Toko 1

1 Simona Petera, mpanompo sy apostolin'i jesosy Kristy, ho andreo izay nahazo gne finoa sarobidy akoy gne noresinay, finoa ao amy gne fahamarignan'e Zagnaharintsika sy Jesosy Mpamojy. 2 Hampitomboy anie gne fahasoava sy fiadana nohon'gne fahalala an'Anndriamanitra sy Jesosy Tompontsika. 3 Gne rahà agnaby mikasiky gne herin'Andriamanitra ho an'e fiaina sy toe-pagnahy da nome antsika tamy gn'alalan'e fahalala an'Andriamanitra, izay nangaiky antsika tamy gn'alalan'e voninahitriny sy gne fahatsarany manokana. 4 Tamy gn'alalan'gne, nomeny zaka kinia tsara sady zakabe indrindra isika, mba ho avy mpizara amy gne fomban'Andriamanitra enereo, raha milefa gne falotoa izay eto an-tany nohon'gne filàn-dratsy. 5 Noho izany, magnamboara gne tena tsara mba hagnampia fahatsara amy gn'alalan'e finoanareo, ary amy gn'alalan' e fahatsaranareo, gne fahalala. 6 Amy gn'alalan'e fahalalanareo, magnampia famoizam-po, ary amy gn'alalan'e famoizam-ponareo, magnapia fahareta, ary amy gn'alalan'e faharetanareo magnampia toe-pagnahy. 7 Amy gn'alalan'e toe-pagnahinareo, magnampia fitiava rahalahy, ary amy gn'alalan'e fitiava rahalahy, magnampia fitiava. 8 Raha ao aminareo io gne mitombo ao aminareo, da tsy hamoa na tsy hamokatry amy gne fahalala an'i Jesosy Kristy Tompontsika enereo. 9 Fa ndre ia ndre ia tsy ampy io rahà io da tsy mahita afa-tsy izay akeky; jamba izy. Naniny adigno gne fagnadiova enazy tamy gne fahotany taloha. 10 Noho izany, ry rahalahy, amboaro agnaby gne mba hahazoa antoky gne fangia sy gne fifidiana anareo. Raha magnano io rahà io anareo, da tsy ho votsipelitry. 11 Amizany da malalaky ho anareo gne fidera ao amy gne fanjaka mandrakizay izay an'ny Tompontsika sy Jesosy Kristy mpamonjy. 12 Noho izany da vonogny lalandava iaho hampatsiahy anareo io rahà io, ndre da efa fantatrao io, ary ndre da efa mantanjaky ao amè marigny enareo amizao. 13 Iaho mieritreritra fa rariny aminahy gne mamoha anareo amy gne fampahatsiahiva io rahà io, raha mbola amity tragno-lay ity iaho. 14 Satria fantako fa tsy ho ela da ho alako gne tragno-laiko, akoy gne nambaran'i Jesosy Kristy Tompontsika enahy. 15 Ary ho amboariko izay faran'gne vitako mba hahatsiarovanareo mandrakariva io rahà io raha lasa iaho. 16 Fa ihay da tsy nagnaraky tafasiry tsara lahatry izay noforogny raha nizaka taminareo gne mikasiky gne hery sy gne nibodagnan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Fa, ihay da vavolombelo nahita gne volamenany. 17 Fa Izy da nahazo laza amam-boninahitry avy tamy gn'Andriamanitra Ray raha nisy feo avy teo Aminazy tamy gne voninahitry tena zakabe hoe:" Ity gne Zanako malalako, izay ekeko indrindra." 18 Nahare izany feo avy tagny an-dagnitry izany ihay, raha niaraky taminazy tegny amè vohitry masina. 19 Isika da mana ity zaka faminania izay efa namboary mafy fotitry ity. Tokony hitandrina izany tsara enareo. Izany da okoy gne jiro mazava ao agnaty misy mandra-pevian'e marandray sy gne kintan'ny marandray mpisoky ao am-ponareo. 20 Fantaro aloha izao, fa tsy misy faminania avy amy gne famoahan-kevitry gne lol. 21 Fa tsy misy faminaniana avy tamy gne sitrapon'olo. Fa, notarihan'gne Fagnahy Masina izy iregny mba hizaka izay zakain'Andriamanitra.