Toko 1

1 Betsaka reo niezaka nanoratra tantara mikasika an'reo ra-nitranga ze tanteraka teto amintsika, 2 araka ze efa nagnoloran'jareo an'azy tamintsika, ze efa vavolombelona nagnatri-maso sy mpanompn'ny teny hatraigny am-pendohana. 3 Ary aminà ihany fôgna de ôtran'manjary rafa nagnadiady tsara ny fandean'ny ra daôly hatramin'ny vôlôny - ny hanoratra tatitra araka ny filaharany ho an'nao, ry Teofilo mendrika indrindra. 4 Zany de mba halalanao ny marina momba an'reo ra ze nampenarina an'nao. 5 Tamin'ny andron'i Heroda, mpanjakan'ny Jodia, de nisy raika tamin'ny mpisorogna antsovina hoe Zakaria, avy amin'ny antokon'i Abia. Ny vadiny de avy amin'ny zanaka vavin'i Arona, ary ny agnarany de Elizabeta. 6 Samy marina teo agnatrehan'Andriamanitra zareo, ary nankato reo didy sy fitsipiky ny Tompo daôly. 7 Fa tsy nanan-janaka nefa zareo, satria tsy miteraka i Elizabeta, ary samy efa tegna antitra izy rôy reo tam'zany fotôna zany. 8 Ary zany de makasika an'i Zakaria teo fagnatrehan'Andriamanitra, nanatanteraka reo asan'ny fisorognana araka ny fifandimbiasan'ny isan-tokony. 9 Araka ny fomba fagnôn'jareo ny amin'ny fisafidianana mpisorogna ze tokony hanompo, de vôfidin'ny kodia kely hiditra handoro ny emboka magnitra akao an-tempolin'ny Tompo izy. 10 Tamin'ny ora nandorona ny emboka magnitra de nivavaka tegny ambelany ny vahôka daôly. 11 Ary nisy anjelin'ny Tompo nibôgna tamin'azy ary nitsangana teo ankavanan'ny alitara nisy ny emboka magnitra. 12 Rafa natazagna an'azy i Zakaria, de lasa natatra ary tegna natatra izy. 13 Fa ozy ny anjely tamin'azy: "Aza matatra, ry zakaria, efa nenoko ny vavakao. Hitoe-jaza là aminao Elizabeta vadinao. Jaona no ataonareo agnarany. 14 Hanam-pifalena sy haravôna enao, ary betsaka kô ny ho faly amin'ny faterany. 15 Satria ho leibe izy akeo amason'ny Tompo. Tsy hisotro dovay na zava-pisotro mamamo miitsy izy, ary ho feno ny Fanahy Masina hatraigny an-kibon-dreniny izy. 16 Betsaka amin'ny vahôkan'Israely no hitodika amin'ny Tompo Andriamanitr'izy reo. 17 Hande akeo agnolohan'ny tavan'ny Tompo amin'ny fagna sy ny herin'Elia izy. Zany no atôny de ny mba hitodihan'ny fon'ny ray amin'ny zanaka, mba handehanan'reo ze tsy mankatô amin'ny lalan'ny fahendren'ny marina - mba hagnomanana vahôka efa vognona ho an'ny Tompo no homanina ho an'Azy. 18 Ary Zakaria niteny tam'le anjely hoe: "Ahôna no afatarako an'zany? Fa za efa anti-dà ary ny vadiko de tegna efa antitra." 19 Ary ozy le anjely namaly sy niteny tamin'azy: "Za no Gabriela, le mitsangana akeo agnatrehan'Andriamanitra. Ary vôiraka za mba hilaza aminao, hitondra vaovao tsara aminao. 20 Ka zao! Ho môna enao, ka tsy afaka hiteny, mandra-peven'ny andro hibôgnan'reo ra reo. Satria tsy nino ny teniko enao. ze tsy maintsy tanteraka amin'ny fotônany." 21 Ary ny vahôka d'efa niandry an'i Zakaria. Gaga non'ny fijanonany maharitra tao an-tempoly. 22 Fa rafa nivôka izy, de tsy afaka niresaka tam'jareo. Ary fantatr'reo fa nahita fahitana izy tao an-tempoly tao. Nagnano baiko môgna tam'reo izy ary nijanona ho môgna. 23 Ary rafa tonga ny andro ataperan'ny fagnompôny, de lasa nody taigny an-tranony izy. 24 Tafaran'reo andro reo, de bevoka Elizabeta ary nisitrika nandritry ny dimy volana. Ozy izy hoe: 25 "Zao no naton'ny Tompo ho anà rafa nitsinjo anà Izy mba hagala ny henatro akeo agnatrehan'ny ôla." 26 Teo amin'ny faha enim-bolana, de nirahin'Andriamanitra ny anjeliy Gabriela nankaigny amin'ny tanàna raika tao Galilia antsovina hoe Nazareta, 27 ha aigny amin'le virjiny raika ze vadina leila antsovina hoe Josefa. Agnisan'ny taranak'i Davida izy, ary ny agnaran'le virjiny de Maria. 28 Nankeo amin'azy izy ary nitare hoe: "Arahaba, ry le nohasoavina indrindra! Ny Tompo ho akao aminao." 29 Fa tegna very hevitra tamin'ny teniny izy nagnotany tegna hoe karazana ferabana ôtran'ino kô zany. 30 Ozy le anjely tamin'azy: "Aza matatra, ry Maria fa efa nahita sitraka tamin'Andriamanitra enao. 31 Ka ho bevoka enao ka hiteraka zazalà. Ary ny agnarany de antsovinao hoe: "JESOSY." 32 Ho leibe Izy ary ho antsovina hoe Zanaky ny Avo Indrindra. Ny Tompo Andriamanitra hagnome an'Azy ny seza fendrianan'i Davida razambeny. 33 Ary hanjaka mandrakizay amin'ny tarank'i Jakoba izy, ary tsy hanam-pataperana ny fanjakany.' 34 Ozy Maria tamin'le anjely: "Ahôna no hatonga an'zany, fa za nge mbola tsy niara-natory tamina leila e?" 35 Ny anjely namaly sy nitare tamin'azy hoe: "Hirotsaka aminao ny Fanahy Masina, ary ny herin'ny Avo Indrindra no ho avy akao aminao. Ka le masina ho teraka de ho antsovina hoe Zanak'Andriamanitra. 36 Io Elizabeta havanao de bevoka là kely ihany kô na de tamin'ny faterany aza. Efa enim-bolana ny an'azy io zao, izy le nantsovina hoe momba. 37 Satria tsisy ra tsy azo tanterahana amin'Andriamanitra." 38 Ozy i Maria: "Io za no mpanompovavin'ny Tompo. Aoka ho tanteraka aminà zany araka ny hafatrao." Ary niala teo amin'azy le anjely. 39 Ary tam'zany andro zany i Maria de nande malaky nankaigny amin'ny tany ambony, aigny amin'ny tanànan'i Jodia. 40 Nankaigny amin'ny tranon'i Zakaria izy ary nerahaba an'i Elizabeta. 41 Ary nony nareigny ny feraban'i Maria i Elizabeta, de nikofoka ny zaza takoa an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina Elizabeta. 42 Nanandram-peo sy nitare mafy izy hoe: "Nosoavina nony vevavy daôly enao, ary nosoavina ny nateraky ny kibonao. 43 Nagnino zany no mitranga aminà fa le renin'ny Tompo no tonga hagnatona anà? 44 Fa io, rafa tonga teo an-tsofiko ny ferabanao, de nentan-kafalena ny zaza akato an-kiboko. 45 Sambata izy ze nino fa ho tanteraka re ra ze nolazain'ny Tompo tamin'azy." 46 Ozy i Maria: "Midera ny Tompo ny fagnako, 47 ary ny fagnako nifaly takao amin'Andraimanitra mpamonjiko. 48 Fa nijeray ny fantran'ny mpanompo vaviny Izy. Ary io fa manomboka zao ny taranaka daôly hiantso anà hoe sambatra. 49 Satria nagnano ra geda be taminà le mahefa ny ra daôly, ary masina ny agnarany. 50 Fa maharitra ho an'ny taranaka faramandimby ze matatra an'Azy ny famindram-pony. 51 Nampibôgna ny heriny tamin'ny sandriny izy; ary nanaparitaka reo ze nirehareha tamin'ny eritreritry ny fon'jareo. 52 Naongany tamin'ny seza fendrianany ny zanaka lahin'ny mpanjaka ary reo ambany nasandrany. 53 Natôgny voky zava-tsoa reo nôgna, fa ny mpanan-karena natao tsy nanagna na ino na ino. 54 Nagnome fanampiana an'Israely mpanompony Izy, mba hatserovany haneho famindram-po 55 (araka ny nolazainy tam'reo raintsika) tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay." 56 Nijanona nitôtra tao amin'i Elizabeta teo amin'ny telo volana i Maria ary avy akeo niverigna nody taigny an-dragno izy. 57 Ary tonga ny fotôna hiterahan'i Elizabeta ny zanany ary niteraka zazalà izy. 58 Nareigny ny famindram-po gedabe nataon'ny Tompo tamin'ny reo mpiara-monina amin'azy sy reo havany, ary niara-paly tamin'azy zareo. 59 Ary tamin'ny andro fahavalo de tonga hamora zaza zareo. Saika ho antsovin'jareo hoe "Zakaria," araka ny agnaran-drainy izy. 60 Fa ny reniny kosany namaly ary nitare hoe: "Tsia". Jaona no hentsovana an'azy." 61 Ary ozy reo tamin'azy. "Tsisy agnarana akao amin'ny havanao ne zany e." 62 Nagnano baiko môgna tamin'ny rainy izy reo ny amin'ny tenay hatao agnarany. 63 Nangataka solaitra fagnoratana ny rainy ary nanoratra hoe: "Jaona no agnarany." Ary de gaga tamin'zany izy daôly. 64 Ary niaraka tam'zay de nisokatra ny vavany ary nafahana ny lelany. Niteny izy ary nidera an'Andriamanitra. 65 Tonga teo am'reo nagnodidina an'azy reo daôly ny tatra. Ary niparitaka eraky ny tanànan'i Jodia ny zava-niseho daôly teo. 66 Ary reo nareigny de nandray tao am-pony, ary nilaza hoe: "Ho lasa ino ary ty zaza ty?" Fa momba an'azy ny tagnan'ny Tompo. 67 Ary feno ny Fanahy Masina i Zakaria rainy ary naminany, ka nilaza hoe: 68 "Deraina ane ny Tompo, Andriamanitr'Israely, fa tonga nanampy sy nanatanteraka ny fanafahana ho an'ny vahôkany Izy. 69 Nanandratra avo ny tandrom-pagnavotana akao an-dragnon'i Davida mpanompony Izy, 70 salan'ze nolazain'ny tamin'ny vavan'reo mpaminagny masina tamin'ny andro talô taigny. 71 Hitondra famonjena amin'ny favalontsika sy amin'ny tagnan'reo mankahala antsika Izy. 72 Zany no hataony de ny mba hampibôgna ny famindram-po am'reo raintsika sy hampatsehivana ny fagnekem-pihavanany Masina, 73 de le fiaignana nolazainy tamin'i Abrahama raintsika. 74 Niniana ny hazontsika, daôly afaka tamin'ny tagnan'ny favalontsika, manompo an'Azy tsy am-tatra, 75 am-pamasinana sy am-pamarinana akeo agnatrehany amin'ny androntsika daôly. 76 Enao ry zaza de antsovina hoe mpaminagn'ny Avo Indrindra, fa hande helôha ny tavan'ny Tompo enao ary hagnambôtra ny lalany, mba hagnomana ny ôla ny amin'ny feviny, 77 mba hagnome falalam-pamonjena ho an'ny ôla amin'ny alalan'ny famelana ny helok'izy reo. 78 Zany no hibôgna de non'ny famindram-po masin'ny Andriamanitsika, non'ny am'zany no hiposahan'ny masoandro avy amin'ny avo mba ho avy hanampy antsika, 79 hanazava an'reo ze mipetraka akao agnatin'ny haizina sy reo akao agntin'ny aloky ny fafatesana. Hataony zany mba hitarihana ny tongotsika amin'ny lalam-pedanana." 80 Ary ny zaza de nitombo ary tonga nahery amin'ny fagna, ary taigny an'efitra izy mandra-pevin'ny andro hibôgnan'ny ankarihary amin'Israely.