Toko faha 2

1 Rafa tonga ny andro Pantekosta, de niangona tam'tôrana raika zareo daôly. 2 Tampoka takeo avy taigny an-dagnitra nisy feo ôtran'ny rivotra mahery nifofofofo, ary nameno ny tragno iray manontolo ze nentôran-jareo. 3 Nisy afo nendrika lela maro ze nizarazara, ary nipetraka tambonin-jareo tsiraikaraika avy. 4 Izy daôly de feno ny Fanahy Masina ary nanomboka niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araky ny namen'ny Fanahy Masina hitenenan-jareo. 5 Ary nisy Jiosy ze nipetraka tao Jerosalema, ôlon'Andriamanitra, avy amin'ny firenena daôly ambanin'ny lagnitra. 6 Rafa naregny an'zany feo zany reo vahôka de nitarognona, sady sahiran-tsaigna satria ny tsiraikaraika de samy naregny an-jareo nitare tam'fiteniny avy. 7 Zareo de magnana sy gaga; nitare hoe: "Marina, fa tsy reo daôly mitare reo ma no Galiliana? 8 Nagnino no maregny an-jareo tsika, amin'ny fitenintsika tsiraikaraika avy ze nahageda an'ntsika? 9 Partianina sy Medianina ary Elemita, ary reo ze mipetraka aigny Mesopotamia, aigny Jodia sy Kapadokia, aigny Ponto sy Asia, 10 Frygia sy Pamfylia, aigny Egypta ary Libya hatraigny am'Kyrena, ary reo mpitsidika avy aigny Roma, 11 Jiosy sy Proselyta, Kreatana sy Arabo, de reignintsika mikoragna am'fitenintsika mikasika ny aza gedabe ataon'Andriamanitra. 12 Zareo de gaga ary sahiran-tsaigna; ary nifampiresaka zareo hoe: "Ino no dikan'zany?" 13 Fa reo sasagny nagneso sady nitare hoe: "Izy reo de mamon'ny divay vaovao." 14 Fa i Petera nitsangana niaraka tam'izy raika ambefolo, nampiakatra ny feony ary nilaza tam-jareo hoe: "Ry leilan'i jodea sy anareo daôly ze mipetra aketo Jerosalema, ôka ho fantatrareo zao, tandremo reo teniko. 15 Tsy mamo araka ze heverinareo zahay fa vao ora fatelo amin'ny andro zao. 16 Fa zao le vôlaza tam'i Joela mpaminagny hoe: 17 "Amin'ny andro farany ozy Andrimanitra, No handatsako am'ôla daôly ny Fanahiko. Reo zanakareo là sy ny zanakareo vavy de haminagny, ny zatovonareo de hahita fahitana, ary ny anti-dahinareo hagnonofy. 18 Ôtran'zany kô ny am'reo mpanompoko là sy ny mpanompoko vavy am'reo andro reo. Halatsako ny Fanako, ary zareo de haminagny. 19 zao de hampiseho ra-magaga egny amin'ny lagnitra agnambo sy famantarana egny amin'ny tany ambany, rà, afo, ary enton-tsetroka. 20 Ny masoandro de ho lasana haizigna ary ny volana ho lasa rà, melôn'ny andro leibe sy miavaka hevian'ny Tompo. 21 Ary ny ôla daôly ze miantso ny agnaran'Andriamanitra de ho vôvonjy. 22 Ry olon'Israely, tandrineso zao teny zao: Jesosy avy aigny Nazareta, le ôla nabôgna an'nareo tamin'ny alalan'Andriamanitra mba ho marina am'reo asa leibe, reo fagagana, ary reo famantarana ze nataon'Andriamanitra taminazy teo ampovônareo, araka ny fantatry ny tenanareo. 23 Io leilà io de natolotry ny drafitr'Andriamanitra ze efa nomagnina melô sy ny falalany, ary ny tagnan'ny mpandika lalàna sy anareo, namono an'azy tam'famantsena an'azy teo amin'ny hazo fijaliana. 24 Fa Andriamanitra nanangana an'Azy, nagnafaka an'Azy tam'reo fanaintaignan'ny fafatesana, satria sarotra ho an'Azy ny niala tam-zany. 25 Fa i Davida miteny momba an'azy hoe: "Nahita ny Tompo teo agnolôko mandrakariva za, fa aketo an-tagnan-kavanako Izy ka tsy tokony hangozohozo za. 26 De tegna faly ny foko ary niravoravo ny lelako. Ary ihany kô, ny nofoko hivelona amin'ny fatokiana. 27 Fa tsy nilôsanao ho aigny amin'ny Fiaignan-tsy hita ny fagnako ary tsy hamela ny Iray Masina ho lo enao. 28 Nampafantatra anà reo lalan'ny fiaignana Enao; Enao de hameno fifaliana anà amin'ny endrikao. 29 Ry rahalà, afaka miresaka aminareo am-pitokina momba an'i Davida Patriarika za: Efa maty izy no nalevigna, ary ny fasagny de aketo amintsika mandrak-zao. 30 No zany, mpaminagny izy ary fantany fa efa nianiana taminy Andriamanitra, fa ny taranagny no akeo akeo amin'ny seza fendrianany. 31 Efa hitany zany de nikoragna mikasika ny fitsangananan'i Kristy tamin'ny fafatesana, sady izy tsy navela takao amin'ny fiaignan-tsy hita, no tsy nagnano ny nofony ho tratry ny fahalovana. 32 Io Jesosy io-Andriamanitra no nanangana an'Azy, ka vavolombelon'zany zahay daôly. 33 No zany rafa nasandratry ny tagnan'ankavanan'Andriamanitra Izy de nandray ny Fanahy Masina nampagnantenaina avy tamin'ny Ray, efa narotsagny izany, ze hitanareo sy reigninareo. 34 Fa i Davida de tsy niakatra taigny an-dagnitra fa izy nitare hoe: 'Ny Tompo nilaza tamin'ny Tompoko, "mipetra aketo an-tagnako ankavanako, 35 mandra-pagnanôvako ny favalonao ho fitôran-tongotrao." 36 No zany, ôka ho fantatry ny daôly ny tranon'Israely fa Andriamanitra no nagnano an'Azy ho Tompo sy Kristy, le Jesosy ze nombonareo." 37 Ary raha nareigny an'zany izy reo, vôtsindrona ny fon'jareo, ary niteny tamin'i Petera sy reo apostoly ambiny hoe: "Rahalà, ino no tokony ho ataonay?" 38 Avy akeo Petera nitare tam-jareo hoe: "Mibeba magnanôva batisa, anareo tsiraikaraika avy, amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy mba ho famelana ny fahotanareo, sy mba handraisanareo ny fagnomezan'ny Fanahy Masina. 39 Fa ny fampagnantenana de ho anareo sy ny zanakareo ary reo daôly ze lavitra, ka ho betsaka reo ôla ze ho antsovin'ny Tompo Andriamanintsika." 40 Niaraka tamin'ny teny betsaka hafa no nijoroany ho vavolombelona sy nandrisiny an'azy reo; nilaza izy hoe: "Vonjeo ny tegnanao am'ty taranaka ratsy fagna ty." 41 Ary izy reo nandray ny teniny ka natao batisa, ary tokony fagnan'ôla teo am'telo arivo takeo no nampena tamin'io andro io. 42 Nanohy sy niharitra ny asa fitoriana sy ny fampenaran'ny apostoly zareo, teo amin'ny fanampahany ny mogo sy ny fivavahana. 43 Tonga teo amin'ny fagnan'ny tsiraikaraika ny tatra, ary fagagana sy famantarana betsaka no vita tamin'ny alalan'ny apostoly. 44 Reo daôly nino de niangona ary nagnana ra nitovy, 45 ary zareo de nivarotra taniny sy fanagnany ka nizara izany tam'izy daôly, arak'ze nilainy avy. 46 Ary isan'andro isan'andro de nitohy nanompo tam'fomba fijery mitovy takao an-tempoly zareo, sy nanapaka ny mofo takao an-trano, ary nizara sakafo tamim-pifaliana sy fo feno fagnetren-tegna; 47 Nidera an'Andriamanitra ary nahazo fankasitrahana tam'ôla daôly. Isan'andro ny Tompo de nanampy ny isan'reo ze vôvonjy.