Toko faha-23

1 Sady Jesosy nizaka tamindreo fonkonolo sy ireo mpianatriny. 2 Hoy Izy hoe: "Gne mpanora-dalàgny sy Fariseo da nidoboky ame fidobohan'i Mosesy.' 3 Noho izany ndre ino ndre ino handidian-dreo anareo ho anigny, da amboaro io zavatry da mitandrema andreo. Ka mangalataky gn'asandreo, satria indreo da nizaka Raha nefa aveo indreo tsy magnano avao. 4 Eia, fehezindreo gn'enta-mavesatry izay sarotry entigny, sady aveo da apetrak'indreo ame soriky gn'olo. Fa tsy agnetsiky gne tagnany raiky avakoa indreo mba hinday andreo. 5 Magnano gn'asany agnaby indreo mba ho hitan'olo. Fa amindreo malalaky gne filakiterany, sady itarin-dreo gne moron'akanjony. 6 Tiandreo gne toeragny manan-kaja agny ame fahaseagny izy ame toeragny zakabe ame synagoga, 7 izy ame fiharabagny miavaky egny bazary, sady mba ho angen'olo hoe: 'Raby'. 8 Fa anareo tsy azo angegny hoe: 'Raby', fa raiky avao gne mpampianatry, sady mpiralà anareo agnaby. 9 Sady ka mangaiky gn'olo ety an-tany hoe iabanareo, fa raiky avao gne Iabanareo, sady Izy da agny an-dagnitry. 10 Anareo ka magneky angegny hoe: ' Mpampianatry', fa raiky avao gne mpampianatrareo, da i Kristy. 11 Fa gne tena zakabe aminareo gne ho mpanomponareo. 12 Ndre ia ndre iamanandra-tegna da ahetry, sady ndre ia ndre ia manetry tegna da hasandratry. 13 Fa lozanareo, ry mpanora-dalàgny sy fariseo, mpiatsaram-belatsihy! Fa arindragnonareo amign'olo gne fanjakan'e lagnitry. Fa anareo tsy mampiditry gne tegnareo, sady tsy avelanareo izay tsy mitadia niditry. 14 [ Fagnamarinagny: Gn'antotan-taratasy taloha da tsy ahita gne fehezanteny hoe: 'Fa lozanareo, ry mpanora-dalàgny izy ame fariseo , mpiatsaram-belatsihy! Sady magnano vavaky lava anareo. Noho izany da hahazo fagnamelohagny zakabe anareo.'] 15 Lozanareo, ry mpiatsaram-belatsihy! Fa Mandehana mitety gne ranomasigny izy ame tany anareo mba hampiova to gn'olo raiky, sady refa miova izy, da aninareo gne zanaky gne helo ambony roy egny mihôtry noho anareo izy. 16 Lozanareo, ry mpitariky Jamba, anareo izay mizaka hoe: 'Ndre ia ndre ia mitangegny ame tempoly, da tsy misy dikany izany. Fa ndre ia ndre ia mitangegny ame volamenan'e tempoly, da voafehiny gne fitangenany izy.' 17 Anareo rô Jamba mola! Ia gne zakabe tokôtry, gne volamena sa gne tempoly izay magnano gne volamena ho masigny? 18 Sady, 'Ndre ia ndre ia mitangegny amign'alitara, da tsy misy dikany izay. Fa ndre ia ndre ia mitangegny amin'e fagnatitry izay ambon'izany da voafatotry gne fitangenany izy.' 19 Anareo gn'olo Jamba! ia gne zakabe, gne fagnatitry sa gn'alitara izay magnano gne fagnatitry ho masigny? 20 Noho izany, izay mitangegny amign'alitara, da mitangegny amin'izany sy amenraha agnaby eo amboniny. 21 Gne raiky izay mitangegny ame tempoly, da mitangegny amin'izay mimpetraky aminazy, 22 sady gne raiky izay mitangegny ame lagnitry, da mitangegny ame seza fiandrianagn'Andriamanitry sy am'izay mipetraky ambonin'izany. 23 Lozanareo, ry mpanora-dalàgny sy fariseo, mpiatsaram-belatsihy! Fa mndoa gne fahafolon'e solila izy ame aneta sady komigny anareo, fa anareo da tsy nagneky gne raharaha tena mavesa-danja and lalàgny- da gne rariny izy ame famindram-po sady gne finoagny. Fa gne tokony naninareo sady tsy tokony navelanareo ho tsy vitangne raiky hafa. 24 Anareo ry mpitariky jamba, anareo izay manivagny gn'alitara nefa miteligny rameva! 25 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàgny sy fariseo, mpiatsaram-belatsihy! Fa sasainareo gn'ambadik'e kapoaky izy ame lasety, nefa gn'agnatiny da feno fitsiriritagny sy filagny. 26 Anareo ry fariseo jamba! Sasaynheky gn'agnantin'e kapoaky izy ame lasety, mba ho lasa madio avakoa gn'ambadiky. 27 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàgny sy fariseo, mpiatsaram-belatsihy! Fa anareo da akô gne kôbory voalalotry fotsy; izay tsara amgadiky, fa gn'agnatiny da feno gne taolam-paty Izy ame logo agnaby. 28 Da akô izany avakoa, aty amgadiky anareo mibôky ho marigny amign'olo, nefa gn'agnatinareo da feno fihatsaram-belatsihy sy heloky. 29 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàgny sy fariseo, mpiatsaram-belatsihy! Fa magnorigny gne kôborin'e mpaminagny anareo sady magnengo e kôborin'e gn'olo marigny. 30 Hoy anareo hoe: Rà niaigny tamign'andron'e razambetsikabisika, da tsy ho nandray anjara niaraky tamindreo tamin'e fandatsahagny gne ràn'e mpaminagny isika'. 31 Noho izany da mijoro vavolombelogny ame tegnanareo anareo fanzanak'reo izay namono gne mpaminagny. 32 Anareo avakoa da nahafeno gne fahotan'ireo razambenareo 33 Anareo rybibilava, anareo ry taranak'e gne menaragny, ankognaià gne hilefasanareo e fagnamelohagny ho agny ame helo? 34 Noho izany, indro, nagniraky mpaminagny sy olo-manakagnà sady mpanora-dalàgny ho anareo Iao. Gne Zanany amindreo da ho vonoinareo sy hofantsianareo; sady gne sanany ho kapohinareo ame synagoganareo sady handroaky anazy hiala so an-tànagny. 35 Gne vokatr'izany da hanody anareo gne rà marigny agnaby izay nalatsaky tetoa an-tany, nanomboky tame ràn'i Abela marigny, da hatrame ràn'i Zakaria zanak'i Barakia, izay novonoinareo tagn'elalan'e fidobohagny masigny izy ame gn'alitara. 36 Zakaiko marigny aminareo, fa gne raha agnaby da ho avy amin'ity taranaky ity. 37 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, anao zay mamono e mpaminany sy mitora-bato zay irahigny! Impiry Aho no magniry gne hagnangogny e zanakao miaraky, manahak'e akoho vavy raiky magnangogny e akohoidy ao ambany elany, nefa tsy nety anareo! 38 Indro, e tragnonareo no avela ho lao ho anareo. 39 Fa zakaiko aminareo, hatramin'izao, tsy hahita Anaha tokôtry anareo mandra-pizakanareo ho e: "Isaoragn'anie zay avy ame agnaran'e Tompo."'