Toko 1

1 Paoly, apostolin'i Jesosy Kristy tam'gn'alalan'gne sitrapon'Andriamanitry, araky gne fampagnategna ame fiaina izay am'i Jesosy Kristy, 2 an'i Timoty, zanaky tià: Fahasoava, fiantra, sady fiadana avy amin'Andriamanitry izay Iaba sy I Jesosy Kristy Tompotsika. 3 Misaotry an'Andriamanitry iaho, izay tompoiko avy tame razambeko, miaraky ame feon'e fieritrereta madio, akô gne fitadidiako anao fezay ame fivavako isan'andro s'anandro. 4 Akô gne nitadidizako gne ranomasonao, magniry mafy gn'ahita anao iaho, ka mety ho faly iaho. 5 Nampatsahivy ana gne finoanao mariny, izay niay voloany tam'endribenao LOisa sy i endrinao Eonisia, sady resy lahatry iaho zao fa miaigny aminao avakoa izany. 6 Izany gn'antony ampitadidiko anao gne hampiasanao gne fagnomezan'Andrdiamanitry anao am'fgn'alalan'e fametrako tagna. 7 Fa Andriamanitry tsy nagnome fagna ne tahotry atsika , fa gne tanjaky sy fitiava izy ame gne fifeheza-tegna 8 Ka megnatry ame fijoroa vavolombelo momba gne Tompotsika, na amina i Paoly, izay gadrany. Fa mizara ame fahoria gne filazantsara araky gne herin'Andriamanitry. 9 Fa Andriamanitry gne nagnavotry atsika sy nangaiky atsika tame fangia masy. Nagnano iza Izy, tsy avy tam'gn'asatsika, fa avy ame drafitry izay efa naniny sy gne fasoavany. Na da mbola tsy nanomboka aza gne fotoa da efa nomeny atsika iregny raha iregny tam'i Jesosy Kristy Izy. 10 Fa am'izao gne famonjen'Andriamanitry da nambara tam'gn'alalan'gne fisehoan'i Jesosy Kristy Mpagnavotry atsika. Kristy izay nagnafoa gne fahafatesa sady ninday fiaina tsy mana pahatapera mba hagnazava m'gn'alalan'e filazantsara. 11 Noho iza, da votondry ho mpitory teny iaho, sady ho apostoly, sady ho ramose. [Fagnamariha: Ireo dikan'e zaka taloha sasany da magnampy hooe: ''Hoan'e Jentilisa.'' 12 Fa avy tam'iza antony iza da mijaly ame raha iregny avakoa iaho. Fa tsy megnatry iaho satria izay ninoako. Resy lahatry iaho fa afaky mitagny izay efa nakiniko taminazy iza mandra-piavian'iza andro aizany. 13 Tano gne ohatry mikasiky gne hafatry ne finoa izay henonareo tamina, miaraky ame finoa sy fitiava izay am'i Jesosy Kristy. 14 Gne raha tsara izay nanin'Andriamanitry taminao sady embeno am'gn'alalan'e Fagna Masy izy miagny miaraky amitsika. 15 Lalanareo izany fa gne raha mipetraky tany Azia nivadika tamina. Amin'io fikambana io gne Fizelio sy gne Hermozena. 16 Engana anie i Tompo hagnome famindra-po ame tokatragnon'i Onesiforo, satria namelombelo ana matetiky izy sady tsy megnatry tame gadrako. 17 Fa raha tagny Roma izy da nitadia anafatratry, ka hitany iaho. 18 Gne Tompo gne hampiseho azy ka hahitany famindra-po avy am'iza andro iza. Gne fomba aby nagnampiany ana tao Efesosy, da lalanareo tsara.