Toko 1

1 Paoly, natsovan'i Jesosy Kristy mbo ho Apostoly none sitrapon'Andriamanitra, sy Sostena rahalahiny, 2 ho ane fengonan'Andriamanitra ao Korinto, ho an'ireo zay nohamasinigny taoamin'i Kristy Jesosy. izay nangihagny ho olo Masina. Manoratry anareo aby izay mangaiky gnagnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika ame toeragny aby avakoa iahy, gne Tompondreo da gnatsika. 3 Da ho aminareo gne fasohavagny ame fiadanagny avy amin'Andriamanitra abatsika sy Jesosy Kristy Tompo. 4 Iaho da tsy valaky gne magnome fisaoragny an'Andriamanitra ho anareo none fasohavan'Andriamanitra izay nomen'i Jesosy Kristy anareo. 5 Naniny nanakarena ame fomba agnaby anareo, tame fizakagny aby sy gne fafataragny agnaby, 6 raha vomariky teo aminareo fa marigny gne fagnambaran'i Kristy. 7 Noho izany anareo da tsy halahelo fagnomezam-pasohavagny eo ampandignasanaeo gne fagnambaragny an'i Jesosy Kristy Tompontsika. 8 Izy avakoa da magnampetraky anareo hatrame farany, datsy hanagny tsigny anareo ame andron'i Jesosy Kristy Tompontsika. 9 Matoky Andriamanitra, izay nangaiky anareo ho ame feragny ame zanany lahy, Jesosy Kristy Tompontsika. 10 Amizao da mandrisiky anareo iaho, ry rahalahy, ame agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hifagnaranareo agnaby,da tsy hisy fisaragny eo aminaro. Da mandrisiky iaho mba hitambatry ame saigny mitovy sy gne tanjogny raiky mitovy avakoa anareo. 11 Fa efa nizakagny mazava tamina, ry rahalahy,tame alalan'ny vahokan'i Kloe fa misy fitongilagnagny eo aminareo. 12 Nge tiako zakagny da izao: nge tsiraikiraiky aminareo da samby magnano hoe:" Iaho miaraky amin'i Poaly" na "Iaho miaraky amin'i Apolosy " na "Iaho miaraky amin'i Kefasy" na"iaho miaraky amin'i Kristy." 13 Da vozarazara zany i Kristy? I Paoly zany gne nofantsigny ho anareo? Tame gnagnaran'i Poaly tokotry gne nagnamboharagny batisa anareo? 14 Da misaotry an'Andriamanitra iaho fa tsy nisy naniko batisa anareo, afa tsy Krispo sy Gaio. 15 Izany da tsy hafahan'iza na iza mizaka hoe tame gnaagnarako gne nagnamboharagny batisa anreo. 16 ( Iaho avakoa da nagnano batisa gne fihanakavihany Stefanasy. Gnakotranizany, da tsy fantako raha avy nagnano batisa olo hafa iaho.) 17 Fa i Kristy da tsy nagniraky anaha mba hampagnano batisa fa hambara gne filazantbsara. Izy da tsy nandefa anaha hitory ame fahendren'gne olombelogny, mba tsy hamono gne heriny hazofijalian'i Kristy. 18 Gnafatry momba gne hazo fijaliagny da fagnamolagny amin'ireo ho faty. Da mireo zay ho vonjen'Andriamanitra kosa,da herin'Andriamanitra izany. 19 Fa vodika hoe:" Ho potehiko gne fahendrene gne hendry. Ho aniko tsy misy gne fahalala gne mahay. 20 Aia gne olo-kendry? aia gne manam-pahezagny? aia gne mpiady hevitry an'izao tontolo izao? Korisy tys navadik'Andriamanitra fo famolagny tokotry gne fahendren'izao tontolo izao? 21 Satria da tsy nalala an'Andriamanitra izao tontolo izao tao ame fahendregny, da sitrak'andriamanitra gne hamonjy ireo mino ame alalane gne fahadalany gne fitoriagny. 22 Fa gne Jiosy da mangataky famataragny mahagaga da gne Grika mitady gne fahendregny. 23 Fa iahy magnambara an'i Kristy voafantsiky, izay vato mandogny ho ane Jiosy ary da fagnabaribaragny ho ane Grika. 24 Fo ho an'ireo nantsoin'Andriamanitra, ireo Jiosy sy gne Grika, da mitory an'i Kristy mitovy ame hery sy gne fehendren'Andriamanitra iahy. 25 Fa gne fahamolan'Andriamanitrva da hery noho gne olo, ary gne fahalemen'Andriamanitra da matanjaky noho gne olo. 26 Diniho gne fagnatsovagny anareo, rahalahy. Tsy maro taminareo gne hendry raha gne maha olombelogny. Tsy maro taminareo gne nahery. Tsy maro taminareo gne ambony firazagnagny. 27 Fa Andriamanitra da nisafidy anireo zavatry adalan'izao tontolo izao mba hampahemegnatry gne hendry. Andriamanitra da nisafidy izay maleny eo amin'izao tontolo izao mba hamegnatry gne matanjaky. 28 Andriamanitra da nisafidy izay ambany sy hamavoina eto amin'izao tontolo izao. Na izany aza da nifidy ireo zavatry nodinihagny ho tsinotsinogny, mba hatonga tsinotsinogny ireo zavatry anigny ho manan-danja. 29 Naniny izany mba tsy hisy hanagny antony hirehareha eo anatrehany. 30 Nohon'ny nataon'Andriamanitra, ankehitriny anareo da ao amin'i Kristy Jesosy, izay lasa fahendrena ho antsika avy amin'Andriamanitra. Izay da lasa fahamarinantsika, fahamasinantsika ary fahafahatsika. 31 Vokatr'izany, araka gne vozakane Soratra Masina hoe:" Aoka izay mirehareha, hirehareha ao amin'ny Tompo."