Toko 1

1 Avy amy gn'olo ka hatragny amè viavy vofidy sy gne zanany, izay tiako amy gne fahamarigna- ary tsy iaho avao, fa izay nahafantatry gne marigne agnaby evakoa - 2 nohon'gne fahamarigna izay mipetraky ary hiaraka amintsika mandrakizay. 3 Ho amintsika anie gne fahasoava, gne famindram-po, gne fiadana avy amin'Andriamanitra Ray sy avy amim'i Jesosy Kristy, Zanaky gne Ray, amy gne fahamarigna sy fitiava. 4 Faly indrindra iaho satria nahita gne sasany amy gne zanako mandeha amè fahamarigna, akoy gne nandresantsika izany didy izany avy tamy gne Ray. 5 Ary mangataky aminao iaho, raviavy - tsy akoy gne manoratry didy vaovao aminao iaho, fa izay nanagnantsika hatramè volohany - da gne tokony hifankatiavantsika samy isika. 6 Akoizao gne fitiava, da gne mba andihanantsika araky gne didiny. Akoizao gne didy, araky gne renareo hatramè voloany, da gne tokony handehananareo amizany. 7 Fa maro gne mpamitaky efe lasa agny amizao tontolo izao, ary indreo da tsy magneky fa Jesosy Kristy da avy tamè nofo. Izany mpamitaka sy antiKristy. 8 Iteo gne tegnanareo, mba tsy hahavery gne rahà izay efa vitantsika agnaby, fa mba hahazoanareo valim-pitia feno 9 Ndre ia ndre ia mandeha eo aloha ary tsy mipetraky ao amy gne fampianaran'i Kristy da tsy mana an'Andriamanitra. Gne raiky izay mipetraky ao amy gne fampianara, izany raiky zany da mana gne Ray sy gne Zanaka. 10 Raha misy olo avy eo aminao ary tsy minday izany fampianara zany, da ka mangala enazy ho ao an-tranonao ary ka magnatsafy enazy. 11 Fa izay magnotsafy enazy da mikamba amy gne ratsy amboariny. 12 Mana rahà maro ho sorata aminareo iaho, nefa iaho tsy magniry hanoratry izay amy gne taratasy sy ranomity. Na izany da, magnantegna gne ho avy agny aminareo iaho ary hikora mivantagny, mba ho tanteraky gne fifalianareo. 13 Magnano veloma anao gne zanaky gne rahavavinao vofidy.