Toko 1

1 Paoly sy Timoty mpanompnon'Jesosy Kristy, ho an'jareo daôly vôtokana ho an'i Jesosy Kristy ze aigny Filipy, miaraka amin'reo mpiandraikitra sy reo dekôna. 2 Ho aminareo ane ny fasoavana sy fedanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 3 Misaotra ny Andriamanitro za amin'ny fatserovako anareo. 4 Ao amin'ny fivavako ho anareo daôly, de amin'ny fifalena hatraigny no agnanôvako ny fivavako. 5 Magnome fisaorana za non'ny amin'ny fiombonanareo amin'ny filazantsara nanomboka tamin'ny andro vôlôny ka hatram'zao. 6 Matoky an'zao ra zao za, fa Izy ze nanomboka asa tsara taminareo de hanoy sy hagnatanteraka zany hatram'ny andron'i Jesosy Kristy. 7 Fa tsara amina ny matsapa salan'zany, ny amin'ny momba anareo daôly satria akato am-poko anareo. Anareo daôly de mpiara-miasa tamina tamin'ny fasoavana na tamin'ny figadrako sy tamin'ny farôvako na kô tamin'ny fagnamafisana ny filazantsara. 8 Fa Andriamanitra no vavolombeloko, fa manigna anareo lôtra za amin'ny famidram-pon'i Kristy Jesosy. 9 Ary za mivavaka an'zao: mba hitombo hatraigny hatraigny ny fitiavanareo amin'ny falalana sy ny fazavan-tsaigna rehetra. 10 Mivavaka ho an'izany za mba hagneky ze tsara de tsara anareo, mba ho tso-po sy tsisy tsigny amin'ny andron'i Kristy. 11 Mivavaka za mba ho fenon'ny vokatry ny famarinana ze avy amin'i Jesosy Kristy anareo, ho voninahitra sy fiderana an'Andriamanitra. 12 Ary teko ho fantatrareo, ry ralà, fa reo ra ze nitranga tamina de niasa ho amin'ny fampandrosona ny filazantsara tokôtra. 13 Vokatr'zany, ny fatorako akao amin'i Kristy de niariary mazava nagnerana 'reo mpiambin'ny lapa manontolo sy 'reo ô'la hafa. 14 Ny ankamarôn'reo ralà de managna toky gedabe kokoa akao amin'ny Tompo nony fatorakao, ary sahy magnambara tsy amin-tahotra ny tenin'jareo. 15 Ny sasagny aza de mitory an'i Kristy amin'ny fialonana sy fifandirana tokôtra, ary reo hafa kosa amin'ny sitrapo tsara. 16 'Reto farany de magnano zany amin'ny fitiavana, mafantatra fa za napetraka aketo ho fiarovana ny filazantsara. 17 Fa ireto vôlôny de mitory an'i Kristy amin'ny fitiavan-tegna, fa tsy tso-po. Izy iregny de mihevitra fa hagnakorontana ana raha mbôla akao amin'ny fifatorako za. 18 Ino ary? Amin'ny fomba rehetra, na fihatsaram-belatsy na amin'ny famarinana,Kristy no torina, ary mifaly ny amin'izany za. Iôny, ho faly 19 za, fa fantatro fa zany de hiafara amin'ny fanafahana ana amin'ny alalan'reo vavakareo sy ny fagnam-pen'ny Fagnan'i Jesosy Kristy. 20 Zany de araky ny fiandrasako fatratra sy ny antoka fa za de tsy ho megnatra miintsy, ary mbôla amin'ny fasahina rehetra ihany, am'zao fotôna zao ôtran'ny hatrizay, de hisandratra akato amin'ny tegnako Kristy, na amin'ny fiaignana na amin'ny fafatesana. 21 Ho ana ny hoe: miaigna de Kristy ary ny hoe: maty de tombony. 22 Fa raha miaigna amin'ny nofo za, de midika asa mavokatra ho ana zany. Kanefa ino no ho fidiko? Tsy haiko. 23 Fa vôtery mafy akeo agnelagnelan'izy rôy za. Ny fagniriko de ny hande ary hiaraka amin'i Kristy, ze tsara lavitra, 24 kanefa ny mipetraka akao amin'ny nofo de ilaina kokoa nony anareo. 25 Resy latra ny amin'zany za,de fantatro fa hitoetra sy hanoy hiaraka aminareo daôly za, ho an'ny fandrosonareo sy fifalena akao amin'ny finona. 26 Mba ho akao aminà de hanagna antony irerehana akao amin'i Kristy Jesosy anareo rafa miverigna akaigny aminareo ndre za. 27 Mitondrà tegna amin'ny fomba mendrika sy filazantsaran'i Kristy, ka na tonga hitazagna anareo za na tsy akeo, de afaka ny hareigny momba an'nareo, amin'ny saigna raika miara-miezaka ho an'ny finona ny filazantsara. 28 Ary aza mety ampitahôrin'ireo ze fahavalonareo. Mariky ny fapoten'jareo zany, fa mariky ny famonjena anareo kosa ary zany de avy amin'Andriamanitra. 29 Fa namena anareo zany, ho an'i Kristy, tsy hoe: mba hinona an'Azy fôgna, fa hifalena ho an'Azy kô, 30 fa anareo de managna ady mitovy amin'ze itanareo taminà, ary ze reigninao aminà amin'zao fotôna zao .