Toko 1

1 Paoly, sy Silasy, ary Timoty, ho aigny amin'ny fiangonan-jareo Tesaloniana akao amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesôsy Kristy Tompo. 2 Ho aminareo ane ny fahasoavana sy fedanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesôsy Kristy Tompo. 3 Zahay de tokony hagnome fisaorana an'Andriamanitra ho anareo fôgna,ry ralà, Fa zany no tsara atao, satria tegna mitombo lôtra ny finonareo ary ny fitiavanareo tsiraikaraika de mitombo ho an'ny hafa. 4 Non'izany de Zahay, sy ny tegnanay de mitare ampireharehana omba anareo akeo amin-jareo fiangon'Andriamanitra. Zahay de mikoragna ny momba ny fateranareo ary ny finonareo tamin'ny ze daôly nagnenjena anareo. Mikoragna momba ny fahorena ze neretanareo. 5 Zany de famantarana ny fitsarana marin'Andriamanitra. Ny vokany de raisina ho mendrika ny fanajakan'Andriamanitra ze nijalenareo narero. 6 Marina amin'Andriamanitra ny hamaly fahorena reo ze mampahory an'nareo, 7 ary hagnome fitsaharana ho anareo ze nampahoriana niaraka taminay. Ho ataony zany amin'ny fisehoan'i Jesôsy Tompo avy aigny an-dagnitra miaraka amin-jareo anjelin'ny heriny. 8 Ao amin'ny afo miredareda no hagnanôvany ny valifaty amin-jareo ze tsy mahay an'Andriamanitra sy amin-jareo ze tsy mamaly ny filazantsar'i Jesôsy Tompontsika. 9 Zareo reo de hijaly amin'ny famaizan'ny fandringanana mandrakizay, lavitry ny fanatrehan'ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny. 10 Hagnano an'izany Izy rafa tonga amin'izany andro zany mba hagnomezan'ny ôlony daôly voninahitra an'Azy sy higagan-jareo daôly ze nino. Fa ny fijorony vavoloombelogna aminareo de ninôny. 11 Non'izany de mivavaka mandrakariva ho anareo iany kô zahay. Mivavaka zahay mba ho mendrika ny ho raisin'Andriamanitsika amin'ny fagnantsovana anareo. Mivavaka zahay mba ho tanteraka amin'ny hery ny fagnirinareo ny fatsarana sy ny asan'nty finôna daôly. 12 Mivavaka zahay mba hagnomezany voninahitra anareo, nony fahasoavan'Andriamanitrsika sy Jesôsy Kristy Tompo.