Toko 1

1 Paoly, Silasy, ary Timoty ho an'ny fiangonanan'reo Tesaloniana akao amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana. [Fagnamarinana: Reo dikan-teny sasagny talô de mivaky hoe: "Amininareo ne ny fahasoavana sy fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo."] 2 Magnome fisaorana an'Andriamanitra mandrakariva zahay ny aminareo daôly, ka manognona anareo amin'ny vavakay. 3 Zahay de tsy mijanogna ny mahatsiaro anareo akeo agnatrehan'Andriamanitra Raintsika ny asan'ny fignoanareo, ny asan'ny fitiavanareo, ary fahatokisanareo maharitra ho an'ny oavy akao amin'Jesosy Kristy Tompotsika. 4 Ry ralà ten'Andriamanitra, fantatray fa Izy de efa nifidy anareo, 5 satria ny filazantsaranay de tonga taminareo tsy tamin'ny teny iany, fa tamin'ny hery iany kô, tamin'ny Fagnahy Masina, ary ny fahatokianabe. Mitovy amin'zany, anareo iany kô de mahalala hoe ô'la ôtrany manakôry zahay takeo aminareo no ny aminareo. 6 Nanjary nitovy aminay sy ny Tompo nareo, tamin'ny nandraisanareo ny teny tamin'ny ady sarotra geda sy tamin'ny fifalegna avy amin'ny Fagnahy Masina. 7 Vokatr'zany, tonga ohatra ho an'ny daôly ze mino akao Makedonia sy Akaia anareo. 8 Fa avy taminareo no nagnenoan'ny tenin'ny Tompo, ary tsy takao Makedonia sy Akaia iany. Fa kosa, teny amin'ny toerana daôly no niparitahan'ny finoanareo an'Andriamanitra. Vokatr'zany, de tsy mila mikoragna ninoninona isika. 9 Fa zareo iany no ikoragna ze fandraisagna azonay takeo aminareo. Zareo de mikoragna ny fomba nitodenjareo tamin'Andriamanitra ka niala tamin'reo sampy mba hanompo an'Andriamanitra velona sy marina. 10 Zareo de mitatitra fa nareo de mandigny ny Zanagny avy agny an-danitra, ze natsangany tamin'reo maty. Jesosy zany, ze magnafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy.