Toko faha-11

1 Sady refa avy nampianatry gne mpianatriny roy ambin'folo Jesosy, da nialaa avynteo Izy hampianatry sy hitorynagny amin'e tanagnin-dreo. 2 Sady refanren'i Jaona tagny am-ponjangne momba ireo asan'i Kristy, da nandefa hafatry tamign'alalan'ireo mpianatriny izy 3 da nizaka hoe: "Anao me gne raiky izay ho avy, sa tokony hitadia hafa iay?" 4 Jesosy namaly sady nizaka andreo hoe: "Mandehana sady zakay amin'i Jaona izay hitanareo izy ame renareo." 5 Mahazo fahitagny ireo jamba, mandeha ireo malemy, diovigny ireo boka, mahare agnaby gn'olo naregny, antsangany velogny e maty, sady agnambara ireo vaovao mahafaly gne sahiragny. 6 Sambatry izay tsy tafitohigny noho gn'aminà. " 7 Râ nandeha tegny amin'e lalagny ireo lelà ireo, da nanomboky nizaka gne momban'e Jaona tamin'ireo fonkonolo Jesosy hoe: "Hagnety ino gne nijotsoanareo agny agn'efitry volotara tsofin'e rivotry? 8 Nefa hagnety ino gne nijotsoanareo - lelà magnano lamba lafo vidy? Indro, ireo izay magnano lamba lafo vidy da mipetraky ao an-tragnon'ireo mpanjaka. 9 Nefa hagnety ino nivoahanareo -mpaminagny? Eka, mizaka aminareo Iao, sady mihôtry lavitry noho gne mpaminagny. 10 Izy gne vôsoratry hoe: 'Taragno, magniraky gne irako hitariky gne tarehinareo Iao, izay hagnomagny gne lalàgninareo megnaloha anareo. ' 11 Zakaiko marigny aminareo, fa amin'ireo izay nateraky e viavy da txy misy zakabe mihôtry an'i Jaona mpagnano Batisa. Nefa gn'olo tsy tena manan-danja amin'e fanjakan'e lagnitry da zakabe noho izy. 12 Nanomboky tamign'andron'i Jaona mpagnano Batisa da hatram'izao, da miaritry ame herisetra gne fanjakan'e lagnitry, sady ireo olo mahery setra da mangalaky anazy an-keriny. 13 Fa ireo mpaminagny agnaby izy ame naminagny hatramin'Jaona; 14 sady sitrakareo gnenagneky izany, daIzy gne Elia gne ho avy. 15 Izay managny sofy ho entigny miteno aoky izy hiteno. 16 Amign'ino e tokony ampitoviako ity taranaky ity? Izany da akô gne zaza mihira egny ame bazary, izay midobokynsy mifampangahiky 17 da mizaka hoe: Nitsohitry asody ho anareo iay, fa tsy nandihy anareo. Nagnano hira fisaoragny iay, fa tsy nitomagny anareo.' 18 Fa Jaona da tsy avy hihinagny mofo ndre hindrano gne divay, da hoh indreo hoe: 'Managny deminia y.' 19 Gne Zanak'Olo da avy hihinagny sy hindrano da hoy indreo hoe: 'Taragno, lelà mola-kanigny sy mpimamo izy, namandreo mpamory hetra izy ame mpanota! ' Fa gne manakagnà da vômarigny tamign'asany. " 20 Avy eo Jesosy nanomboky nizaka mafy gne tanàgny izay nanaovagny gn'ankamoagn'asa mahagaga, satria tsy nibebaky indreo. 21 "Loza ho anareo, ry Korazina! Loza ho anareo, ry Betsaida! Râ nanigny tagny Tyra sy Sidona gn'asa mahagaga izay nanigny teto aminareo, da efa ela gne nibebaky tamin'e lamba fisaoragny sy lakevo indreo. 22 Nefa ho moramora tokôtry gn'an'e Tyrra sy Sidona amign'andro fitsaragny mihôtry noho gn'anareo. 23 Anareo, ry Kapernaomy, mihevitry me anareo fa hasandratry agny an-dagnitry? Tsia, ho hentigny hicigny agny amin'e helo anareo. Satria râtagnh Sodoma gne nanigny gn'asa mahagaga izay nanigny teto aminareo, da mbola ho tavelz izany mandrak'androany. 24 Nefa mizaka aminareo Iao fa ho mora tokôtry an'e tanin'i Sodoma gn'andron'e fitsaragny noho gn'aminareo." 25 Tamizany fotoagny izany Jesosy nizaka hos: " Midera Anao Iao, ry Ray, tompon'e lagnitry izy ame tany, satria Anao gne nagnafiny ireo raha ireo tamin'e manakagnà izy ame mahalala, sady nagnambara ireo tamin'ireo izay tsy mahalala, akô gne zaza. 26 Eka, ry Ray, satria izany da nahafinaritry teo amasonao. 27 Gne raha agnaby nankinigny taminà da avy ame Raiko; sady tsy misy mahalala gne Zanaky afa-tsy gne Ray sady tsy misy mahalala gne Ray afa-tsy gne Zanaky, izy izay fidin'e Zanaky hagnambara Anazy. 28 Mandehana aty aminà, anareo agnaby izay miasa sy minday mavesatry, da omeko fitsaharagny anareo. 29 Ento gne ziogako sady mianara aminà, fa malemy fagnahy sy manetry tegna am-po Iao, da nahita fitsaharagny ho an'ireo fagnahianareo anareo. 30 Fa mora gne ziogako sady mevagny gn'entako. "