao da rogno gne fitsara. 9 Nitia gne fahamarina anao sady nalay gne fandikan-dalàna. Noho izany Andriamanitry, Andriamanitry ô, da nagnosotry anao tame gne menaky gne hafalia mihotry noho gne mpiara-dia aminao.'' 10 ''Tame voloany be tagny Tompo da Anao gne nambotry gne fototry e tany. Gne lagnitry da asan'e tagnanao. 11 Tsy ho hita esana indreo, fa Anao hanohy anazy. Ho rota akô gne tapan-damba indreo. 12 Hamoritry andreo akô gne poti-damba indreo. Fa anao da akô izany, sady gne taonao da tsy hana fataperany.'' 13 Fa ia tamindreo anjely gne norohonin'e Zagnahary tame fotoa aby hoe: ''Mipetra ame tagnako ankavanamandra-pagnamboarako gne fahavalonao ho seza an'e tombonao''? 14 Anjely reherta me ko tsy fagna manompo, sady nalefa hiteza izay handova gne famonje?