Toko faha 2

1 Sorato ho an'ny anjelin'ny fiangonana akao Efesosy hoe: "Reto ny teny avy am'le raika ze mitana reo kintana fito amin'ny tagnan-kavanany ary mande akeo am'reo fagnanôvan-jiro volamena fito, 2 "Fantatro ze efa vitanao sy ny asa mafinao ary ny fiaretanao ela. Fantatro fa tsy afaka handefitra amin'ny ôlon-dratsy anao. Fantatro fa notsapainao reo ze milaza an'jareo ho apostoly, nefa tsy zany izy, ary hitanao zareo fa sandoka. 3 Fantatro fa managna faretana anao, ary mijaly mafy nohon'ny amin'ny agnarako, ary tsy magneky resy anao. 4 Nefa manoitra an'nao za satria namela ny fitiavana vôlôny anao. 5 Tsarovo noho zany ny toerana ze nalavo an'nareo mibebà ary magnanôva reo ra ze nataonao vôlôny. Fa raha tsy mibebaka anao, de ho avy aigny aminao za ary hagnala reo fagnanôvan-jironao amin'ny fitôrany. 6 Kanefa zao no ataonao: "Halanao ny ra vitan'ny Nikolaita, ze halako iany kô. 7 Ôka ze manan-tsofigna hitaina ze lazain'ny Fanahy ho an'reo fiangonana. Ho an'le raika ze naresy de ameko alalana hinana ny avy amin'ny kakazon'ny fiaignana, ze akao amin'ny paradisan'Andriamanitra."" 8 Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana aigny Smyrna hoe: "Reto ny tenin'le raika ze vôlôny ary farany, le raika ze efa maty nefa velona ndre: 9 "Fantatro reo fahorenao sy ny fahantranao, nefa manan-karena anao. Fantatro ny fitinenan-dratsy ho an'reo ze milaza ny tegnany fa Jiosy, kanefa tsy zany izy. Synagogan'i Satana zareo. 10 Aza matatra ny am'ze efa hiaretanao. Indro! Ny devoly de hanipy ny sasagny aminareo aigny amin'ny tragnomaizigna mbô ho tsapaina anareo, ary hijaly mandritry ny folo andro anareo. Matokia mandra-pafaty, ka hameko anareo ny satro-boninahitry ny fiaignana. 11 Ze manan-tsofigna ôka izy hitaino ze lazain'ny Fanahy ho an'reo fiangonana. Le raika ze maharesy de tsy ho maratran'ny fafatesana faharoa."" 12 Sorato ho an'ny anjelin'ny fiangonana aigny Pergamosy hoe: "Reto ny tenin'le raika ze managna sabatra roa lela: 13 "Fantatro ze ipetrahanao, de akao amin'ny hitoeran'ny seza fiandrianan'i Satana. Ary am'zao fotôna zao mitana mafy ny agnarako anao. Fantatro fa tsy nandà ny finoanao ny amiko anao, na de tam'reo andron'i Antipasy vavolombeloko aza, ze natoky Anà, ze novonona takeo aminareo, takao amin'ny fitôran'i Satana. 14 Fa manan-teny kely aminao Za: "Misy sasagny aminareo mitàna ny fampenaran'i Balama, ze mampianatra an'i Balaka hametraka fanafitoinana akeo agnolônan'ny Zanak'Israely, mbô hinanan-jareo ny sakafo natao sorona ho an'ny sampy ary ho fijangajangana. 15 Ôtran'zany kô, misy sasagny aminareo ze mitana mafy ny fampenaran'reo Nikolaita. 16 Mibebà, noho zany! Fa raha tsy zany, de ho tonga malaky aigny aminareo Za, ary hifandogna amin'jareo za miaraka amin'ny sabatry ny vavako. 17 Ôka ze manan-tsofigna hitaino ze lazain'ny Fanahy ho an'reo fiangonana. Ho an'reo ze maharesy, hameko ny sasagny am'reo mana misitrika, ary hameko vato fotsy miaraka amin'ny anaram-baovao vôsoratra akeo amin'ny vato, agnarana ze tsy fantatr'ôla afa-tsy ze mandray an'azy iany."" 18 Sorato ho an'ny anjelin'ny fiangonana akao Tyatira hoe: "Reto ny tenin'ny Zanak'Andriamanitra, ze managna maso ôtran'ny lelan'afo ary tongotra ôtran'ny varagna mangilatra: 19 "Fantatro ze vitanao: Ny fitiavanao sy ny finoana sy ny fanomponao ary ny faharetanao. Fantatro fa ze vitanao farany de betsaka noho ze vitanao vôlôny. 20 Kanefa zao no hanoerako an'nao: liferinao le vevavy Zezebela, ze magnantso ny tegnany ho mpaminagny vavy. Amin'ny alalan'ny fampenarany de mamitaka reo mpanomppoko izy mbô hijangajanga sy hinana sakafo atao sorona ho an'ny sampy. 21 Nagnome fotôna mbô hibebany Za, kanefa tsy mety hibebaka ny amin'ny fijangajangany izy. 22 Indro! Hataoko marary akeo am-pandrena izy, ary reo ze mijangajanga miaraka amin'azy de hampahoreko mafy, raha tsy mibebaka amin'ny asa ratsin'le vevavy zareo. 23 Ho vonoko ho faty reo zanagny, ary reo fiangonana daôly de hafantatra fa Za le mahita ny fieritreretana sy fihetsem-po. Hameko araka ny asanareo tsiraikaraika avy anareo. 24 Fa ny amnareo ze sisa akao Tyatira, ze daôly tsy mitàna zao fampenarana zao, sy tsy mahalala ze antsovin'ny sasagny hoe saindalin'i Satana - Zao no lazaiko aminareo hoe: "Tsy vesariko entana hafa anareo." 25 Na zany aza, tsy maintsy mitàna mafy ny finoanareo anareo mandra-peviko. 26 Le raika ze maresy sy ze magnano ze efa vitako hatramin'ny farany, de hameko an'azy ny fahefana amin'ny firenena daôly. 27 Hanapaka akeo amin-jareo miaraka amin'ny tehim-by izy, salan'ny fanorotoro vilany tany no hagnapotena an-jareo. 28 Salan'ny nandrasako avy tamin'ny Raiko, no hagnomezako an'azy kintana maraina iany kô. 29 Ôka le raika ze manan-tsofigna hitaino ze lazain'ny Fanahy ho an'reo fiangonana.""