Toko faha 16

1 Ankiniko aminareo i Foiby agnabavintsika, le mpanompon'ny fiangonana aigny Kenkrea 2 mbo handraisanareo an'azy akao amin'ny Tompo. Ataovy zany amin;ny fomba mendrika an'reo mpino, ary magnatre anazy am'ze ôla mety hilany ny fanampenareo. Fa izy tegnany iany kô de lasana mpagnampy ny maro, ary ny tegnako iany kô 3 Magnanova veloma amin'i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa aminà ao amin'i Kristy Jesôsy, 4 ze nahafoy ny aignan'zareo ho an'ny aignako. Misaotra an'jareo zà, ary tsy fogna, fa reo fiangonana daôly an'ny Jentilisa iany kô. 5 Magnanova veloma ny fiangonana any amin'i Epaineto malalako, ze vôlom-bokatr'i Asia ho an'i Kristy. 6 Magnanova veloma an'i Maria, ze niasa mafy ho an'nareo. 7 Magnanova veloma an'i Androniko sy Jonia, havako akaiky , ary niara-nigadra taminà. Milaza eo anivon'ny apostoly zareo, ze tao amin'i Kristy talôko iany kô. 8 Magnanova veloma an'i Ampilato,malalako ao amin'ny Tompo. 9 Magnanova veloma an'i Orbano, mpiara-miasa amintsika akao amin'i Kristy, sy Staky,malalako. 10 Arabao Apela, le ankasitrahana ao amin'i Kristy. Arabao reo ze akao amin'i tokantranon'i Aristobolo. Magnanova veloma an'i Herodiona, havako. 11 Magnanova veloma an'ireo ze akao amin'ny tokantranon'i Narkisa, ze akao amin'ny TOmpo. 12 Magnanova veloma an'i Tryfena sy Tryfosa, ze miasa mafy ao amin'ny Tompo. 13 Magnanova veloma an'i Rofosy, ze vôfidy takao amin'ny Tompo, ary ny reniny sy ny reniko. 14 Magnanova veloma an'i Asynkito, Flegona,Hermesy,Patroba,Herma,ry reo rahalà ze miaraka amizareo. 15 Magnanova veloma an'i Filologia, sy Jolia, Narea sy ny anabaviny, sy Olimpa, ary reo mpino rehetra miaraka amin-jareo. 16 Mifagnanova veloma amin'ny fifagnorohana masina. Ireo fiangonan'i Kristy rehetra de magnano veloma an'nareo. 17 Amin'zao fotôna zao de mamporisika an'nareo zà, ry rahalà, mba hihevitra ny momba reo ze mahatonga ny fizarazarana sy ny fanafintohinana. Izy reo de mihôtra lavitry ny fampiagnarana ze noraisinareo. Mialà lavitra an-jareo. 18 Fa tsy mpanompon'i Kristy ny ôla salan'ireny, fa ny kibony manokana iany. Amin'ny teny malefaka sy mandoka no amitahan'zareo ny fon'ny tsy manan-tsiny. 19 Fa ny ôtran'nareo aminn'ny fankatoavana de tafita aigny amin;ny tsiraikaraika.Noho zany,mifaly za, ny aminareo fa tekon mba ho hendry amin'zao tsara nareo, ary tsy hanan-tsiny amin'ze ratsy. 20 Andriamanitry ny hanorotoro an'i Satana eo ambanin'ny tongotrareo afaka fotôna fohy. Ho aminareo ane ny fahasoavan'i Tompontsika Jesôsy Kristy. 21 Timoty,mpiara-miasa aminà, de magnano veloma an'nareo, sy Losio,Jasona arey Sosipatro, havako. 22 Zà, Tertio, ze nagnoratra ty epistily ty,de magnano veloma an'nareo akao amin'ny Tompo. 23 Gaio,le mpampiantrano ana sy ny fiangonana manontolo,de magnano veloma an'nareo. Erasto mpitam-bola akao amin'ny tanà,de magnano veloma an'nareo,miaraka amin'i Koarto le rahalà. 24 [Fagnamarehana: Ny fandikana talô tsara ndrindra de manala ty andininy ty.( Jero ny Romana 16:20).and 24: ''' Ho aminareo daôly ane ny fahasoavan'ny Tompontsika Jesôsy Kristy.Amena.''] 25 Ary ny voninahitra de ho Anazy mahavita mampijoro an'nareo araka ny filazantsarako sy ny fitorina an'i Jesôsy Kristy, araka ny fagnambarana ny misitery x=ze notazonina ho tsiambaratelo ela be taigny alô taigny, 26 kanefa nambara amin'zao fotôna zao, ary tamin'ny alalan'ny bokin'ny faminaniana no nampahafanatarina tamin'ny firenena daôly, araka ny didin'Andriamanitra mandrakizay, ho fankatoavana su finôna. 27 Ho an'le Andrimanitra tokan'ny fahendrena, anie ny voninahitra mandrakizay,amin'ny alaln'i Jesôsy Kristy .Amena.