Toko 1

1 Paoly Apôstôly_ tsy Apôstôly avy amin'ny ôla na tamin'ny ôla, fa avy amimin'i Jesôsy Kristy sy le Andremagnitra ray, ze nanangana an'Azy tamin'ny maty_ 2 ary reo ralà daôly niaraka aminà, ho an'ireo Fiangonan'ny Galatiana: 3 Fahasoavana ho aminareo ary fedanana avy amin'Andre,agnita Raintsika sy Jesôsy Kristy Tompo, 4 ze magnolotra ny tegnany ho an'ny fahotantsika mba hagnafahany an'tsika amizao andron'ny faharatsiana zao, ho 5 Azy ane ny voninatra mandrakizay doria. Amena. 6 Gaga za ho niala faigana tamin'le niantso anareo tamin'ny faasoavan'i Kristy anareo. Gaga za fa nitodika ho amin'ny Filazantsara hafa anareo. 7 Tsy midika akôry zany fa misy Filazantsara hafa fa misy ôla maomaro ze mitôndra fikorontagnana ho an'nareo ary te hagnova ny Filazantsaran' i Kristy. 8 Fa na zahay na anjely avy agny an-dagnitra aza no hitory Filazantsara hafa aminareo no ze notorinay taminareo, de ôka izy ho ovoaozogna. 9 Araka ze nolazainay talôha, de amin'izao za manambara ndre hoe: "Ra misy ôla magnambara aminarei Filazantsara hafa noho ze niraisinareo, de ôka izy ho vôozogna". 10 Mo ve za zao lmiakaraka ny fagnamarinan'ny ôla sa Andremagnitra? Mo ve za mikaraka ze hampifaly ny ôla? Ra mbôla manoy miezaka ampifaly ôla za, de tsy mpa,ompon'i Kristy. 11 Fa teko ho fantatrareo, ry ralaiko; fa ny Filazantsara ze ,nambarako se tsy Filazantsarna'Ölombela. 12 Tsy mandray an'izany tamin'ôla za, na nampenarina anà zany. Fa zany de Fagnambaran'i Kristy Jesôsy taminà. 13 Fa anareo naregny ny amin'ny fiaignako talô tamin'ny tamin'ny fomba fivavahana Jiosy, sy ny bagninjeko ny Fiangonan'Andemagnitra miôtra n tokony ho izy ary ny fikezako handroba an'izany. 14 Nandroso tamin'ny fivavahana Jiosy za miôtra ny maro tam'reo mitovy taona taminà, avy tamin'ireo raika firenena taminà. Sahala amizany ny fômba nitanako mafy ireo fomban-drazako. 15 Kanefa Andremagnitra, ze nanokana anà hatrigny an-kibon-dreniko, ary niantso anà tamin'ny alalan'ny fahsoavany. 16 Rafa faly ny hampibôgna ny zanagny laila tamina, mba afaka magnambara Anazy aigny amin'ny Jentilisa, se tsy nak saigna tamin'ny nofo sy ny rà avy hatraigny za. 17 Tsy niakatra taigny Jerosalema ho aigny ami'reo efa lasana Apostoly talôko za. Fa kosa, nande taogny Arabia ary avy akeo niveigna taigny Damaskôsy za. 18 Ry telo tgaona tafara de niakatra taigny Jerosalema mba hifankafantatra tamin'ny Kefasy za avy nojanona niaraka taminazy naandritra ny dimy abefolo andro. 19 Fa tsisy tazako reo Apostoly ankôtran'i Jakoba, le ralain'ny Tompo. 20 Ary akao am'ze soratako ho an'nareo , de magnome toky an'nareo za akeo agnatrhan' Andremagnitra , fa tsy mandainga za. 21 Avy takeo za de nande taigny amin'ny faritr'i Syria sy Kilikia. 22 Tsy mbôla fantatra takeo am'reoFiangonan'i Jodia ze akao ami' Kristy. 23 Regnin-jareo fôgna ze vôlazako hoe: " Le leila ze nangnenika an'tsika talôha izao de magnambara le magnambara le finoana ze nezany nopotena talô". 24 No izany zareo de nidera an Andemagnitra noho ny aminà.