Toko 1

1 Joda, mpanompon'i Jesosy Kristy raika, rahalan'i Jakoba, ho an'reo ze antsovina hoe, malala akao amin'Andriamanitra le Ray, sy vôtahiry ho an'i Jesosy Kristy. 2 Hampitomboina ho aminareo anie ny famindram-po sy ny fedanana ary ny fitiavana. 3 Ry malala, raha igny nagnano ny ezaka hanoratra ho an'nareo ny makasika ny famonjena hiombonantsika igny za, de nanoratra ho an'nareo za mba hanosika an'nareo hiady mafy ho an'le finona ze efa natolotra ho an'reo mpino. 4 Fa ho an'ôla sasagny nisisika antsokosoko akeo aminareo. Reo de ôla vômarika ho an'ny fagnamelohana. Reo de ôla ratsy fagna ze manivateva ny fasoavan'Andriamanitra ho aigny amin'ny fijejojejona, ary de mandà ny Andriana sy ny Tompo tokantsika de Jesosy Kristy. 5 Am'zao za de te hampatsiaro an'nareo na de efa fantatrareo tanteraka ary zany fa ny Tompo de nagnavotra ny ôla avy tao amin'ny tany Egypta, fa tafaran'zany de naripagny daôly ze tsy nino. 6 Ary reo anjely ze tsy nitana ny fahefana ze napetraka tam'jareo, fa ze niala ny fonenan'jareo - Andriamanitra de namatotra an'azy reo tamin'ny fatorana mandrakizay, akao amin'ny maizin-kitroka tanteraka, ho amin'ny andron'ny fitsarana leibe. 7 Salan'i Sodoma sy Gomoro sy reo tanàna magnodidina an'jareo, ze nagnolotra ny tegnan'jareo ho amin'ny fijangajangana sy ny fagnanôvana filana tsy ara-bôjanahary. De natao ôtra am'reo ze mijaly amin'ny fagnasazena aigny amin'ny afo mandrakizay izy reo. 8 Kanefa ôtran'zany ihany, reo mpanofinofy reo de mandoto ihany kô ny vatan'jareo, ary miteny ra ratsy manohitra an'reo manam-boninahitra. 9 Fa na de Mikaela arikanjely aza, rafa niady tamin'ny devoly sy nifanditra tamin'azy ny amin'ny fatin'i Mosesy, de tsy sahy niteny ratsy hagnameloka an'azy. Fa ozy kosany izy hoe: "Hagnanatra an'nao ny Tompo!" 10 Fa reo ôla reo de miteny ratsy ny ra daôly tsy fantany. Ary ze fantany ôtran'ny falalan'ny biby tsy manan-tsaigna, zany no manimba an'azy reo. 11 Loza ho an'azy reo! Fa raha nandeha tao amin'ny tanànan'i Kaina zareo, ary nanaraka ny fadisoan'i Balama hahazoana tamby. De ripaka tao amin'ny fikomian'i Kora zareo. 12 Reo daôly le ôla ze harambato misitrika akao amin'ny ahanim-pitiavanareo. Minana am-pamegnarana, mamoky ny tegnan'jareo ihany. Izy reo de rondro tsisy rano, ndesin'ny rivotra. Kakazo fararano tsisy vôny - indrôy maty, niala fakany. 13 Izy reo de onjan-dranomasina mahery, mitopatopa mamorivory ny famegnaran'jareo. Kintana mirenireny zareo, ka vôtahiry ho an'azy mandrakizay ny famaintisan'ny maizina. 14 Ary Enoka, le faha fiton'i Adama, de efa naminagny momba an'reo, niteny hoe: "Indro! Ho avy ny Tompo miaraka am'reo masina amagn'alinalina. 15 Ho avy Izy mba hagnatanteraka ny fitsarana ny ôla daôly. Ho avy Izy hampieky ny ôla ratsy fagna daôly tamin'ny asa vitany tamin'ny haratsem-pagnany, ary reo teny mafy daôly ze nolazain'ny ôla ratsy fagna hanohitra an'Azy." 16 Reo de mpimonomonona, sy mpimenomenona, ze magnaraka ny filan-dratsin'jareo. Izy reo de mpieboebo fatratra, ze non'ny tombontsoan'jareo manokana, de mandoka ny hafa. 17 Fa nareo, ry malala, tadidio reo teny ze notenenin'reo apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika talô. 18 Ozy zareo taminareo: "Fa amin'ny andro farany de hisy mpaniratsira ze hanaraka ny filan'ny haratsem-pagnany." 19 Reo ôla reo de mitarika fisarana. Izy reo de ôla araka ny nofo, ary tsy managna ny Fagna. 20 Fa nareo ry malala, miorena tsara akeo amin'ny finonareo masina indrindra, ary mivavaha amin'ny Fanahy Masina. 21 Mitôra nareo akao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, ary andraso ny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompontsika ze mitondra an'nao ho amin'ny fiaignana mandrakizay. 22 Mamindrà fo am'reo ze misalasala. 23 Vonjeo ary tariho hiala amin'ny afo ny ôla sasagny. Ary ny sasagny indre amindrao fo amin-tatra. Mankahalà na de hatramin'ny akanjo nolotovin'ny nofo aza. 24 Ary ho an'ze miaro an'nareo mba tsy ho tafitohina, ary hatonga an'nao hijoro akeo agnatrehan'ny voninahiny, tsy misy tsigny ary am-pifalina leibe, 25 amin'Andriamanitra tokana Mpamonjintsika tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra, ny falebiazana, ny fahefana sy ny hery, talohan'ny fotôna daôly, am'zao fotôna zao ary mandrakizay. Amena.