Toko 1

1 Paoly, mpanompon'Andriamanitra sy Apostolin'i Jesosy Kristy, hagnamafy ny finon'ny olom-bôfidin'Andriamanitra sy ny fahafantarana ny marina ze magnaraka ny toe-pagna araka an'Andriamanitra, 2 amin'ny fahatokisana ny fiaignana mandrakizay, ze nampagnantegnan'Andraimanitra, le tsy mandainga, hatry ny fahagola. 3 Tamin'ny fotôna vôtondro, de nabôgnany ny teniny tamin'ny toriteny ze natokisany ho ampitaiko. Noho ny didin'Andriamanitra Mpomjy antsika de nataoko izany. 4 Ho an'i Titosy tegna zanako amin'ny finona hiombonantsika.Ny fasoavana sy ny fiadanan avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika. 5 Ny antony nametrako an'nao taigny Kreta, de ny mba andeaminanao reo ra ze mbola tsy vita sy hanendry loholona isaky ny tanana ze efa nandidiko an'nao. 6 Ny loholona de tsy tokony hanatsigny miitsy, manambady vevavy tokana, managna zanaka mino tsy vôpanga mpagnaram-po amin'ny ratsy na maditra. 7 Ilain'ny mpitandrina, amin'ny maha-mpagnano ny Asan'Andriamanitra, ny tsy fanagnantsigny tokony ho mahery fiteny na ho mpirehareha. Tsy tokony ho mora sosy, tsy mpimamo, tsy te-ady, ary tsy ôla te-vola. 8 Tokony te mampen-tragno vahiny, sakaizan'ny tsara. Tsy maintsy mahonon-tegna,marina, masina, ary mahafe ny tegna. 9 Mitanà mafay ny hafatra ze efa nampenarina an'azy mba ahafahany mampahery ny sasagny amin'ny fampenarana tsara ary hagnitsy reo ze manoitra an'azy. 10 Fa maro ny ôla maditra, indrindra reo vôfora. Tsy misy lanjany ny tenin'izy reo. Mandiso fagnantegnana ny ôla ary mitarika ny ôla mankaigny amin'ny lalandiso zareo. 11 Tsy maintsy sakanana zareo. Satria mampianatra ny tsy tokony hampenarina mba ahazaôna harena maloto. 12 Nisy leila raika tamin-jareo, ze hendry nilaza hoe: ' Ny Kretana de mpandainga mandrakariva, ratsy ary tegna biby mandeoza, kamo be tenda." 13 Marina zany vôlaza 'zany, noho zany de anaro mafy zareo mba hatanjaka amin'ny finona. 14 Aza miraharaha ny anganonganon'ny Jiosy na reo didin'ny ôla ze mivily niala tamin'ny fahamarianana. 15 Raha am'reo ôla madio, de madio ny ra daôly. Fa ho an'reo ze maloto sy tsy mino kosa, de tsisy madio na ino na ino. Satria efa vôloto ny saigny sy ny fieritreretany. 16 Milaza fa mahafantatra an'Andriamanitra zareo, kanefa mandà an'Azy amin'reo asany. Mankahala sy mpandika lalàna zareo. Tsy mahavita asa tsara na ino na ino.