Toko 1
1
Pôly, apôsitôly_ tsy apôsitôly avy amin'ny olo na tamin,ny alalan'ny olo, fa avy amin'ny Jesôsy Kristy sy ilay Andremanitre Ray, ijay nanangagna anaje tamin'ny mate _
2
die ireo rahalahy rehetra miaraka aminahe, ho an'ireo fengonana Galatiana:
3
Fahasoavana ho aminareo ary fendanana avy amin'Andremanitre Raintsena sy Jesôsy Kristy Tompo,
4
ijay nanolotre ny tegnany ho an'ny fahotantsena ba hagnafahane antsena amin'ny jao andron'ny faharatsena ijao, araka ny sitram-pon'ny Andremanitsena sy Raintsena,
5
hônaje anie ny voninahitre mandrakijay doria. Amena
6
Gaga aho hoe niala malaky tanin'ilay nangaike anareo tamin'ny fahasoavan'ny Kristy anareo. Gaga aho fa mitodika ho amin'ny filajan-tsara hafa anareo.
7
Tsy midika ijany fa misy filajan-tsara hafa, fa misy olo rahabe ijay mitondra fagnakorotagnana ho anareo ka die te hagnova ny filajan-tsaran'ny Kristy.
8
Fa na die ahay anjely avy agny andagnitra aja no hitory filajan-tsara hafa aminareo noho ijay nitorene taminareo, die ôka ijy ho vôojogna.
9
Araka ijay vôlajanay taloha, die ankehitriny aho magnambara indraike hoe: "Laha misy olo magnambara aminareo filajan-tsara hafa noho ijay niresinareo, die ôka ijy ho vôojogna.
10
"Moa ve aho ankehitriny mandrembe ny fankatoavan'ny olo sa Andremanitre? Mo ve aho mandrembe ijay hampifaly ny olo? Laha bola manohe miejaka ny hampifaly ny olo iaho, die tsy mpanompon'ny Kristy.
11
Fa tieko ho fantatrareo, ry rahalahiko, fa ny filajan-tsara ijay nijakaiko die tsy filanjaran-tsaran'olombelogna.
12
Tsy nandray anijany tamin'olo iaho,na nampenarina anahy ijany. Fa koja, ijany die fagnambaran'ny Jesôsy Kristy taminahe.
13
Fa anareo naharegne ny fiegnako taloha tamin'ny fomba fivavahana Jiosy, sy ny fomba nagnenjehako ny fengonan'Andremanitre mihôtre ny tokony ho ijy ary ny fejahako handrava anijane.
14
Nandroso tamin'ny fivavahan'ny Jiosy aho nihôtran'ny maro nitovy taogna taminahe, avy tamin'ireo raike firenena taminahe. Toy ijane ny fomba nitajomako maharè ireo fomban-drajako.
15
Kanefa Andremanitre, ijay nanokagna anahe hatragny ankibon'ny iemdriko, ary nangaike anahe tamin'ny alalan'ny fahasoavany,
16
laha faly ny hampiseho ny janagne lahy taminahe, ba hahafahako milaja Aminaje agne amin'ny Jentilisa, die tsy nangala saigna tamin'ny mofo sy ra avy hatagne aho.
17
Tsy niakatre tagny Jerosalema ho agny amin'ireo efa nanjary Apostoly taloha aho. Fa koja, nandeha tagny Arabia ary aviteo nimpody tagny Damaskosy iaho.
18
Ary telo taogna tatoy afara die niakatra tagny Jerosalema ba hifakalala tamin'ny Kefasy iaho die nijanogna niaraka taminajy nandritra ny dimembifolo andro.
19
Fa tsisy hitako ireo Apôstoly ankôtran'i Jakôba, ilay rahalahin'ny Tompo.
20
Ary ao amin'ny jay soratako ho anareo, die magnome toky anareo aho eo anatrehan'Andremanitre, fa tsy mivandy aho.
21
Aviteo aho die nenga tagny amin'ny faritr'i Siria sy Kilikia.
22
Tsy bola fantatra teo amin'ireo fengonan'i Jodia ijay ao amin'i Kristy iaho.
23
Regnindreo fotsiny ijay vôlaja hoe: "Ilay lelahy ijay nagnenjika antsena taloha, amijao koja die magnambara ilay finôna ijay niejahiny nipotehina taloha.
24
"Noho ijany ijy ireo die nidera an'Andremanitre noho ny aminahe.