TOKO FAHA 28

1 Refa avy soa aman-tsara iay, da lalanay fa gne tany da natsovagny hoe Malta. 2 Gne tompo tanagny da tsy nagnome hatsaram-pagnahy tsotry taminay fotsiny, fa nampirehitry afo indreo sady nampandroso anay agnaby, nohon'e eriky be izy ame hatseky. 3 Fa refa nandagnogny kitay kakazo, sady nametraky an'izany teo ame gn'afo Paoly, da nisy menaragny nijotso nohon'e hafanagny, sady nifamolitry tame tagnany. 4 Refa nahita gne biby nihantogny tame tagnany gne tompo tanagny, da nifampiresaky indreo hoe: "Tena mpamono olo izay nilefa avy tagny an-dranomasigny io lelà io, raha gne rariny da tsy tokony ho velogny izy." 5 Fa avy eo nagnifikifiky gne biby ho agnatin'e afo izy nefa tsy naratry akory. 6 Nandigny an'azy mba ho voan'e tazo na ho faty tampoky indreo. Fa refa avy nagnety an'azy ela be indreo sady nahita fa tsy nisy raha tsy mahazatry nahazo an'azy, da niova hevitry indreo sady nizaka fa izy da andriamanitry. 7 sady tame tanagny akeky teo nisy gne tany izay an'e lelà lehiben'e nosy, lelà antsoigny hoe Poplio. Nandray anay izy sady nagnome hanigny anay tame hatsaram-pagnahy nandritry gne telo andro. 8 Gne rain,i Poplio da nararin'e tazo izy ame fivalagnan-drà. Refa negna'amin'azy i Paoly, da nivavaky izy, nametraky gne tagnany teo amin'azy, sady nagnasitragny an'azy. 9 Tafaran'e niboahan'izany, da nagnatogny an'azy avakoa gn'ambin'e fokon'olo agnaby izay narary teo ame gne nosy da sitragny. 10 Gne fokon'olo avakoa da nagnome voninahitry anay tame voninahitry maro. sady refa niomagny andeha sambo iay, da nagnome anay izay nilainay indreo. 11 afaka telo volagny iay da nandeha niondragny tame sambo izay nijanogny tao ame gne nosy nandritry gne rirignigny, sambon'i aleksandria, misy '" sarikambagnin'andriamanitry" eo alohan'e sambo. 12 sady refa avy tame gne tanagnin'i Sirakosa iay, da nipetraky tao nandritry gne telo andro. 13 Niala avy teo iay gne niondragny sambo ka avy tagny ame tanagnin'i Regioma. Sady refa afaky andro raiky da nisy rivotry nitsoky avy agny atsimo, ka roy andro iay da avy tao ame tanagnin'i Potioly. 14 Tao gne nahitanay gne rahalà sasany sady nanasa anay mba hijanogny hiaraky amindreo mandritry gne fito andro. Tame gn'alalan'izany gne nevianay tagny Roma. 15 Avy tegny gne rahalà, tafaran'e naregnesandreo gne momba anay, da avy nitsena anay hatragny ame Tsenan'i Apio izy ame tragnom-bahiny telo. Refa nahita gne rahalà Paoly, da nisaotry an'Andriamanitry izy sady nahazo hery. 16 Refa niditry tao Roma iay, da nahazo alalagny hiaraky iaigny ame miaramila niambigny an'azy Paoly. 17 Sady refa afaky telo andro tafaran'izay da nampagnantso niaraky gne lelà izay mpitariky teo ame Jiosy i Paoly. Refa niaraky avy indreo, da nizaka tamindreo izy hoe: "Ô rahalà, ndre da tsy nagnano raha ratsy tame gn'olo ndre gne fomban'e razatsika aza iao, da natolotry ho voagadra tagny Jerosalema teo antagnan'e Romana. 18 Refa avy nagnadihady anà indreo, da nagniry gne hagnafaky anà, satria tsy nisy antony tokony hagnamelohagny anà ho faty. 19 Fa refa nanohitry gne fagniriandreo gne Jiosy, da voatery iao nampagnatso an'i Kaisara, ndre da tsy akô gne hoe ninday fiampangagny hanohitry gne fireneko aza. 20 Nohon'e antsoko, da, nangataky gne hahita anareoizy ame hizaka aminareo iao. Izany da nohon'e fahatokisan'e Israely momba gne hamatoragny ana amity rojo ity." 21 Avy eo da nizaka tamindreo hoe: "Tsy mbola navoray gne taratasy momba anao avy agny Jodia iay, na rahala avy sady nitatitry na nizaka raha ratsy momba anao. 22 Fa tianay ho regny aminao gne eritreritrinao momba an'izany sekta izany, satria lalanay fa efa ratsy laza eran'e tanagny izany. 23 Refa nifidy andro ho an'azy indreo da maro kokoa gn 'olo nagnatogny an'azy tagny ame tragno nivahiniagnany. Nampahafantatry gne raharaha tamindreo izy, sady nijoro vavolombelogny momban'e fanjakan'Andriamanitry. Niezaky nandresy lahatry andreo gne momba an'i Jesosy izy, na tame gn'alalan'i Mosesy izany na tame gn'alalan'e mpaminany, nanomboky mandraigny mandrapaha ariva. 24 Gne sasany da resy lahatry tame raha izay voalaza, raha tsy nino kosa gne hafa. 25 Refa tsy nifagnaraky indreo , da lasa tafaran'e nagnambaran'i Paoly an'ity zaka raiky ity hoe: "Gne Fanahy Masina da nizaka tsara gne razanareo tame gn'alalan'Isaia mpaminany. 26 Hoy izy hoe : "Ame fitenomagny gne handregnesanareo, fa tsy hahatakatry, sady ame fahitagny gne hagnitehanareo, fa tsy ?.hahita 27 Fa nemafy gne fon'io olo io, sady sarotry ame tadignindreo gne haharegny, sady nagnakipy gne masony indreo. Fa raha tsy izany da mety afaky hahita ame masondrro, sady haharegny ame tadigniny, sady hahatakatry ame fony ka hiverigny indraiky , da hagnasitragny andreo iao." 28 Noho izany , tokony ho lalanareo fa izany famonjen'Andriamanitry izany da nalefa tame Jentilisa, sady hiteno indreo." 29 (Fagnamarihana egny ame farany ambanin"'e Pejy:Asa 28:22- gne atontan-taratasy sasany da managny gne andriny 29 hoe: "Refa nizakaan' io raha iomizy, da lasa gne Jiosy. Nisy fifandiragny zakabe teo amindreo.") 30 Paoly da niaigny nandritry gne roy taogny ngarangidigny tao ame tragnony nohofaigny manokagny, sady nandray izay olo avy tao amin'azy agnaby izy. 31 Nagnambara gne fanjakan'Andriamanitry izy sady nampianatry gne raha momba an'i Tompo Jesosy Kristy tame fahasahiagny agnaby. sady tsy nisy nanakagny izy.