Toko 1

1 ty gne fagnambaragny an'i Jesosy Kristy izay nomen'Andriamanitry an'Azy hagnaboahagny andreo mpanompony gne raha tsy maintsy hiboaky. Nampafantariny izany tame gn'alalan'e fandefasagny gn'anjeliny ho an'i Jaona mpanompony . 2 Jaona da nagnamarigny gne mom an'e zakan'Andriamanitry izy am'ireo fijoroagny vavolombelogny mahakasiky an'i Jesosy Kristy, izy am'ireo raha hitany agnaby. 3 sambatry izy izay mamaky ame feo ambony, sady izay miteno gne zakan'izany faminaniagny izany, da izay mitandrigny gne voasoratry ao amin'azy, sartia efa marìny e fotoagny. 4 Jaona negnam'e fiangonagny fito tagny Asia: ho aminareo anie Gne fahasoavagny izy ame fiadanagny avy ame gn' am'izao fotoagny izao, izy ame taloha, sady ho avy, da avy am'ireo fagnahy fito izay eo agnatrehan'e seza fiandrianany, 5 sady avy am'i Jesosy Kristy, izay vavolombelogny marigny, vakirandro ame maty, sady lehiben'e mpanjakan'ny tany. Ho an'e tia antsika sady nagnafaky antsika tam'ireo fahotantsika tam'e ràny- 6 Izy da hagnano antsika ho fanjakagny, mpisorogny ho an'Andriamaniny izy ame Rainy - ho an'Azy anie gne voninahitry izy ame fahefagny mandrakizay doria. Amena. 7 Indro, avy and rahogny Izy; da gne maso agnaby hahaita an'Azy, ndre da ireo nandefogny an'Azy azaky. Gne firenegny ambonin'e tany hitomagny an'Azy agnaby. Eka,Amena. 8 Iao gne Alfa izy ame Omega, " hoy gne Tompo Andriamanitry, " Gne am'izao fotoagny izao, izy ame taloha sady ho avy, da gne Tsitoha."(fagnamarihagny: gne dikan-teny hafataloha da mivaky akô izao:"Iao gne Alfa izy ame Omega, gne fiandohagny izy and fiafaragny," hoy gne Tompo Andriamanitry 9 Iao, Jaona- rahalànareo izy ame raiky izay nizara taminareo tao agnatin'e fifaliagny izy ame fanjakagny sady gne faharetagny ao am'i Jesosy Kristy - da tao ame nosy amin'ny hoe Patmo nohon'e zakan'Andriamanitry izy and fijoroagny vavolombelogny gne mahakasiky an'i Jesosy. 10 Iao da notarihin'e Fagnahy tame andron'e Tompo. Naharegny feo mafy be akô gne trompetra t'afarako iao. 11 Nagnano an'izany hoe : "Soraty ao ame boky izay hitanao, da alefaso agny am'ireo fiangonagny fito - ho an'Efesosy,Smyrna,Pergamosy,Tyatira,Sardisy,Filadelfia, da i Laodikia." 12 Nagnetg gne magnodidigny iao niatady hoe feon'ia gne nizaka taminà, da refa nitodiky iao da nahita fagnamboaragny jiro volamena fito. 13 Da t'ategnategnan'e fagnamboaragny jiro nisy raiky akô gne Zanak'olo, nitafy akanjo lava robo hatram'e tombokiny, da hetry volamena magnodidigny gne tratrany 14 Gne lohany izy ame volony da fotsy akô gne volon'e ondry - fotsy akô gne rano mandry, sady gne masony akô gne lelan'afo. 15 Gne tombokiny mangilatry akô gne varahigny, akô gne varahigny voadio tame lafôro, da gne feony akô gne feon'e rano be mikoriagny. 16 Sady nanagny kintagny fito tegny an-tagnany ankavanagny Izy, da sabatry roy lela marangitry nijotso avy ame vavany. Gne tarehiny da mazava akô gne masoandro refa midorehitry. 17 Refa nahita an'Azy iao, da lavo tame tombokiny akô olo maty. Nikasiky anà tame tagnany ankavanagny Izy ka nagnano hoe: "Aza matahotra. Iao gne voalohany izy ame farany, 18 sady gne raiky izay velogny. Efa maty Iao, fa indro, velogny mandrakizay! Ary Iao managny gne lakilen'e fahafatesagny izy ame fiaigna tsy hita. 19 Noho izany soraty izay hitanao, izay amizao fotoagny izao, izy ame hiboaky afaran'izao. 20 Akô gne raha mifiny mahakasiky ireo kintagny fito izay hitanao tegny an-tagnan-kavanako, izy am'ireo fagnamboaragny jiro volamena fito : "Gne kintagny fito da ireo anjelin'e fiangonagny fito, da gne fagnamboaragny jiro fito da ireo fiangonagny fito."