Toko faha 4

1 Mizaka iao fa gne mpandova, raha mbola zaza izy, da mitovy ame andevo, ndre topmon'e raha agnaby aza izy. 2 Kanefa izy da eo ambany fahefandreo mpiambigny sy gne mpitahiry raha sarobidy Mandram-pahavin'e daty napetrak'i Abany. 3 Da akô izay avakoa, antsika raha mbola zaza, da nandevozin'e lalàgny fitsipim-pianaragny am'izao tontolo izao. 4 Fa refa avy gne fahafenoan'e fotoagny, da nandefa e zanany Andriamanitry, izay naterak' e viavy, nateraky tambanin'e lalàgny. 5 Nagnano an'izany Izy mba hagnavotagny andreo izay ambanin'e lalàgny, amizay afaky mandray fananganagny ho zanaky antsika. 6 Satria zanaky anareo, da nirahin'Andriamanitry ho ao am-pontsika gne Fagnahin'e Zanany, izay mangaiky hoe : "Aba, Ray." 7 Noho izany tsy andevo esana anao, fa zanaky, sady raha zanaky, da mpandova amign'alalan'Andriamanitry avakoa anao. 8 Fa tamin'io fotoagny io, raha mbola anareo tsy nahalala an'Andriamanitry, da nanigny ho andevondreo izay, amin'e hery voajagnahary, da tsy Andriamanitry velively. 9 Fa Amin'izao anareo da lasa nahalala an'Andriamanitry, na koa hoe lalan'Andriamanitry anareo, da ino gne hiveregnanareo amin'e abidim-pianaragny malemy gne sady tsy misy dikany? Te ho andevozigny indraiky me anareo? 10 Mandiniky gne andro, izy am'gne volagny da gne vanimpotoagny sy gne taogny anareo! 11 Matahotry gn'aminareo aho sao da zava-poagny gn'asako taminareo. 12 Magnano azafady anareo iao, to rahalà magnamboara ako anà, satria iao avakoa da efa lasa akô anareo. Tsy Nagnano ratsy taminà anareo. 13 Kanefa lalanareo fa noho gne aretim-batako e nagnamboarako anareo gne filazantsara tame voalohany. 14 Ndre da ninday anareo tame fakam-pagnà e toe-batako, da tsy nagnano tsinotsino ndre nagniliky anà anareo. Fa noraisinareo ako gne anjelin'Andriamanitry avakoa iao, ako iao magniny i Kristy Jesosy. 15 Noho izany, negnaia gne fahasoavanareo am'izao? Fa mijoro vavolombelogny aminareo iao fa, raha azonareo sady nomenareo anà izany. 16 Ka noho izany, efa lasa fahavalonareo me iao satria mizaka gne marigny aminareo? 17 Indreo da mazoto gne hitaogny anareo, fa tsy ame tsara. Fa te agnidy anareo agny ambadiky indreo, mba hanagnanareo zotom-po ho andreo. 18 Tsara avao e managny zotom-po ame tanjogny tsara, sady tsy refa miaraky aminareo avao iao. 19 Ô zanako, mbola mijaly amin'e fanaitaignan'e fiterahagny ho anareo indraiky iao mandra-piforon'i Kristy ao aminareo. 20 Magniry iao mba ho afaky miaraky aminareo amin'izao fotoagny izao sady agnova gne feoko, satria sahiran-tsaigny noho gne aminareo iao. 21 Zakay aminà , anareo izay magniry ho eo ambanin'e lalàgny, kaiky tsy miteno e lalàgny me anareo? 22 Satria voasoratry fa i Abrahama da nanagnanaky roy lahy, e raiky avy ame andevo viavy da gne raiky avy ame viavy afaky. 23 Fa e raiky nateraky gne andevo viavy araky e nofotry, fa e raiky hafa da nateraky gne viavy tame zaka fampagnatenagny. 24 Da io raha io da azo rasaigny akô gne fagnoharagny, satria io viavy io da magnambara fagnekegny roy. Gne raiky amindreo da avy ame tendrombohitr'i Sinay sady niteraky zaza izay andevo izy. Izy io da i Hagara. 25 Sady i Hagara da magnaboaky gne tendrombohitr'i Sinay agny Arabia; sady magnambara an'i Jerosalema amin'izao fotoagny izao, satria nandevozigny niaraky tame zanany izy. 26 Fa i Jerosalema izay agny ambony da afaky, sady izy gne renintsika. 27 Satria voasoratry hoe: " Mifalia , anao izay momba tsy miteraky. Miantsoantsoa mafy sady magnamboara hiaky fifaliagny, anao izay tsy mijaly ame fanaintainan'e fiterahagny. Satria gne zanakin'e viavy izay nafoy da maro nohon'e viavy manambady." 28 Fa anareo, ro rahalà, akô i Isaka, da zanaky gne fampagnatenagny. 29 Tamin'izany fotoagny izany gn'olo izay teraky araky e nofotry da nagnenjiky izay teraky araky gne Fagnahy. Da akô izany avao gn'amin'izao fotoagny izao. 30 Kanefa ino gne zakain'e soratra masigny? "Alefaso gne andevo viavy izy ame zananany lahy. Fa gne zanaky lahin'e andevo viavy da tsy hizara lova miaraky ame zanaky lahin'e viavy afaky." 31 Noho izany,rô rahalà, tsy zanakin'e andevo viavy itsika, fa zanakin'e viavy afaky.