Toko faha 2

1 Ary ny momba an'nareo, de maty takao agnatin'ny fadisonareo sy ny fahotanareo nareo. 2 Takao am-regny fahadisona regny no niaignanareo talô araka ny fomban-zao tontolo zao. Niaigna araka ny mpanapaka reo fahefana aigny amin'ny rivotra anareo, le fagnan-ze miasa akao am-reo zanaky ny tsy fagnekena. 3 Niaigna takeo am-regny ôla regny avokoa tsika talô, nagnatanteraka reo filan-dratsin'ny nofontsika, ary nagnatanteraka ny fagnirian'ny nofo sy ny saigna. Efa voahary ho zanaky ny fahasosena, salan'ny zanak'olombelona sisa tsika. 4 Saingy manan-karena famindram-po Andriamanitra no le fitiavany gedabe ze nitiavany antsika. 5 Tamintsika mbola maty takao agnatin'ny fadisoana, de novelominy niaraka tamin'i Kristy, tamin'ny fasoavana no namonjena an'nareo. 6 Niara-natsangan'Andriamanitra tsika, ary niara-napetragny takao an-dagnitra akao amin'ny Kristy Jesosy, 7 mba afany mampibôgna antsika amin'ny vanim-potôgna ho avy hagedan'ny haren'ny fasoavany ze tsy azo refesina abôgna amin'ny hatsaram-pagnany amintsika akao amin'i Kristy Jesosy. 8 Fa tamin'ny fasoavana no namonjena an'nareo tamin'ny alalan'ny finona, ary tsy avy aminareo izany, fa fagnomezan'Andriamanitra. 9 Tsy avy amin'ny asa ny fasoavana mba tsisy hieboebo. 10 Fa asan'Andriamanitra tsika, noforonina takao amin'i Kristy Jesosy mba hagnano asa ze fandaharan'Andriamanitra efa ela ho antsika, mba handehanantsika akao am-reo. 11 No 'zany tadidio fa Jentilisa takao amin'ny nofo nareo talô. Nareo de antsovina hoe "tsy vôfora" akeo am-reo ze antsovina hoe "vôfora" akao amin'ny nofo natôn'ny tagnan'olombelona. 12 Satria mbola tafasaraka tamin'ny Kristy nareo tam-zany fotôgna zany. Mpivahiny nareo takeo amin'ny vahôkan'ny Israely. Ary vahiny tamin'ny faneken'ny fampagnantenana anareo. Tsy mbola nagnana fagnantenana ny amin'ny ho avy nareo. Tsy niaraka tamin'Andriamanitra anareo teto am-zao tontolo zao. 13 Fa am-zao fotôgna zao akao amin'i Kristy Jesosy nareo ze lavitra an'Andriamanitra talô de nampanakekeziny tamin'ny ràn'i Kristy. 14 Satria Izy no fevanantsika. Izy no natonga ny ro ho raika. Tamin'ny nofony no nandrodagnany ny rindrign'ny fanoherana ze nampizaraza antsika. 15 'Zany hoe, nofoagnany ny lalàn'ny didy sy ny fitsipika mba hagnaovany olom-baovao raika akao amin'Azy, sy mba hagnanôvany fampevanana. 16 Kristy de mampihavana ny vahôka ro tonta ho vatagna raika amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny hazofijaliana, ka mamono ny fanoherana. 17 Fa tonga Jesosy ary nitory fihavanana ho an'nareo ze lavitra ary fihavanana ho an'reo ze akaiky. 18 Fa amin'ny alalan'i Jesosy no hanagnantsika ro tonta fifandraisana amin'ny Fagna raika mankaigny amin'ny Ray. 19 No 'zany, tsy vahiny sy mpivahiny fogna anareo Jentilisa zao. Fa vô maika aza mpiray firenena miaraka am-reo ze olo-masin'Andriamanitra. 20 Efa naorina takeo amin'ny fototra fagnorenan-reo apostoly sy reo mpaminagny nareo, ary Kristy Jesosy miintsy no vato fehizoro. 21 Akao Aminy no hikambanan'ny fagnorenana daôly ary hitomboany salan'ny tempoly akao amin'ny Tompo. 22 Akao Aminy iany no hagnanganana anareo miaraka ho fitoerana ho an'Andriamanitra akao amin'ny Fagna.