Toko faha 12

1 Tamin'izany fotoagny izany Jesosy nandeha namakivaky gne tanimbary tamin'gne andro Sabata. Mosaregny gne mpianatrany ka nanomboky nihila salohim-bary da nihinagny indreo. 2 Nefa nohon'gne hitan'e Fariseo izany, da hoy indreo tamin'i Jesosy hoe: "Iteo, gne mpianatrinao magnano ra tsy ara-dalàgny gne magnano azy amin'gne Sabata." 3 Jesosy nizaka andreo hoe: "Mbola tsy novakinareo mihitsy me gne ra nanin'i Davida, rehefa mosare izy, sy gne lela marobe niaraky taminazy? 4 Niditry tamin'gne tragnon'Andriamanitry izy da nihinagny gne mofon'gne fanatrehagny, izay tsy ara-dalàgny ho anazy ra hanigny sady tsy ara-dalàgny ho andreo izay niaraky taminazy, nefa ara-dalàgny ho an'gne lohan'e mpisorigny raiky avao. 5 Tsy mbola nivakinareo me gne amin'gne lalàgny, fa amin'e Sabata gne mpisorogny am-piangonagny da manota gne Sabata nefa tsy manan-tsigny? 6 F'izy zakaiko aminareo fa etoa gne raiky noh'gne fiangonagny. 7 Ra fantatry nareo gne hevitrin'e hoe: 'Famindram-po gne iriki fa tsy sorogny,' da tsy nagnameloky gne tsy manan-tsigny anareo. 8 Fa gne Zanak'olo gne Tompon'e Sabata." 9 Aveo Jesosy niala tao da niditry tamin'gne synagoga indreo. 10 Igny, nisy lelà izay malemy tagna teo. Nagnotany an'i Jesosy gne Fariseo, nagnano hoe: "Ara-dalàgny me gne magnasitragny amin'e Sabata?" mba hiampangan-dreo Anazy amin'gne fahotagny. 11 Hoy Jesosy tamin-dreo hoe: "Olo ia aminareo, ia, ra ondry raiky fotsiny gne anagnany, ka ra latsaky agnaty lavaky laligny gne ondry amin'e Sabata, gne tsy hisambotry anazy sady tsy hampiakatry anazy? 12 Tsy manan-danja mihoatry lavitry, me, gne olo nohon'e ondry! Da noho izany da ara-dalàgny gne magnano soa amin'e andro Sabata." 13 Aveo hoy Jesosy tamin'e lelà hoe: "Ampahitsio gne tagnanao." Da nampahitsiny izany, ka niverigny gne fahasalamany, ako gne tagnany ilany. 14 Da nivoky gne Fariseo da nizaka gne hamono Anazy. Nitady hevitry gne amin'e fomba hamonohagny Anazy indreo. 15 Ra nahalala anizany Jesosy, da niala teo Izy. Olo maro gne nagnaraky Anazy, da nositragniny izy marobe. 16 Da nandidy andreo Izy mba tsy hampafantatry Anazy amin'e hafa, 17 mba hahatanteraky, izay efa nambara tamin'e alalan'Isaiah mpaminany, magnano hoe: 18 "Iteo, gne mpanompoko izay nofidiko; ry malalako, izay tena sitrakin'gne fagnahiko. Hapetrako aminazy gne fagnahiko, da hagnambara e fitsaràgny amin'gne Jentilisa izy. 19 Tsy hifanditry na hangaiky mafy izy; sady tsy hisy olo maharegny gne feony an-dalagny. 20 Tsy hanapaky gne volotara torotoro izy; tsy hamono gne lahin-jiro manentogny, mandra-pagnamboaragny gne rariny ho fandresena, 21 sady amin'e agnarany gne hanagnan-dreo Jentilisa fanantenagny." 22 eo nisy olo jamba sy moagny, nipetran'gne demonia, noentigny tamin'i Jesosy. Nositragniny izy, vokatr'izany da nizaka sy naita gne moagny. 23 Gaga gne fokonolo maro da nizaka hoe: "mety io lelà io me Zanak'i Davida?" 24 F'izy ra naharegny anizany fahagagagny izany gne Fariseo, da hoy indreo hoe: "Io lelà io da tsy mamoaky demonia ra tsy amin'gne alalan'i Belzeboba, leben'gne demonia." 25 F'izy fantatr'i Jesosy gne eritreritry ndreo da nizaka andreo izy hoe: "Gne fanjakagny marobe miady an-dragno da tsy haharitry, da gne tanagny na trano marobe miady an-dragno da ho rava. 26 mamoaky satana gne satana, da miady an-dragno izy. Akoignaia amizany gne hijoroan'gne fanjakany? 27 Da ra mamoaky gne demonia amin'gne alalan'e belzeboba Iao, da amin'gne alalan'ia izany gne adroahan'gne zanakareo andreo? Noho izany antony izany da ho mpitsaranao indreo. 28 F'izy ra mamoaky gne demonia amin'gne alalan'e Fagnahin'Andriamanitry Iao, da efa tonga aminareo gne Fanjakan'Andriamanitry. 29 Amin'gne fomba akoignaia gne ahafahan'gne olo miditry an-dragnon'e lelà mahery sady mangala gne fanagnany ra tsy hafatotry an'e lelà mahery? Aveo hangala gne fanagnany an-dragnony izy. 30 Izay tsy momba Ana da manohitry Ana, da gne tsy mitambatry miaraky Amina da miparitaky. 31 Noho izany zakaiko aminareo fa, ho voavela heloky gne olo amin'gne fahotagny sy fizaka ratsy marobe, fa gne fizaka ratsy amin'gne Fagnahy Masina da tsy hahazaoagny famelan-keloky. 32 Ndre ia ndre ia gne mizaka manohitry gne zanak'olo, da ho voavela izy, Fa ndre ia ndre ia mizaka manohitry gne Fagnahy Masiny, da tsy ho voavela izy, na amin'izao fiainagny izao, na amin'gne ho avy. 33 Ataovy tsara gne hazo da hamoa tsara izany, na ataovy ratsy gne hazo da hamoa ratsy izany, fa fantatry amin'gne voany gne hazo. 34 Anareo taranaky gne menarana, satria ratsy fagna anareo, akoignaia gne afahanareo mizaka ra tsara? Fa avy amin'gne haben'gne am-po gne izakan'e vavany. 35 Gne olo tsara avy amin'gne harena tsara am-pony da mamokatry izay tsara, da gne olo ratsy avy amin'gne harena ratsy am-pony da mamokatry gne ratsy. 36 Zakaiko aminareo fa amin'gne andron'e fitsaragny da ho agnotaniagny amin'gne zaka tsy voahevitry aby gn'olo. 37 Fa gne zakanao gne hagnamarinagny anao, da gne zakanao gne hagnameloagny anao." 38 Aveo nisy mpanora-dalagny sy Fariseo sasantsasany namaly an'i Jesosy da nizaka hoe: "Ry Mpampianatry, magniry e ahita famataragny avy aminao iay." 39 Da namaly Jesosy da nizaka andreo hoe: "Misy taranaky ratsy fagnahy sy mpijangajanga mitady famataragny. F'izy tsy misy famataragny omegny anazy afa-tsy gne famataran'i Jaona mpaminany. 40 Fa ako an'i Jonah telo andro sy telo aligny ta an-kibon'gne laokandrano zakabe, da ako izany avokoa gne hipetran'gne zanak'olo teloandro sy telo aligny agnatin'e tany. 41 Gne olon'i Ninive da hitsangagny amin'gne fitsaragny miaraky amin'ity taranaky ity sady hagnameloky anizany. Fa nibebaky indreo tamin'gne toritenin'i Joanah, da igny, misy olom-be noho Jaonah eto. 42 Gne mpanjakavavin'gne atsimo da hiara-hitsangagny amin'gne lelan'ity taranaky ity amin'gne andron'e fitsaragny sady hagnameloky izany. Tonga avy amin'gne faran'e tany izy mba haregny gne fahendren'i Solomona, da igny, misy olom-be noho Solomona eto. 43 hefa nisy fagnahy ratsy niala tamin'gne lela raiky, da mandalo tany karakaigny izy da mitady fitsaragny, f'izy tsy maita izany. 44 Izany da mizaka hoe: 'Hiverigny amin'gne tragnoko izay nihaviako iao.' Da ra tonga, da nahita fa voafafa gne tragno da nilamigny. 45 Aveo da nandeha izany da nitondra fagnahy ratsy fito niaraky taminazy izay ratsy mihoatry anazy, da niditry nipetraky tao izy marobe. Aveo niha-ratsy nohon'gne voalohny gne fiafaran'izany lelà izany. Da ako izany avokoa gne amin'ity taranakin'gne ratsy fagnahy ity." 46 Ra mbola nizaka tamin'gne fokonolo Jesosy , da igny, endriny sy gne ralany nijory ivelany, nitady hiresaka aminazy. 47 Nisy olo raiky nizaka taminazy hoe: "Iteo, e endrinao sy gne ralanao mijoro ivelany, mitady iresaky aminao." 48 Da namaly Jesosy ka nizaka tamin'gne nizaka Anazy hoe, "Ia e endriko da ia gne ralako?" 49 Aveo natariny tamin'gne mpianatriny gne tagnany da nizaka hoe: "Iteo, indreto e endriko sy gne ralako! 50 Fa gne magnano gne sitrapon'e Abako izay an-dagnitry, da izany olo izany gne ralako, sy gne anakaviko, da iendriko."