Toko faha 8
1
Rafa novahan-le Zanak'ondry ny tombo-kase fafito, de nisy fangignana takagny an-dagnitra takeo amin'ny antsasa-kora takeo.
2
Avy akeo de hitako reo anjely fito ze nitsangana takeo agnatrean'Andriamanitra, ary nomegna trompetra fito zareo.
3
Nisy anjely hafa tonga, nitazogna vilia volamegna fandorôgna ditin-kazo manitra, nitsangana takeo ambonin'ny alitara. Ditin-kazo manitra betsaka no nomegna an'azy mba hagnolorany zany mbamin'ny vavaky ny mpino daôly akeo ambonin'ny alitara volamegna fandorôgna ditin-kazo manitra akeo agnatrean'ny sezam-boninahitra.
4
Ny setrok-le ditin-kazo manitra, miaraka amin'ny vavak-reo mpino, de niakatra takeo agnatrean'Andriamanitra avy amin'ny tagnan'ny anjely.
5
Naka an'le vilia fandorôgna ditin-kazo manitra le anjely ary alitara. Avy akeo natsipiny tamin'ny tany zany, ary nisy kotro-baratra, kotroka, tselatra, ary horohoron-tany.
6
Reo anjely fito ze nagnana reo trompetra fito de niomagna hitsoka izany.
7
Nitsoka ny trompetrany le anjely vôlôny, ary nisy havandra sy afo mifangaro rà. Natsipy taty an-tany zany mba ho may ny ampateon-zany, may ny ampatelon'ny kakazo, ary may avokô reo atra maitso. (Fagnamarihana: Ny sasagny am-reo dikan-teny talô de manala ny hoe: "mba ho may ny ampatelon-zany.")
8
Nitsoka ny trompetrany le anjely faroa, ary nisy rà ôtrany tanety ngeza niretr'afo natsipy teigny an'dranomasina. Lasa rà ny ampatelon'ny ranomasina,
9
maty ny ampatelon'ny ra-manan'aigna akao an-dranomasina, ary rava ny ampatelon-reo sambo.
10
Nitsoka ny trompetrany le anjely fatelo, ary nisy kintana ngeza nilatsaka avy eny an-dagnitra, miretra ôtrany fanilo, tamin'ny ampatelon-reo ony sy lôrano.
11
Ra-mangidy no agnaran-le kintana. Lasa nangidy ny ampatelon-le rano, ary ôla betsaka no maty tam-le rano ze lasa nagidy.
12
Nitsoka ny trompetran-le anjely faefatra, ary niova ny ampatelon'ny masoandro, ôtrany ampatelon'ny volana sy ny ampatelon-reo kintana. No zany de lasa mainty ny ampatelon-reo; tsy nisy hazavagna ny ampatelon'ny andro sy ny ampatelon'ny aligna.
13
Nijery za, ary naeno voro-mahery ze nagnidina takeigny apovôn'ny lagnitra, nagnantso tamin'ny feo mafy hoe: "Loza, loza, loza, ho an'reo ze monigna eny amin'ny tany, nony feona trompetra sisa ze mbola ho tsofin-reo anjely telo."