Toko 1

1 Ny Bokin'ny razagn'i Jesosy Kristy zanak'i Davida zanak'i Abrahama. 2 Abrahama no dadan'i Isaka, ary Isaka no dadan'i Jakoba, ary Jakoba no dadan'i Joda sy reo rahalany. 3 Joda no dadan'i Fareza sy Zara avy tamin'i Tamara, Fareza no dadan'i Herzona, ary Herzona no dadan'i Rama. 4 Rama no dadan'i Aminadaba, ary Aminadaba no dadan'i Nasona, ary Nasona no dadan'i Salmona, ary Salmona no dadan'i Boaza tamin'ny 5 Rahaba, Boaza no dadan'i Obeda tamin'ny Rota, Obeda no dadan'i Jese. 6 Ary Jese no dadan'i Davida mpanjaka, ary Davida no dadan'i Solomoa tamin'ny alalan'ny vadin'ny Oria. 7 Solomona no dadan'i Rehoboama, Rahoboama no dadan'i Abia, ary Abia no dadan'i Asa. 8 Asa no rain'i Josafata, ary Josafata no dadan'i Jorama ary Jorama no razan'i Ozia. 9 Ozia no dadan'i Jotama, Jotama no dadan'i Ahaza, Ahaza no dadan'i Hezekia. 10 Hezekia no dadan'i Manse, Manase no dadan'i Josia. 11 Josia no razan'i Jekonia sy reo rahalany tamin'ny fotôgnan'ny fandroasana ho aigny Babylona. 12 Tafaran'ny fandroasana ho aigny Babylona, de Jekonia no dadan'i Sealtiela, ary Sealtiela no razan'i Zerobabela. 13 Zerobabela no dadan'i Abihoda, Abihoda no dadan'i Azora. 14 Azora no dadan'i Zadoka, Zadoka no dadan'i Akima, ary Akima no dadan'i Elihoda. 15 Elihoda no dadan'i Eliazara, Eliazara no dadan'i Matana, ary Matana no dadan'i Jakoba. 16 Jakoba no dadan'i Josefa ze vadin'i Maria, le niteraka an'i Jesosy, ze natsovina hoe Kristy. 17 Ny taranaka daôly nanomboka amin'i Davida de taranaka efatra-mbefolo, manomboka amin'i Davida ka hatraigny amin'i fandroasana ho aigny Babylona de taranaka efatra-mbefolo, ary manomboka amin'ny fandroasana ho aigny Babylona ka hatraigny amin'i Kristy de taranaka efatra ambefolo. 18 Ôtran-zao no nitrangan'ny faterahan'i Jesosy Kristy. Ny mamany, Maria, de efa natokana hanambady an'i Josefa, saingy talôn'ny neran-jareo, de tazagna fa bevoka avy tamin'ny Fagna Masina izy. 19 Josefa, vadiny, de leila marina, no sady tsy te hanala baraka an'azy amason'ôla. Ka nanapa-kevitra izy ny hamarana mangingina ny fifanekeny tam'azy. 20 Ary raha mbola izy nieritreritra mikasika reo ra reo, de nibôgna tam'azy tamin'ny nofy ny anjelin'ny Tompo, magnano hoe: "Josefa, zanaka làn'i Davida, aza matatra ny hanam-bady an'i Maria ho vadinao, satria le raika ze notorotoronina akao agnatiny de ny Fagna Masina no nabevoka an'azy. 21 Hiteraka Leila kely izy, ary enao agnatso ny agnarany hoe JESOSY, fa Izy no hamonjy ny ôlony hiala amin'ny fahotan- jareo." 22 Zany daôly zany de nitranga mba hatateraka ze nambaran'ny Tompo tamin'ny alalan'le mpaminagny, magnano hoe: 23 "Indro, ny virijiny ho bevoka ka hiteraka Leila kely, ary zareo hagnatso ny agnarany hoe Imanoela"_ze midika hoe: "Am-tsika Andriamanitra." 24 Nifô tamin'ny torimasony Josefa ary nagnano arak-ze nandidin'ny anjelin'ny Tompo an'azy ary naka an'azy ho vadiny. 25 Saingy tsy niray tam'azy izy mandra-piterany leila kely. Ary nantsoviny hoe JESOSY ny agnarany.