Toko faha 10

1 Ry rahalà, ny irin'ny foko sy angatahiko amin'Andriamanitra ho an'azy reo , de ny famonjena an'azinareo. 2 Fa mijoro vavôlombelona momba an'zareo zà fa mafana fo ho an'Andriamanitra zareo, nefa tsy araka ny fahaizana. 3 Fa tsy mafantatra ny fahamarin'Andriamanitra reny, ary mokarakara hametraka ny fahamarinan-jareomanokana. Tsy magneky ny fahamrignan'Andriamanitra zaero. 4 F Kristy no fatanteran'ny lalàna ho fahamarinana ho an'ze daôly mino. 5 Fa Mosesy nanoratra momba ny fahamarinana ze avy amin'ny lalàna hoe: " Ny ôla ze magnano ny fhamarignan'ny lalàna de hiaigna amin'izany fahamarignana zany? 6 Fa ny fahamarignana ze avy amin'ny finônad mikoragna hoe: " Aza mitare zao akao am-po hoe:' Iza no hiakatra aigny an-dagnitry?" (zany de, mampidigna an'i Kristy) 7 Ary aza mikoragna hoe: "Iza no hidigna akaigny amin'ny laligna?" (zany de, mampiakatra an'i Kristy amin'ny maty) 8 Fa ino no taravin'zany? "Akeo akaikinao ny teny, akao am-bavanao ary akao am-ponao." Zany no koragnin'ny finôna, zay koragninay. 9 Fa ra amin'ny vavanao no agnekenao an'i Jesôsy ho Tompo, ary mino amin'ny fonao fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty Izy, de ho vonjena anao. 10 Fa amin'ny fo no inôn'ny ôla ny fahamarignana,ary amin'ny vava no agnekeny ny famonjena. 11 Fa ozy ny Soratra Masina hoe: " Tsy ho megnatra ze daôly mino an'Azy". 12 Fa tsisy fahasamihafana akeo amin'ny Jiosy sy Grika. Fa Tompo tokana iany no Tompon'izay daôly, ary harem-pahasoavana ho an'ze daôly magnantso an'Azy Izy. 13 Fa ze daôly magantso ny Anaran'ny Tompo no ho vonjena. 14 Manakôry ary no hanajareo magantso an'Azy ze tsy ninôny? manakôry no hafanjareo mino an'Azy tsy hènjareo? Manakôry no hafan-jareo mareigny rà tsisy mpitory. 15 Ary manakôry no hafanjareo mitory, ra tsisy nagniraka? Araka ny vôsoratra hoe: " Endrey ny hatsaran'ny taongotr'ireo mpagnam-bara ny Filazantsara" 16 Kanefa tsy izy daôly no nitaino ny Filazantsara. Fa ozy Isaia oe: Tompo,iza no nino ny hafatray?" 17 Non'izany ny finoana de avy amin'ny fitainoana ary ny fitainaoana de avy amin'ny tenin'i Kristy. 20 Ary akeo tegna sahy tokôtra Isai rafa nnitare izy hoe: "Hitanjareo ze tsy nikarakara Anà za. Nibôgna taminjareo ze tsy magnontany Anà zà." 21 Fa ozy tamin'Israely hoe: Mandrampiavin'ny andro de magnatsotra ny tagnako amin'ôla tsy mankato sy mafy lô."