TOKO faha 16

1 Tonga gne Fariseo sy Sadiseo da nitsapa Anazy da nagnaraky Anazy mba hagnaboaky anazy gne famataragny avy an-dagnitry. 2 Fa Izy namaly sady nizaka hoe: "Rehefa hariva, da hoy anareo hoe: 'Ho tsara gne andro,fa Mena gne lagnitry.' 3 Rehefa mandraigny, da hoy anareo hoe: 'Ho ratsy gne andro, fa mena sy manjombogny gne lagnitry.' Hainareo gne mamantatry gne endrikin' e lagnitry, fa anareo tsy afaky mandika gne famantaragny e fotoagny. 4 Gne taranaky ratsy sy mpijangajanga da mitady famantaragny, fa tsy hisy famantaragny homegny anazy ankotry gne famantaran'i Jona. " Aveo Jesosy niala andreo da lasa. 5 Rehefa tonga tagnilany gne mpianatry da adignin-dreo e nitondra mofo. 6 Hoy Jesosy tamin-dreo hoe: "Miambena da mitandrema amin'gne masirasiran'gne Fariseo sy Sadiseo." 7 Niady hevitry gne mpianatry da nizaka hoe: "Noho isika tsy nitondra mofo izany.' 8 Jesosy nahafantatry anizany da nizaka hoe: "Anareo kidy finoagny, nagnino anareo gne miady hevitry aminareo da mizaka fa nohon'gne tsy nitondranareo mofo izany? 9 Mbola tsy fantatrinareo na tadidinareo me gne mofo dimy ho an'gne dimy arivo, da sobika gne nangoninareo? 10 Na gne mofo fito ho an'gne efatr'arivo, da sobika firy gne nalainareo? 11 Akoignaia gne tsy ahazaoanareo fa tsy momba gne mofo gne nizakaiko anareo? Miambena sady mitandrema amin'gne masirasiran'e Fariseo sy Sadiseo." 12 Aveo azon-dreo fa tsy hitandrigny amin'gne masirasiran'e mofo gne nizakaigny andreo, fa hitandrigny gne amin'e fampianaran'gne Friseo sy Sadiseo. 13 Da rehefa tonga tamin'gne faritry akekin'gne Kaisaria-filipo Jesosy, da nagnotany gne mpianatriny Izy, magnano hoe: "Anin'olo ia me gne Zanak'olo?" 14 Hoy indre hoe: "Gne sasany mizaka fa Jaona mpagnano batisa; e sasany, Elia; gne hafa, Jeremia, na gne raiky amin'gne mpaminany." 15 Hoy Izy tamin-dreo hoe: "Anareo magnano Ana ho ia?" 16 Namaly, Simona Petera nagnano hoe: "Anao gne Kristy, Zanak'e Andriamanitry velogny." 17 Namaly Jesosy da nagnano hoe: "Sambatry anao, Simona Bar-Jaona, fa tsy gne nofo sy rà gne naharegny izany taminao, fa gne Raiko izay an-dagnitry. 18 Zakaiko aminao avakoa fa anao e Petera, da ambonin'ity vatolampy ity gne hagnorenako gne fiangonagny. Gne vavahadin'gne kobory da tsy haharesy izany. 19 Homeko anareo gne fanalahidin'gne fanjakan'e lagnitry. Ndre ino ndre ino fehezinareo ambonin'gne tany aty da ho fehezigny an-dagnitry agny, da ndre ino ndre ino vahanareo an-tany aty da ho vahagny an-dagnitry agny." 20 Aveo Jesosy nandidy gne mpianatry fa indreo da tsy tokony hizaka na amin'ia na ia fa Izy e Kristy. 21 Tamin'izany fotoagny izany Jesosy nanomboky nizaka gne mpianatriny fa tsy maintsy ho a Jerosalema Izy, hizaka fijaliagny maro an-tanan'gne olombe sy gne lohan'e mpisorogny da gne mpanora-dalàgny, ho vonoigny, sy hatsangagny indraiky amin'e andro fahatelo. 22 Aveo Petera nangala Anazy da nizaka mafy Anazy, magnano hoe: "Ho lavitry anao izany, ry Tompo; tsy hitranga aminao mihitsy anie izany." 23 Fa Jesosy nitodiky da nizaka tamin'i Petera hoe: "Mialà any ivohoko, ry Satana! Anao da fanafitohinagny ho Ana, noho anao tsy miraharaha gne zavatr'Andriamanitry, fa gne zavatr'gne olo." 24 Aveo Jesosy nizaka tamin'gne mpianatriny hoe: "Ra misy ta-hagnaraky Ana, da tsy maintsy mandà gne tegnany izy, hitondra gne hazofijaliagny, sady magnaraky Ana. 25 Fa ndre ia ndre ia ta-hamonjy gne ainy da hahavery anazy, da ndre ia ndre ia gne hahavery gne ainy nohon'e amina, da hahazo anizany. 26 Fa ino me gne soa ho azon'e olo raha mahazo izao tontolo izao f'izy very gne ainy? Ino gn'omen'olo ho takalon'e ainy? 27 Fa gne Zanak'olo da ho avy amin'gne voninahitry e Rainy miaraky amin'gne anjeliny. Aveo Izy hamaly soa gne olo kiraikiraiky araky gne vitany. 28 Zakaiko marina aminareo, fa misy sasany aminareo izay mijoro etoa gne tsy hitsapa gne fahafatesany mandrapahitan-dreo gne Zanak'olo tonga amin'gne fanjakany."