Toko 1

1 Ny boky nosoratako takeo alô, ry Teofilo, de magnambara ny daôly ze natombok'i Jesosy sy nampenariny, 2 hatramin'ny andro nampekarana an'Azy, avekeo de nandidy reo Apostoly ze nofidiny tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina Izy. 3 Tafaran'ny nijaleny, de nampibôgna ny tegnany velona tamin-jareo Izy niaraka tam'reo porofo mandresy latra maro. Nibôgna tamin-jareo Izy nandritra ny efapolo andro, ary nikoragna momban'ny fanjakan'Andriamanitra. 4 Rafa niaogna niaraka tamin-jareo Izy, de nandidy an-jareo tsy hiala akao Jerosalema, fa hiandry ny fampagnantenan'ny Ray, momba ze, nolazaina hoe: "Nandregny taminà anareo 5 fa nagnano batisa tamin'ny rano tokoa i Jaona, fa anareo de tokony hatao batisa amin'ny Fanahy Masina akao agnaty andro vitsy." 6 Rafa tafavory niaraka zareo de nagnontany an'Azy zareo hoe: "Tompo, zao ma no fotôna amerenanao ny fanjakana ho an'Israely?" 7 Ozy tamin-jareo hoe: "Tsy anareo no hafantatra ny fotôna na reo vanin'andro ze notendren'ny Ray tamin'ny faefany magnokana. 8 Fa rafa tonga kosany ny Fanahy Masina de ahazo hery anareo, ka ho lasana vavolombeloko eran'ny Jerosalema sy Jodia ray manontolo ary Samaria, sy hatraigny amin'ny faran'ny tany." 9 Rafa nikoragna an'zany ra zany i Jesosy Tompo, de niandrandra zareo, nakarina Izy, ary ny rôndro nanakona an'Azy takeo amason-jareo. 10 Raha mbôla nibanjina ny lagnitra igny zareo tamin'ny nandianany, tampoka takeo, nisy rôlà nekanjo fotsy nitsangana takeo agnilan-jareo. 11 Nitare zareo hoe: "Ry leila avy aigny Galilia, magnino anareo no mitsangana aketo mijery ny lagnitra? Igny Jesosy nalaina taminareo ze nampekarina aigny an-dagnitra igny, de hiverigna salan'ny natazagnanareo an'Azy niakatra aigny an-dagnitra takeo igny. 12 Avekeo zareo de niverigna taigny Jerosalema avy takao amin'ny tendrombotr'Oliva, ze akeo ankekin'ny Jerosalema, mitovy amin'ny dean'ny andro Sabata raika. 13 Rafa tonga zareo, de niakatra takao amin'ny efitra agnambo-rena, ze nitôran-jareo. Zareo de i Petera, Jaona, Jakoba, Andrea, Filipo, Tomasy, Bartolomeo, Matio, Jakoba zanak'i Alifeo, Simona Zelota, ary Jodasy zanak'i Jakoba. 14 Nitambatra ho raika izy daôly, ary nazoto nivavaka. Anisan'zany reo vevavy, Maria renin'i Jesosy, sy reo ralahiny. 15 Tam'zany andro zany i Petera de nitsangana takeo ampovôn'reo ralahiny, eo amin'ny ôla 120 eo, ary nitare hoe: 16 "Ry ralahy, tegna nilana ny fatanteran'ny Soratra Masina, ze nambaran'ny Fanahy Masina melô tamin'ny vavan'i Davida momba an'i Jodasy, ze nitondra reo ôla nisambotra an'i Jesosy." 17 Fa anisan'ny raika amintsika izy ary nahazo ny anjarany tam'zao fanompoana zao." 18 (Am'zao fotôna zao io leila io de nividy saha tamin'ny vola azony tamin'ny faratsena izy, ary lavo nenkôtra takeo izy, ka nisokatra sy nipôka ny vatagny, ary nivôka avokoa ny tsinainy. 19 Reo ôla daôly takao Jerosalema de naregny ny momba an'zany, ary niantso an'io saha io tamin'ny fitenin-jareo hoe: "Akeldama," zany hoe: "Sahan-dRà) 20 F'efa vôsoratra akao amin'ny Bokin'ny Salamo hoe: "Avelao ho lao ny sahany, ary aza avela na de ôla raika aza hipetraka akao; avelao ho raisin'ny ôlon-kafa ny andraikiny." 21 Noho zany, de ilaina, ny raika am'reo leila niaraka tamintsikana nandritran'ny fotôna daôly nidiran'i Jesosy Tompo sy ny nivôkany taketo amintsikana, 22 hatramin'ny batisan'i Jaona ka hatramin'ny andro niakarany takeo amintsikana, de tsy maintsy vavolombelona miaraka amintsika amin'ny fitsanganany." 23 Ary nametraka rôlà zareo, de i Josefa nantsôvigna hoe Barsabasy, na kô atao hoe Josto, ary Matia. 24 Nivavaka zareo ary nitare hoe: "Anao, ry Tompo, no mafantatra reo fon'ny ôla daôly, ka ambarao ze hofidinao amin'izy rôlà 25 mbô haka ny tôrana akato am'zao fanompoana zao sy ny maha Apostoly nohon'ny fandikan-dalàna ze nataon'i Jodasy hande ho aigny amin'ny tôrany manokana. 26 Zareo de niloka ho an-jareo, ary nilatsaka tamin'i Matia ny filokana, ary vôisa ho Apostoly raikambefolo izy.