Toko 1

1 Paoly, mpanompon'i Jesosy Kristy, da vôfidy ho apôstôly, ary vôtokagny ho mpitory gne filazantsaran'Andriamanitry. 2 Io gne filazantsara efa nampanantenainy mialoha tame alalagn'e mpaminany tame Soratry Masina. 3 Izany da momba gne Zanany lelà, zay teraky avy tame taranak'i Davida araky gne nofo. 4 Tame fitsanganagny tame maty, da vôzaka ho e Zanaky maherin'Andriamanitry tame herin'e fahamasinagny Izy_ da Jesosy Kristy Tompontsika. 5 Tame alalan'e nazahoantsika fahasoavagny sy gne maha-apôtstôly ame fankatoavagny gne finoagny ame firenegny maro be, nohon'e agnarany. 6 Am'ireo firenegny ireo, anareo koa da vôantso ho an'i Jesosy Kristy. 7 Ity takelaky taratasy ity da ho andreo ao Roma, izay malalan'Andriamanitry, izay vôantso ho olo-masina. Ho aminareo gne fahasoavagny, sy gne fiadanagny avy amin'Andriamanitry Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 8 Vôlohany, isaorako gne Andriamanitriko amign'e alalan'i Jesosy Kristy nohon' gn'aminareo marobe, satria gne finoanareo da efa nambara nagneragny izao tontolo zao. 9 Fa Andriamanitry gne vavolombeloko, izay tompoiko ame fagnàhiko ao ame filazantsaranin'e Zanany, fa tsy mijanogny mizaka anareo amin'Azy Iao. 10 Mangataky fezay iao ame vavaky aniko gne mba ahombiazako ame fomba marobe araky gne sitrapon'Andriamanitry mba ho avy aminareo. 11 Fa iao da magniry gn'ahita anareo, mba ahafahako magnome fagnomezam-panahy sasasasany ho anareo, mba hampahery anareo. 12 Izany, da magniry iao gny mba hifankaherezantsika eto afovoantsika, ame alalan'e finoan'e kiraikiraiky aby, gn'anareo sy gn'anà. 13 Amizao fotoagny izao tsy tiako anareo tsy ahafantatry, ry ralà, hoe matetiky iao gne managny fikasagny hagnatogny anareo, (nefa iao da vôsakagny mandrak'androany), mba azoagny vokatry aminareo,ako gne nazahoako gne ambin'e Jentilisa avao koa. 14 Iao da mpitrosa ame Grika sy gne vahiny, ame hendry sy gne mola. 15 Noho izany, aminà, da vonogny avao koa iao hitory gne filazantsara ho anareo agny Roma. 16 Fa iao da tsy megnatry ame filazantsara, fa izany gne herin'Andriamanitry ho famomjegny ane olo mino aby, ho an'e Jiosy da ho an'e Grika. 17 Fa amizany gn'anehoan'e fahamarinagn'Andriamanitry avy ame finoagny ho ame finoagny, arak'izay vôsoratry hoe: "Gne marigny da ho velogny ame finoagny." 18 Fa gne fahavigniran'Andriamanitry da nabôky avy tan-dagnitry manohitry gne haratsiam-panahy sy gne tsy fahamarinan'e olo, izay manakagny gne fahamarinagny ame alalan'e tsy fahamarinagny. 19 Izany da satria izay fantatry momban'Andriamanitry da hitan-dreo maso. Fa nohazavain'Andriamanitry indreo. 20 Fa gn'endrikiny izay tsy hita maso, izay hery tsy misy fetry sy maha Andriamanitry an'Azy, da hita mazava tsara, nanomboky tame famoronagny izao tontolo zao, tame raha zay noforonigny. Noho izany, da tsy managny fialan-tsigny indreo. 21 Izany da satria , ndre da efa nahalala gne momba an'Andriamanitry aza indreo, da tsy nagnome voninahitry gne maha Andriamanitry an'Azy, na koa nisaotry an'Azy. F'izy, lasa very fagnahy indreo, da nihamity gne fo mafin-dreo. 22 Indreo da nizaka an-dreo ho hendry, kanefa niha-mola. 23 Gne voninahitr'Andriamanitry tsy mety lo da natakalon-dreo sarin'endrik'olombelo mety lo, vorogny, biby manan-tomboky efatry, sy gne raha mikisaky. 24 Noho izany da natolotr'Andriamanitry ho ame filàn'e fon-dreo ho ame fahalotoan-dreo, mba ho afa- boninahitry eo amin-dreo avao gne tegnan-dreo. 25 Indreo gne nanakalo gne fahamarinagn'Andriamanitry tame vandy, ary izay midera sy manompo gne zava-boary fa tsy e Nahary, izay deraigny mandrakizay. Amena. 26 Noho izany, natolotr'Andriamanitry ho ame filàn-dratsy mamoafady indreo, fa ireo viavy ireo da nanakalo gne fifandraisagny voajanahary tamin'e tsy voajanahary. 27 Akoizany koa, e lelà da nametraky gne fifandraisan-dreo voajanahary miarak'ame viavy ka nampiretin'e filàgny ara nofo ho andreo samby indreo. Ireo da e lelà nagnano fihetsiky mahamegnatry miaraky ame lelà ary nangalaky tamin-dreo gne sazy zay mendriky andreo noho gne fahavetavetan-dreo. 28 Satria tsy nagneky gne hanagny an'Andriamanitry ao ame fieritreretany indreo, da nomeny saigny tsy mendriky indreo, mba hagnamboaragny ireo raha tsy mety. 29 Indreo da feno gne tsy fahamarinagny, faharatsiagny, fitsiriritagny, sady lolom-po. Indreo da feno fialonagny, famonoagny, fifamaligny, fitaky, sady fikasagny ratsy. 30 Indreo da mpifosa, mpagnibitry, sady mpalaigny an'Andriamanitry. Indreo da mahery setra, miavogny, sady mieboebo. Indreo da mpamorogny raha ratsy, sady indreo koa da tsy magnaraky gne zakan'e ray aman-dreniny. 31 Indreo da tsy managny fahalalagny; Indreo da tsy azo itokisagny, tsy misy fitiavagny voajanahary, sady tsy mamindra fo. 32 Hain-dreo gne lalàn'Andriamanitry, fa indreo nagnano raha akoizany da mendriky gne fahafatesagny. Fa tsy io raha io avao gne anigny, fa magneky gne hafa izay magnano an'io koa.