Toko 1

1 Iao olombe mamangy an'i Galo malala, gne tiako amin'gne fahamarinagny. 2 E malala, mivavaky iao mba hambinigny amin'gne zavatra marobe anao sady ho salama, ako gne hanambinagny gne fagnahinao. 3 Tena faly iao fony nisy ralah tonga sady nijoro vavolombelogny tamin'gne fahamarinanao, ako gne andiananao amin'gne marina. 4 Tsy managny hafaliagny zakabe ako ity iao, da gne maharegny fa mandea amin'gne fahamarinagny gne zanako. 5 E malala, magnano asa mahatoky anao ndre amin'ino ndre ino asa aninao ho an'gne ralanao sy gne vahiny, 6 izay nijoro vavolombelogny gne fitiavanao tagnatrehan'gne fiangonagny. Soa gne naninao ra alefanao mandea amin'gne fomba mendriky an'Andriamanitry indreo, 7 satria nohon'gne agnarany gne nialany, tsy nitondra ndre ino ndre ino avy tamin'gne Jentilisa. 8 Noho izany izika da tokony handray gne ako izany, mba ho mpiara-miasa amin'gne fahamarinagny isika. 9 Nanoratry ra tamin'gne fiangonagny iao, f'izy Diotrefa, gne ta- ho lohany amin-dreo, da tsy nadray anay. 10 Noho izany, ra tonga iao, da ho tsarovako gne asa izay naniny, gne fomba nizakany ra mampadikidiky manohitry anay miaraka amin'gne zaka ratsy. Tsy afa-po tamin'gne asa, da tsy nandraygne rala izy. Nandrara gne ta-hagnano ako izany izy sady nandroaky andreo hivoky gne fiangonagny. 11 E malala, ka mangala tahaky gne ratsy fa gne tsara. Gne raiky izay magnano e tsara da an'Andriamanitry; gne raiky izay magnano e ratsy da tsy nahita an'Andriamanitry. 12 Gne maro sy gne fahamarinagny da vavolombelogny magnambara an'i Demetrio. Iay avokoa da mijoro vavolombelogny, sady fantatrinao fa marina gne fagnambaranay. 13 14 Nanagny ra marobe ho soratagny aminareo iao, fa tsy magniry hanoratry ireo aminareo amin'gne penina sy ranomainty iao. F'izy iao magnategna hahita anareo tsy ho ela, sady hiresaky mivantagny isika. Ho aminareo anie gne fiadanagny. 15 Magnano veloma anao gne namagny aty. Veloma amin'gne namagny kiraikiraiky araky gne agnarany aby.