Toko 1

1 Paoly, apostolin'i Jesosy Kristy araky gne sitrapon'Andriamanitry, hoan'gn'olo masign'Andriamanitry agny Efesosy, izay matoky am'i Jesosy Kristy. 2 [Fagnamaria: Misy fandika sasa ny mngala gne hoe: ''Ao Efesosy'' kaiky mety ame taratasin'i Paoly tame voloany izany.] Ho aminareo gne fahasoava sy gne fiadana avy amin'Anriamanitry Iabatsika sy i Jesosy Kristy Tompo. 3 Deray gne Andriamanitry sy Iaban'i Jesosy Kristy Tompontsika, izay nita antsika tam'i Kristy tame fitahiam-pagna aby avy agny an-dagnitry ao am'i Kristy. 4 Andriamanitry da nifidy atsika tame fanombohan'izao tontolo izao, mba ho masy sady tsy hana-tsigny akatrefany atsika 5 Andriamanitry da nifidy atsika taloha ho ame fanangana ho zanaky tam'gn'alalan'i Jesosy Kristy, araky gne sitrapony. 6 Gne fanangana atsika da minday ame fidera gne fahasoavany be voninahitry izay nome atsika fotsiny taminazy Raiky zay tiany. 7 Ao am'i Jesosy Kristy da mahazo fagnavota ame ràny sy gne famelan-keloky atsika , araky gne hare-pasoavany. 8 Nahidiny tamitsika tame fahendre sy fahalala aby izany fahasoava izany. 9 Nanin'Andriamanitry fantatry ta mitsika gne raha mifiny ame sitrapony, arak'zay tiany, sy izay nabokiny tam'i Kristy, 10 niaraky tame fandahara raiky ame fahafenoa ne fotoa, handagnonan'ny gne raha ety an-tany sy agn an-dagnitry aby, da ho loha raiky na i Kristy aza 11 Am'i Kristy da votondry ho mpandova atsika. Nofidiny taloha araky gne fandaharan'e mampiasa gne raha aby araky gne tanjogny gne sitrapo tsika. 12 Andriamanitry gne nanondry atsika ho mpandova mba ho atsika gne mana fatokia aloha am'i Kristy, mba ho fidera gne voninahitriny atsika. 13 Anareo avakoa tao amin'i kristy, rehefa nare gne zakan'gne fahamarina, da anareo gne filazantsara gne famonje, da nino enazy anareo sady notomboy tamé gne Fanahy Masina nampagnategna, 14 izay antoky ho an'gne lovantsika mandra-pahazoantsika tanteraky izany, ho fidera gne voninahitriny. 15 Noho iza antony iza, hatramin'gne naregnesako gne finoanareo an'i Tompo Jesosy sady gne fitiavanareo gne olo-masiny rehetra, 16 da tsy nizano gne nisaotry an'Andriamanitry i aho noho gne aminareo sady tsaroko am-bavaky anareo. 17 Mivavaky i aho mba gn'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, iaban'gne voninahitry, hagnome anareo gne fanahin'gne fahendre sady fagnambara ame gne fahalala enazy. 18 Mivavaky i aho mba hagnazava gne mason'gne fonareo, mba hafatantaranareo gne toky izay nagnatsovany anareo sady gne haren'gne voninahitry gne lovany eo ame gnolo-masin'Andriamanitry rehetra. 19 Ao ame fivavako da mangataky i aho mba hafantaranareo gne fihotriny hazakabe gne heriny ao amintsika izay mino, araky gne fiasan'gne heriny zakabe. 20 Iza hery iza avao gne nampiasain'Andriamanitry tao amin'i Kristy rehefa natsangany tamé maty izy sady napetrany tamé tagnany ankavana tagny an-danitry. 21 Kristy da napetrany ho ambonin'gne lalàna,gne fahefa,gne hery sady fitsara, gne agnara rehetra izay misy. Hanapaky kristy, tsy ho amin'izao andro zao avao, fa ho ame fotoa ho avy avakoa. 22 Napetrak'Andriamanitry ho ao ambanin'gne tombon'i Kristy avakoa gne raha rehatra sady nomeny ho lohan'gne raha rehetra ao ame fiangona izy. 23 Gne fiangona gn'hainy, gne fahafenoin'gne mameno gne raha rehetra ame gn'endrikiny rehetra.