TOKO faha 14
1
Taminizany fotoana izany, Heroda mpanjaka naharegny gne vaovao momba an'i Jesosy.
2
Hoy izy tamin'gne mpanompony hoe: "I Jaona mpagnano batisa izany; nitsangagny tamin'gne maty izy. Noho izany da miasa amizany ireo hery ireo."
3
Fa Heroda nisambotry an'i Jaona, namatotry anazy, da nandefa anazy tamin'gne tragno mizigny nohon'i Herodiasy, vadin'i Filipo ralany.
4
Da hoy Jaona taminazy hoe: "Tsy ara-dalagny ho anao gne managny anazy ho vadinao."
5
Nagniry gne hamono anazy Heroda, f'izy nataotry an'gne fokonolo izy, satria noresin-dreo ako mpaminany izy.
6
Fa rehefa tonga gne fitsingerenan'andro nahateran'i Heroda, da nandihy tafovoan'gne vahiny nasaigny e zanaka viavin'i Herodiasy ka nahafinaritry an'i Heroda.
7
Ho setrin'izany, da nampagnategna tamin'gne fiainagny izy e hagnome izay hangatahiny ndre ino ndre ino.
8
Rehefa avy nambaran'i endriny hevitry, da hoy izy hoe: " Omeo ana etoa, ambonin'gne lasety, gne lohan'i Jaona mpagnano batisa."
9
Nalahelo mafy nohon'gne fangatahany e mpanjaka, f'izy nohon'gne voadiny sy noho gne maro nisakafo niaraky taminazy, da nagnome beko izy fa tokony ho vita izany.
10
Nagniraky da nanapaky gne lohan'i Jaona ta an-tranomaizigny izy.
11
Aveo noentiny tamin'gne lasety e lohany da nomeny e zazaviavy da nentiny tamin'e reniny izany.
12
Aveo da tonga gne mpianatriny, nangala gne faty, da nandevigny izany. Tafaran'izany, da nandefa andreo nizaka tamin'i Jesosy.
13
Da ra naregny anizany Jesosy, da niala avy tagnaty laka raiky izy handea amin'e toeragny mitokagny raiky. Ra naregny anizany gne fokonolo, da nagnaraky Anazy an-tongotry avy tamin'gne tanagny zakabe.
14
Aveo Jesosy nagnatogny aloan-dreo da nahita fokonolo marobe. Nalahelo andreo Izy da nagnasitragny gne aretin-dreo.
15
Ra tonga gne hariva, da nagnatogny aminazy gne mpianatry da nizaka hoe: "Ity da toeragny foagny, sady efa tapitry gne andro. Alefaso gne fokonolo, mba hahafan-dreo mandea amin'gne tanagny sady hividy sakafo ho an-dreo."
16
Jesosy nizaka andreo hoe: "Tsy mila mandea lavitry indreo. Omenareo ra hoanigny indreo."
17
Hoy indreo taminazy hoe: "Mofo dimy sy laoky andrano roy gne hanagnanay atoa."
18
Hoy Jesosy hoe: "Indeso amina aty izany."
19
Aveo Jesosy nibeko gne fokonolo mba hipetraky amin'e bozaky. Nalainy gne mofo dimy sy laoky andrano roy. Niandrandra ta an-dagnitry, da nisaotry Izy da nanapaky gne mofo da nagnome gne mpianatry, da gne mpianatry nagnome izany gne fokonolo.
20
Nihinagny aby izy marobe da voky. Aveo da nongonin-dreo gne sisan'e potitsakafo da nahafeno roambinifolo harogny.
21
Tamin'gne dimy arivo là teo gne nihinagny, ankoatran'gne zaza amam-behivavy.
22
Avy da nampandehaniny tagnatin'e sambokidy da handeha hialoha Anazy handea esaky agnilany indreo mpianatriny, igny Izy mbola nandefa gne vahoaky.
23
Tafaran'e nandefasan-dreo fokonolo, da nandeha niakatry t'antendrombohitry raiky Izy mba hivavaky. Rehefa avy gne hariva, da Izy raiky e teo.
24
Gne sambo da efa dila lavitry gne tanety, natopatopany gn'onja, satri nitsoky nanohitry andreo gne rivotry.
25
Tamin'e fiambenagny fahefatry gne aligny da nagnantogny andreo Jesosy, nandea t'ambonin'gne ranomasigny.
26
Ra nahita Anazy nandea tambony ranomasigny gne mpianatry, da raikitry tahotry da nizaka hoe: "Angatry io" da nikiakiaky tamin-tahotry indre.
27
Fa Jesosy tonga da nizaka tamin-dreo hoe: "Mahereza! Iao itoa! Ka mataotry."
28
Namaly Anazy Petera da nagnano hoe: "Tompo, ra Anao io, da ampagnatogny Anao ambonin'gne rano egny iao."
29
Hoy Jesosy hoe: "Magnatogna" da niala avy tagnaty lakagny Petera da nandea tambony rano mba hagnatogny ani'i Jesosy.
30
Fa ra nahita gne rivotry Petera, da lasa nataotry. Ra igny izy nanomboky nilentiky igny, da nikiaky mafyizy sady nizaka hoe: "Tompo, vonjeo iao!.
31
Tonga da nagnapatry gne tagnany Jesosy, nitazogny an'i Petera, da nizaka taminazy hoe: "Anao kidy finoagny, nagnino anao gne nisalasala?"
32
Aveo Jesosy sy Petera nandeha namonjy gne laka, nijanogny nifofofo gne rivotry.
33
Aveo gne mpianatry tagnaty laka nidera an'i Jesosy da nizaka hoe: "Anao marina gne Zanak'Andriamanitry."
34
Rehefa avy niampita indre, da tonga ta an-tanety ta Genesareta.
35
Ra nahafantatry an'i Jesosy gne lelatao amin'izany toeragnyzany, da nandefa hafatry tamin'gne faritry magnodidigny marobe, da nentin-dreo tAminazy gne olo narary marobe.
36
Nanambitamby Taminazy indreo mba hahafan-dreo makasiky gne moron'akanjony fotsiny aza, da maro gne nikasiky anizany da sitragny.