1
Ry malala, aza mino ny fagna daôly. Fa kosany, tsapao reo fagna mba ahitana fa avy amin'Andriamanitra izy reo, satria mpaminagny sandoka maro no efa tonga am'zao tontolo zao.
2
Am'zany no afantaranareo ny Fagnan'Andriamanitra ny fagna ze magneky an'i Jesosy Kristy ze tonga nofo de avy amin'Andriamanitra,
3
ary ny fagna daôly ze tsy magneky fa Jesosy de tsy avy amin'Andriamanitra. De zany ny fagnan'ny anti-Kristy, ze efa reigninareo fa ho avy, ary am'zao de efa aketo amintsika zany. [Fagnamarinana: Ny dikan-teny talô sasagny de mivaky ôtran'zao: "Ary ny fagna daôly ze tsy magneky fa Jesosy tonga nofo de tsy avy amin'Andriamanitra. De zany ny fagnan'ny anti-Kristy, ze efa reigninareo fa ho avy, ary am'zao de efa aketo amintsika zany.]
4
Anareo de avy amin'Andriamanitra, ry zanaka malala, ary efa nandresy an'azy reo, satria le raika ze akao aminareo de geda mihôtra no le raika ze aketo am'zao tontolo zao.
5
Zareo de avy am'zao tontolo zao; no zany ze lazain'jareo de avy am'zao tontolo zao daôly, ary zao tontolo zao de mitaino an'jareo.
6
Avy amin'Andriamanitra tsika. Ze mafantatra ny Tompo de mareigny antsika. Izy ze tsy avy amin'Andriamanitra de tsy mareigny antsika. Am'zany no afantarantsika ny fagnan'ny famarinana sy ny fagnan'ny tsy fahadisoagna.
7
Ry malala, aoka tsika hifankate, fa ny fitiavana de avy amin'Andriamanitra, ary mitia de naterak'Andriamanitra daôly sy mafantatra an'Azy.
8
Ny ôla ze tsy mitia de tsy mafantatra an'Andriamanitra, satria Andriamanitra de fitiavana.
9
No zany ny fitiavan'Andriamanitra de nambara tamintsika, fa Andriamanitra de nandefa ny Zanany là tokana ho an'zao tontolo zao mba ho velona no Izy tsika.
10
Akao am'zany fitiavana zany, tsy ny fitiavantsika an'Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ary ny nandefasany ny Zanany là ho fagnavotana reo fahotantsika.
11
Ry malala, raha te lôtra antsika Andriamanitra, de tokony hifankate ihany kô tsika.
12
Tsy mbola nisy natazagna an'Andriamanitra. Fa raha mifankate tsika, de mitôtra akao amintsika Andriamanitra ary ny fitiavany de tanteraka akao amintsika.
13
Am'zany no afantarantsika fa mipetrak akao amin'Azy tsika ary izy akao amintsika, satria izy de nagnome antsika ny sasagny amin'ny Fagnany.
14
Ary ihany kô, efa natazagna tsika sy efa mijoro vavolombelona fa ny Ray de efa nandefa ny Zanany là ho Mpamonjy an'zao tontolo zao.
15
N'iza n'iza magneky fa Jesosy de Zanaka làn'Andriamanitra, de mipetra akao amin'azy Andriamanitra ary izy akao amin'Andriamanitra.
16
Tsika ihany kô de nafantatra ary nino ny fitiavana ze efa nagnanan'Andriamanitra ho antsika. Andriamanitra de fitiavana, ary le raika ze mipetra am'zany fitiavana zany de mipetraka akao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra de mipetraka akao amin'azy.
17
No zany fitiavan zany de notanterahina tamintsika, mba hanagnantsika fatokisana amin'ny andron'ny fitsarana, satria ôtran'Azy, de ôtran'zany kô tsika aketo am'ty tany ty.
18
Tsisy tatra akao amin'ny fitiavana. Fa kosany, ny fitiavana tanteraka de magnala ny tatra, satria ny tatra de tsy maintsy miaraka amin'ny sazy. Fa le raika ze matatra de tsy natao ho tanteraka akao amin'ny fitiavana.
19
Mitia tsika satria Andriamanitra nite antsika vôlôny.
20
Raha misy ôla miteny hoe: "Teko Andriamanitra" nefa mankahala ny rahalany, de mpandainga izy. Fa le raika ze tsy mite ny rahalany, ze hitany de tsy afaka ny hite an'Andriamanitra, ze tsy hitany.
21
Ary zany ihany kô no didy ze anagnantsika avy amin'Azy: N'iza n'iza mitia an'Andriamanitra de tsy maintsy mitia ny rahalany ihany kô.