Toko faha 6

1 Ô rahalà, raha misy olo azon'e ota, anareo izay ara-pagnahy gne tokony hangnapody an'izany indraiky ame fahamoram-pagnahy. Miheritrereta e tegnanao, mba tsy ho halaim-pagnahy koa anao. 2 Mifampindesa gne mavesatry, sady amin'izany da amboaro gne lalàgnin'i Kristy. 3 Fa raha misy olo mihevitry gne tegnany ho raha kanefa tsisy dikany, da mamitaky gne tegnany izy. 4 Tokony handiniky gne asany agnaby gne tsiraidraiky, mba ho ame tegnany avao gne antony hireharehany fa tsy ame olo-kafa. 5 Fa samy hiday gn'entany agnaby gne olo tsiraidraiky. 6 Gn'olo izay nampianarigny gne zaka da tsy maintsy mizara gne raha tsara anagnany am'izay mampianatry. 7 Ka mety ho fitahiagny. Tsy azo sangisangiagny Andriamanitry, fa gne raha agnaby ambolen'olo, gne ho ho hilainy avakoa. Hoan'i gne mamboly voa ame toetriny feno fahotagny, da avy amin'izany no hihilany fahasimbagny. 8 Izay mamboly voa ame Fagnahy, amin'e Fagnahy no hihilany e fiainagny mandrakizay. 9 Ao itsika mba tsy ho reraky amin'e fagnamboaragny e tsara, fa hihila e vokatry itsika ame fotoagny mety, raha tsy milavo lefogny itsika. 10 Ka noho izany, satria managny fahafahagny isika, da magnamboara gne tsara ame olo aby atsika, indrindra fa amin'e fianakavian'e finoagny. 11 Iteo gne hazakaben'e soratry izay nosoratan'e tagnako ho anareo. 12 Indreo te hiseo ho tsara ame nofo e miezaky manery anareo mba hoforaigny. Mambotry izany indreo mba hialany ame fagnenjehagny nohon'e gn'amin'e hazofijalian'i Kristy. 13 Ndre da indreo tsy voafora aza da tsy mitandrigny gne lalàgny, nefa tian-dreo hoforaigny anareo mba hireharehandreo ame nofonareo. 14 Nefa tsy hirehareha ndre ovia ndre ovia afa-tsy gn'amin' e hazofijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika anie iao, izay nanombohagny an'izao tontolo izao taminà, fa iao teo amizao tontolo izao. 15 Fa gne famoragny na gne tsy famoragny da samby tsy misy dikany. 16 Ho andreo aby izay miaigny arak'izany fomba izany, da ho amindreo anie gne fiadanagny izy ame famindram-po, na ame Israelin'Andriamanitry. 17 Manomboky am'izao da aoka tsy hisy hagnabarabara anà, fa mitondra gne marik'i Jesosy ame vatako iao. 18 Ho ame fagnahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompotsika, rô rahalà. Amena.