Toko 1

1 Paoly, vôgadra an'i Jesosy Kristy, sy ny rahala Timoty ho an'i Filemona, namana malalanay sy mpiara-miasa aminay, 2 ary ho an'i Apia anabavinay, sy Arikipo miaramila namanay, ary ho an'ny fiangonana ze miangona akao an-dragnonao. 3 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 4 Misaotra an'Andriamanitra hatrainy za. 5 Manognona an'nao za amin'ny fivavahako. Efa nareigny ny amin'ny fitiavana sy ny finoana ze anananao akao am' Jesosy Tompo ary ho an'reo mpino daôly za. 6 Mivavaka za mbô hatonga ny fiombonana amin'ny finoanao hahomby amin'ny falalana ny ra tsara daôly ze eo amitsika akao amin'i Kristy. 7 Fa nanagna fifaliagna sy fiononana gedabe za nohon'ny fitiavanao, satria ny finoan'reo mpino de novelombelomina tamin'ny alalanao, ry rahala. 8 Noho zany, na de managna fasahina daôly akao amin'i Kristy aza za handidy an'nao mbô hagnano ze tokony hataoao, 9 nefa nohon'ny fitiavana, de miantso an'nao kosa za - za, Paoly, leila antitra, ary am'zao fotôna zao de gadra ho an'i Jesosy Kristy. 10 Mangataka an'nao za ny amin'ny zanako Onesimosy, ze naterako tamin'ny fatorako. 11 Fa izy de tsy mahasoa an'nao takeo aloha, fa am'zao fotôna zao izy de mahasoa an'nao sy za. 12 Nalefako niverigna ho aigny aminao izy, izy le teko tokôtra. 13 Magniry ny hahita an'azy miaraka aminà za, mbô afahany manompo anà ho an'nao, raha mbôla vôfatotra nohon'ny filazantsara za. 14 Nefa tsy te hagnano na ino na ino raha tsisy ny fanekena anà. Tsy teko an-kaneriterena ny asa soa ataonao fa an-tsitrapo. 15 Angamba noho zany nnoo nisarahany taminao nandritra ny fotôna fohy, mbô hanagnanao an'azy mandrakizay. 16 Tsy ho andevo fôgna izy, fa tsara mihôtra nohon'ny andevo, de rahala malala. Izy no malala ndrindra aminà, ary mihôtra lavitra ho an'nao, na akao amin'ny nofo na akao amin'ny Tompo. 17 Ka raha managna anà ho mpiara-miasa anao, de raiso sala anà izy. 18 Raha magnano ny tsy manjary izy na mitrosa na ino na ino aminao, de ataovo ho anà zany. Za, Paoly, manoratra zao amin'ny tagnako: 19 Za no hagefa aminao. Tsy milaza aminao hoe mitrosa ny tegnanao aminà anao. 20 Yôny, ry rahala, ataovo mahazo tombony akao amin'ny Tompo za; ameo fitsaharana ny foko akao amin'i Kristy. 21 Ny toky momba ny fanekesanao, no soratako ho an'nao. Haiko fa hagnano mihôtra noho ze angatahako anao. 22 Mandritra zany fotôgna zany iany, omano ho anà ny efitra fandraisam-bahiny, fa magnantena za fa amin'ny alalan'ny vavakao de hiverina aminao ndraika za. 23 Epafra, namako mpiara-migadra akao amin'i Jesosy Kristy, magnano veloma an'nao. 24 Salan'zany kô Marka, Aristarko, Demasy ary Lioka, mpiara-miasa aminà. 25 Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompotsika. Amena