Toko 1

1 Paoly, apostoly raiky an'i Kristy tame sitrapon'Andriamanitra, sy Timoty rahahany, ho ane fengonan'Andriamanitra izay ao ame Korinto, ary ho an'ireo mpino rehetra magneragny gne faritra Akaia. 2 Ho aminareo gne fahasohavagny sy gne fihadanagny avy amin'Andriamanitra Abatsika sy gne Tompo Jesosy Kristy. 3 Ho deraigny ane gn'Andriamanitra sy Aban'i Tompontsika Jesosy Kristy. Izy no Abany gne famindram-po rehetra sy Andremanitry gne fampiononagny rehetra. 4 Andriamanitra da mampionigny antsika rehetra ame fahoriantsika rehetra, ka mba ahafahantsika mampionogny ireo izay ao agnatiny fahoriagny. Isika da mampionigny ireo hafa tahaka gne ampionognigny izay nampiasan'Andriamanitra antsika. 5 Fa mitovy gne hitombohan'ny fijalian'ny Kristy nohon'ny gnaminay, no hitombohan'ny fampiononagny anay koa amin'ny alalan'i Kristy. 6 Fa ra nampijaliny izahay, da ho an'ny fxampionanagny sy famonjegny anareo. Ary raha nampionangigny izahay, izany da ho fampionanagny anareo. Gne fampionangy da mandaitry raha managny faharetagny hizara ireo fijaliany izay mitovy ame fijaliany koa. 7 Fa gne fatokisany momba anareo da azo antoky, satria izahy da mahafantatry fax anareo koa da mizara ireo fijaliegny,anareo koa da mizara fampiononagny. 8 Da tsy tianay anareo tsy ahafantatry, ry rahalahy, ame gnolagny nahajo anay tagny Asia. Izahay da novesarigny da to mihotry gne tokony ho zakanay, be lotry da tsy nagnategna gnovelogny ela koa iahy . 9 Taminay tokotry gne fagnamelohagny ho faty. Fa izany gne nahatonga anay tsy hametraky gne tokanay eo ame tegnanay avao, fa kosa amin'Andiamanitra izay mampintsanga gne maty. 10 Nagnavotry anay tame loza mahafaty mitovy amizany izy, ary da mbola hagnavotry avakoa. Iay da mametraky gne tokinay taminazy fa da mbola hagnafaky indraiky avako izy. 11 Izy da hagnano anizany satria axnareo koa da magnampy anay ame gnalalane vavakareo. Da maro aveo gne hagnome fisaoragny ame gnagnaranay nohogne tombom-pahasoavagny nomegny anay tame gnalalane vavake maro 12 Iay da mirehareha tokotry ame fijoroagny vavolombelogny ame feony gne fieritreretanay . Fa tame fikasa madio sy fahasoram-po izay avy amin'Andriamanitra izay nitondranay gne tegnanay ao amin'izao tontolo izao. Iay da nahavita izany rehetra izany ankamarohany da niaraky taminareo-- tsy tame fahendren'izao tontolo izao,fa tame fahasoavan'Andriamanitra. 13 Iay da tsy nanoratry zavatry tsy ho vovaky ho anareo. Iao da magnatenga fa, 14 satria anareo nahazo gne mombanay ame ampahany. Iay da ho antony gne reharehanareo ame andron'i Tompontsika Jesosy, mitovy aminareo ho antony gne reharehanay. 15 Satria natoky gne mombanizay iao, da te ho agny aminareo agny eky, mba hahafahanareo mahazo gne tombiny ame fitsidiagny roy. 16 Niomagny hamangy anaeo raha tame lalako hoangy Makedonia iaho. Ary evy eo da nagniry gnemagny anareo indraikyn avakoa iaho tame diako latagny Makedonia, ary gne mba hagnateranareo anaha tegny ame lalako ho agny Jodia avy eo. 17 Da niheritreritry akohizany aho, nisalasala nda iaho? Nagnomagny gne raha araky gne nofy nda iaho, mba irognako "Eny, eny " sy "tsy , tsy "ame fotogny raiky avao. 18 Fa satria Andriamanitrta da matoky, isika da tsy afaky hiteny na "Eny" na "Tsy " 19 Fa gne zanak'Andriamanitra, Jesosy Kristy, izay notorihan'i Sylvanosy,Timoty ary iaho taminareo, da tsy "Eny " na "tsia ". Fa izy da nizaka matetiky hoe "Eny ". 20 satria gne fampagnatenan'Andriamanitra da "Eny"agnaby aminazy.Da ame alalany koa isika da hirogny hoe" Amena" ho ane voninahitr'Andriamanitra. 21 Ary gn'Andriamanitra zay nagnamafy anay aminareo ao amin'i Kristy, izy tokôtry nda gne nagniraky antsika. 22 Izy da nagnisy tombo-kase tamintsika ary nagnome fagnahy ho ao ampntsika ho antok'izay mbola omeny antsika koa nda afara agny. 23 Fa niantso an'Andriamanitra iaho, nagnano vavolombelogny ho anaha izay antony tsy nevisako tao Korinto mba hamindrako fo aminareo. 24 Izany da tsy sagnatria noho izahay miezaky ny mamehy izay tokony ho finoanareo. fa kosa izahay da miara-miasa aminareo ame fifalianaeo, satria ianareo mijoro ao ame finoagninareo.