Toko faha 15

1 Aveo nisy Fariseo sy mpanora-dalagnysasatsasany avy agny Jerosalema nagnotany an'i Jesosy. Hoy indreo hoe: 2 "Nagnino gne mpianatrao gne mandika gne fomban-drazan'e zoky olo? Fa tsy manasa gne tagnany indreoalihan'e hinagny." 3 Namaly Izy da nizaka tamin-dreo hoe: "Ka nagnino anareo gne mandika gne lalàn'Andriamanitry nohon'e fomban-drazanareo? 4 Fa Andriamanitry nizaka hoe: 'Hajay gne abanao izy amin'endrinao; da 'Izay mizaka ratsy gne abany na gne endriny, da ho faty tokotry.' 5 Fa anareo mizaka hoe:' Na ia na ia mizaka amin'i abany na i endriny hoe: "Ndre ino ndre ino fagnampiagny izay azonareo avy amina da fagnomezagny ho an'Andriamanitry aminizao,'" 6 izany olo izany da tsy mila magnaja gne abany. Amin'izany fomba izany da nifoagnanareo gne zan'Andriamanitry nohon'e tombontsoan'gne fomban-drazanareo. 7 Ry mpiahatsaravelatsy! Marina gne faminanian'Isaia momba anareo raha nizaka izy hoe: 8 'Ity fokonolo ity da magnaja ana amin'e molotrin-dreo, fa gne fon-dreo da lavitry ana. 9 Tsy misy dikany gne fideragny ana, satria indreo mampianatry gne didin'olombelo ako gne fampianaran-dreo.'" 10 Aveo nangaiky gne fokonolo ho eo amin'Azy Izy da nizaka tamindreo hoe: "Mitenoma da mahazoa- 11 Tsy gne miditry ao ambavan'gne olo e mandoto gne olo. F'izy, izay ajotson'gne vava, gne mandoto gn'olo." 12 Aveo nagnatogny gne mpianatry da nizaka tamin'i Jesosy hoe: "Fantatrao me fa tafitoignygne Fariseo naharegny izany zaka izany? 13 Jesosy namaly da nizaka hoe: "Gne zava-maniry izay tsy nambolen'i Abako an-dagnitry da ho fongorigny agnaby. 14 Apetray indreo ho eo, indreo da mpitariky jamba. Raha misy jamba raiky mitariky jamba raiky hafa, da samby latsaky andavaky izy roy." 15 Petera namaly da nizaka tamin'i Jesosy hoe: "Azavay aminay izany fanoharagny izany." 16 Hoy Jesosy hoe: Tsy managny fahalalagny avakoa me anareo?" 17 Tsy hitanareo me fa izay miditry amin'e vava da miditry ame troky da aveo da hajotso ame kabone? 18 Fa gne ra hajotson'e vava da avy ame fo. Io ra io gne mandoto gne olo raiky. 19 Fa avy ame fo gne hivohan'gne saigny ratsy, gne vono olo, gne fijangajangagny, gne fangalagny vadinolo, gne halatry, gne fijoroagny vavolombelogny tsy marina, da gne fizakagny ratsy. 20 ireo ra gne mandoto gne olo raiky. Fa gne mihinagny amin'gne tagna tsy misasa da tsy mandoto gne olo raiky." 21 Aveo Jesosy niala teo da nipody tamin'gne faritanin'i Tyro sy Sidona. 22 Inty, nisy viavy Kananita raiky avy amin'izany faritry izany. Nangaiky mafy izy da nizaka hoe: "Mamindra fo amina, ro Tompo, Zanak'i Davida! Gne zanako viavy da sahiragnin'e demonia mafy." 23 Fa Jesosy tsy namaly zaka anazy. Nagnotany gne mpianatriny da nangataky taminazy, nagnano hoe: "Roahy izy, fa maresaky amintsika." 24 Fa Jesosy namaly da nizaka hoe: "Tsy nirahigny ho an'ia na ia Iao afa tsy ho an'gne ondry very ame tokatragnon'Israely." 25 Fa avy nangataky sy niondriky tagnatrehany izy, nagnano hoe: "Tompo, vonjeo iao." 26 Namaly Izy da nagnao hoe: " Tsy rariny raha alaigny gne mofon-jaza da atsipy ho an'e amboa." 27 Fa hoy izy hoe: "Eka, Tompo, fa ndre da gn'amboa aza mba mihinagny gne potipotiky latsaky avy ame latabatry e tompony." 28 Da namaly Jesosy da nizaka taminazy hoe: "Raviavy, zakabe gne finoanao; ho tanteraky aminao anie izany arak'gne iriananao." Da sitragny gne zanany viavy tamizany lera izany. 29 Niala teo Jesosy da nandea akekin'e ranomasin'ny Galilia. Aveo da niakatry tegny an-tendrombohitry raiky Izy da nipetraky teo. 30 Fokonolo marobe gne nagnatogny Anazy. Noentin-dreo niaraky tamin-dreo gne mandringagny, da gne marary maro hafa avakoa. Napetrakin-dreo an-tongotrin'i Jesosy indreo; da nositragniny. 31 Ka da variagny gne fokonolo raha nahita gne moagny nizaka, gne kilemaigny sitragny, gne malemy hafaky mandea, da gne jamba mahiratry. Nankalaza gne Andriamanitr'Israely indreo. 32 Nangaiky gne mpianatriny mba hagnatogny Anazy Jesosy da nizaka hoe: "Maforaigny gne fokonolo Iao, satria efa telo andro sahady indreo gne nipetraky niaraky tamina nefa tsy managny hoanigny. Tsy te andefa andreo tsy mihinagny Iao, sao da ho toragny an-dalagny agny." 33 Hoy gne mpianatry Taminazy hoe: "Aia gne hahitagny mofo sahaza sy ampy gne fokonolo maro be toa ame tany fogny?" 34 Hoy Jesosy tamindreo hoe: "Mofo firy gne aminareo?" Da hoy indreo hoe: "Fito, sy laokan-drano amdiniky vitsy." 35 Aveo Jesosy nandidy gne fokonolo mba hipetraky ame tany. 36 Nangala gne mofo fito izy ame laokan-drano Izy, da rehefa nisaotry, da namaky gne mofo da nanolotry ho an'gne mpianatry. Gne mpianatry nagnome ho an'e fokonolo. 37 Nihinagny da afa-po gne fokonolo marobe. Aveo indreo nanagno sobika fito feno sisasisa gne tsy lany. 38 Ireo zay nihinagny da efatra arivo là, tsy agnatiny gne zaza izy ame viavy. 39 Aveo Jesosy nagnapody gne fokonolo da niondragny an-dakagny sady nandea min'gne faritr'i Magadana.