Toko faha 5

1 Satria namarinina tamin'ny fignona tsika, de managna fedanana miaraka amin'Andriamanitra aminy alalan'i Tompontsika Jesosy Kristy. 2 Amin'ny alalany iany kô no anagnantsika lalala amin'ny fignona mankao ami'zany fahasoavana ze ijorontsika zany. Mifalifaly amin'ny fahatokina amin'Andriamanitra an'ny amin'ny ho avy zay, fatokina ze ozaraintsika akao amin'ny voninaitran'Andriamanitra. 3 Tsy amin'zany iany,fa tsika kô de mifaly akao amin'ny faorentsika. Fantatsika fa ny faorena de mamokatra faharetana. 4 Ny faharetana miteraka fankatoavana, ary ny fankatoavana miteraka fahatokisana ho amin'ny hoavy. 5 Zany toky zany de tsy mandiso fanantenana, satria ny fitiavan'Andriamanitra de efa narotsako takao am-pontsika tamin'ny alalan'ny Fagnahy Masina, ze namena antsika. 6 Fa ra mbola navôzo isika, de maty ara-potona ho an'ny ratsy Fagnahy Kristy. 7 Fa sarotra ho an'ny ôla raika ny ho faty ho an'ny ôla-marina. Fa, ngamba mety misy ôla raika sahy ho an'ny ôla tsara. 8 Fa Andriamanitra maneo ny fitiavany manokana ho antsika, satria ra mbola mpagnota isika, de maty ho antsika Kristy. 9 Miôtra no zany aza, amin'zao rafa nomarinina tamin'ny ràny isika de ho vôvonjin'zany amin'ny fahatezeran'Andriamanitra. 10 Fa ra, mbola fahavaloy isika, de niavana tamin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fahafatesan'ny Zanagny, ary miôtra noho zany, rafa avy nampiavagnina, de ho vôvonjy amin'ny alalan'ny aigny isika. 11 Ary tsy zany iany, fa isika iany kô de mifaly akao amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Tompontsika Jesosy Kristy, fa isika ze nazaôntsika zany havanana zany amizao. 12 No zany ary, sahalan'ny nidiran'ny ota tamin'ny ôla raika tamin'ny zao totolo zao, de sahalan'izany kô no nidiran'ny fahafatesana tamin'ny alalan'ny ota. Ary ny fahafatesana de niparitaka tamin'ny ôla daôly, satria samy nagnota daôly. 13 Nandra-pisin'ny lalàna de taketo amizao totolo zao ny ota, fa tsy misy fagnisan-keloka rafa tsy misy lalàna. 14 Nefa na zany aza, ny fahafatesana de nanjaka nanomboka tamin'i Adama ka hatramin'ny Mosesy, na de takeo amin'jareo zay tsy nagnota otran'ny tsy fankatoavan'i Adama aza, ze talinjon'le hoavy. 15 Nefa na izany aza, ny fagnomezana de avy amin'ny fahasoavan'le ôla raika, Jesosy Kristy namena be no an'ny betsaka, de miôtra lavitra no nataon'ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fagnomezana avy amin'ny fahasoavan'le ôla raika, Jesosy Kristy, nomena be ho an'ny maro. 16 Fa ny fagnomezana de tsy ôtran'ny vokatra avy amin'le raika ze agnota. Fa amin'ny lafiny raika, tonga ny fitsarana ho fagnameloana no ny fadisan'ny ôla raika. Fa amin'ny lafiny raika afa, ny fagnomezana miafara amin'ny fagnamarinana de tonga tafaran'ny fahadisoana betsaka. 17 Fa ra tamin'ny alalan'ny raika, no hanjakan'ny fahafatesana amin'ny raika de miôtra lavitra no zany ny hanjakan-dreo ze mandray ny hagedan'ny fahasoavana sy ny fagnomezan'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny fiainan'le raika, de Jesosy Kristy. 18 No zany ary, satria tamin'ny alalan'ny fahadisoan'ny raika no nahatonga ny ôla ho amin'ny fagnamelona, de amin'ny alalan'ny asan'ny fahamarinana raika iany kô no hatongavan'ny fagnamarinana ny fiagnana ho an'ny ôla daôly. 19 Fa satria avy amin'ny tsy fankatoavan'ny ôla raika no natonga ny betsaka ho mpagnota, de amin'ny alalan'ny fankatoavan'ny raika iany kô no ahatonga ny maro ho marina. 20 Fa tonga takao amin'zany ny lalana' mbo ho geda ny fahadisoana. Nefa ra negeda ny fahotany de vao maika negeda ny fahasoavana. 21 Nipotra zany mbô, salan'ny nanjakan'ny fahotana tamin'ny fahafa tesana, de ôtran'zany kô no hanjakan'ny fahasoavana amin'ny alalan'ny fahamarinana ho amin'ny fiaignana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompotsika.