Toko faha 10

1 Nangian'i Jesosy niaraky gne mpianatrany roy ambin'ny folo sady nagnome andreo fahefagny amin'e fagnahy maloto,mba handroahany andreo, sy hagnasitragny gne karazan'aretigny sy karazana faharariagny marobe. 2 Da itoa aby gne agnaran'gne apostoly roy ambiny folo. Gne voaloany, Simona (angizagny avokoa hoe Petera), da Andreo rahalany; Jakoba zanaka lahin'i Zebede, sy Jaona rahalahiny; 3 Filipo, sy Barteleomy; Tomasy, sy Matio gne mpanangogny hetra; Jakoba zanaka lahin'i Alfeosy, da Tadeosy; 4 Simona gne Zelota, da Jodasy Iskariota, gne hamadiky Anazy. 5 Niran'i Jesosy izy roy ambiny folo. Nanoro andreo Izy da nizaka hoe: "Ka mandea amin'gne toeragny izay hitoeran'e Jentilisa anareo, sady ka miditry amin'gne renivohitr'e Samaritana. 6 F'izy mandiana amin'gne ondry very amin'e taranak'Isiraely; 7 ka rehefa mandea anareo, da mitoria sady ambaray hoe: 'Efa akaiky gne fahatongavan'gne Fanjakan'e lagnitry.' 8 Sitragno gne marary, atsangano gne maty, divy gne boka, da roahy gne demonia. Araky gne nahazaonareo maimaimpoagny, da magnomeza avokoa maimaimpoagny. 9 Ka mitondra volamena, volafotsy, na varahigny amin'gne kitapom-bolanareo. 10 Ka tondra kitapom-batsy amin'gne andiananareo, na fitafy hafa, na kiraro, na tehina, fa gne mpiasa da mendriky hahazo gne sakafony. 11 re ino ndre ino tanàn-dehibe na tanàgny kidy hidiranareo, tadiavo gne mendriky ao, da mipetra ao mandra-pialanareo. 12 Ra vo miditry amin'gne tragno anareo, da miarabahagne ao. Ra mendriky gne tragno, da aoky gne fiadananareo ho tonga ao. 13 F'izy ra tsy mendriky izany, da aoky gne fiadananareo hiverigny aminareo. 14 Ho an'gne tsy mandray anareo na tsy miteno gne zakanareo, da ahitsagno gne vovoky amin'gne tongotrinareo, rehefa miaigny amin'izany tragno na tanàn-dehibe izany anareo. 15 Zakaiko marina aminareo, fa ho moramora kokoa gne an'gne tanin'i Sodoma sy Gomora amin'gne andro fitsaragny noho izany tanàn-dehibe izany. 16 dro, handefa anreo ako gne ondry ategnategnan'e ambodia Iao, da hendre ako gne menarana sady tsy manatsigny ako gne voromailala. 17 Mitandrema gne amin'e olo! Hanolotry anareo amin'gne filan-kevitry indreo, da hikapoky anreo amin'gne sinagogan-dreo. 18 Aveo da ho entigny manoloagny gne governora sy gne mpanjaka anareo nohon'e Amina,mba ho vavolombelogny ho andreo sy ho an'gne Jentilisa. 19 Rehefa manolotry anreo indreo, da ka managny ahiahy gne amin'gne akoignaia na ino gne ho zakaindreo, fa omegny anareo amin'io lera io izay tokony ho zakainy. 20 Fa tsy anareo gne hizaka, fa gne Fagnahin'e Abanareo gne hizaka aminareo. 21 Gne rala da hanolotry gne rala ho amin'gne fahafatesagny,da gne ray da gne zanany. Gne zanaky da hitsangagny hanohitry e ray aman-dreniny ka hahatonga gne fahafatesan-dreo. 22 Ho halan'gne olo marobe anareo nohon'gne amin'agnarako. Fa ndre ia ndre ia maharitry hatramin'gne farany, da ho voavonjy izany olo izany. 23 Rehefa magnenjiky anareo amin'io tanàn-dehibe io indreo, da milefa amin'gne magnaraky, fa zakaiko marina aminareo, fa tsy hahatapitry gne tanànan'Israely mialohan'gne hatongavan'e Zanak'olo anareo. 24 Gne mpianatry da tsy zakabe noho gne mpampianatrany, na gne mpanompo ho ambony noho gne tompony. 25 Ampy ho an'gne mpianatry raha tonga akogne mpampianatrany izy, da gne mpanompony ako gne tompony. Ra nangian-dreo hoe Belzeboba gne tompon'gne tragno, da ho ratsy lavitry akoignaia gne agnaragny hangian-dreo gne isam-piankohonagny! 26 Noho izany ka mataotry anazy anareo, fa tsy hisy takogny izay tsy hiseo, sady ra- mifiny izay tsy ho fantatry. 27 Gne zakaiko anareo amin'gne mizigny, da zakay amin'gne andro mazava, da gne vitsikitsiky renareo amin'e sofinareo, da torio ambony tampon-tragno. 28 Ka matahotry an'gne mamono gne vatany kanefa tsy afaky mamono gne fagnahy. F'izy, matahoraan'gne afaky mamotiky gne fagnahy sy gne vatana amin'e helo. 29 Tsy vola madiniky kidy me gne hamarotany fody roy? Fa tsy nisy ndre raiky amin-dreo gne lavo amin'e tany ra tsymisy gne fahalalan'e Rainareo. 30 Fa ndre gne volon-dohanareo aza da voaisa. 31 Ka matahotry. Manan-danja bebe kokoa noho gne fody marobe anareo. 32 Noho izany gne marobe magneky Ana anatrehan'olo, da ho ekeko avokoa anatrehan'e Raiko izay an-dagnitry. 33 F'izy zay mandà Ana agnatrehen'olo, da ho laviko avokoa eo anatrehen'e Raiko izay an-dagnitry. 34 Ka mieritreritry fa iao da tonga hitondra fiadanagny eto an-tany. Tsy tonga mba hitondra fiadanagny Iao, fa sabatry. 35 Fa tonga iao hagnasaraky gne zanaky lela amin'e abany, sy gne zanaky viavy amin'e endriny, da gne vinantovavy amin'e rafozam-baviny. 36 Gne an-tonkatragno avao gne lasa fahavalon'e olo. 37 Gne tia kokoa e ray na reny mihoatry Ana da tsy mendriky Ana; da izay tia kokoa gne zanaky lela na zanaky viavy mihoatry Ana da tsy mendriky Ana. 38 Gne tsy mandray gne hazofijaliany ka magnaraky Ana da tsy mendriky Ana. 39 Izay mamonjy gne ainy da hahavery izany. Fa gne mahavery gne ainy noho gne amina da hahita izany. 40 Izay mandray anareo da mandray Ana, da izay mandray Ana da mandray gne nagniraky ana avokoa. 41 Izay mandray gne mpaminany satria mpaminany izy da hahazo gne valisoan'gne mpaminany, da izay mandray gne olo-marina satria olo-marina izy da hahazo gne valisoan'gne olo-marina. 42 Ndre ia ndre ia magnome gne raiky amin'gne madiniky indrindra, ndre rano mangatseky raiky kaopy ho sotroigny, satria izy mpianatry, da zakaiko marina aminareofa, tsy ho very gne valisoany."